1. Tonga ny fahazavan’i Ziona
Ravo ny tany
‘Zay maizina teo
Tapitra koa ny fidradradradrana
Ary ny tany miadana izao.
2. Tonga ny fahazavan’i Ziona
Efa nandrasana izay ela izay,
Izao dia tapitra ny fanompoana,
Ka ampodina ny babo indray.
3. He, misy rano izay miboiboika
Any an-efitra maina sy lao,
Feno ny hobiny ny lohasaha,
Manakoako ny hira vaovao.
4. Indro ny tany sy nosy rehetra
Dia mankalaza ny Tompo izao,
Ny fanjakany dia tsy manam-petra
Miravoravo ny tany vaovao.