490 – Ry Kristiana, andrandrao

1. Ry Kristiana, andrandrao
Ny Tompo sy Mpanjakanao,
Fa Izy no Mpiaro;
Ka aza taitra hianao,
Na dia manakora izao
Ny fahavalo maro;
Omban’ny Tompo hianao,
Ka aza atahoranao
Ny rahon’ny mpamely.

2. Fa indro tsy rendrehana
Ilay Mpiambi-masina,
Izay Tokin’Israely,
Fantaro, marina izao:
Izay ataon’ny rafinao
Aoka ho azy izany;
Fa andrandrao ny lanitra,
Anao Andriamanitra,
Anao ny fanjakany.

489 – Tena sambatra sy maha-te ho tia

1. Tena sambatra sy maha-te ho tia
Izay masina, madio fisainana
Fa miara-dalana, mifankatia
Amin’Andriamanitra Fiainana.

Fiv : Masina tokoa re ny Tompo.
Tianay mba ho masina
Saina tena sy fanahy
Ka fiainan-danitra tokoa
No santarin’izay
Mino sy manoa.

2. lndro, mampahery, mahatoky koa
Raha mahitsy ny fijery, soa ny fo;
Fa ny fo madio sy masina tokoa:
Paradisa an-tany, feno zava-tsoa.
Masina tokoa, sns…

3. Koa halaviro ny fitaoman-dratsy,
Ny fisaikazana tsy mba masina;
Fa ny tia ny Tompo, dia olon-tsoa mitafy
Fahadiovan’ny Fanahy Masina.
Masina tokoa, sns…

4. Miaraha lalana amin’i jesosy
Fa ny fahavalo ta-hamotraka;
Mijoroa, reseo ny toetra mampihosina
Ao anaty loto sy ny fotaka.
Masina tokoa, sns..

488 – Na inona na inona hitranga, Jeso !

1. Na inona na inona hitranga, Jeso !
Na ny lanitra ho manga, Jeso !
Na ho maloka mangina, Jeso !
Dia ho feno fifaliana, Jeso !

Fiv : Ny fotoana dia handalo, Jeso !
Fa tsy hisy hampimalo, Jeso !
Raha miorina ao am-poko, Jeso !
Ilay fitiavanao inoako, Jeso !

2. Raha jereko ny andro lasa, Jeso !
Tao ny tsiky, tao ny ratra, Jeso !
Nefa Ianao, Ilay Mpampahery, Jeso !
No nambomba sy nijery, Jeso !
Ny fotoana, sns…

3. Ny ho avy antenaiko, Jeso !
Mbola ho fifalian’ny saiko, Jeso !
Ny hasasarako hisava, Jeso !
Ny harivako hazava, Jeso !
Ny fotoana, sns…

487 – Fanavaozana izay mahagaga tokoa

1. Fanavaozana izay mahagaga tokoa
Nomen’i Jeso ahy re !
Fahazavan’ny fanahy izay mahafa-po
Nomen’i Jeso ahy re !

Fiv : :,:Hatramin’izao dia endrey :,:
Ny fitempon’ny foko izay ravo tokoa
Onenan’ny Tompo Jeso !

2. Ny fiainako be siasia taloha
Voaova mihitsy izao !
Eny, ny fahotako izay nahavoa
Voasasany koa izao !
Hatramin’izao, sns…

3. Ny finoako, ny fanantenako dia be,
Ny tokiko fatratra koa ;
Ny fisalasalana dia levona re,
Ny saiko mandroso ho soa !
Hatramin’izao, sns…

4. Tonga mamirapiratra fatratra ery
Ny aloky ny faty re !
Ka dia tsinjoko ilay vavahady ary,
Mankao an-tanàn-dehibe !
Hatramin’izao, sns…

5. Tsy miato, mizotra mankany tokoa
Ny diako hatramin’izao ;
Hovantaniko any Ilay Tompo soa,
Jesosy malala no ao !
Hatramin’izao, sns…