118 – Mba jereo ny zanakondry

1. Mba jereo ny zanakondry
Voahombo sady ory,
Nefa Tompo masina.
He! Ny Rainy tsy namaly,
Raha ny zanany nijaly
Tamim-panaitainana.

2. He, ny Marina nijaly!
Mba hahaizako mifaly,
Izay no niaretany,
O! ry foko mangovita,
Manatona mba hahita
Ny fahafatesany.

3. Eny, ry Mpamonjy tsara,
Mba meteza hanambara
Ny harem-pitiavananao;
Dia hafanao ny foko,
Mba hahaizako hanompo
Sy hanaraka Anao!

4. Aoko aho hitomany
Raha mievitra izany
Fahoriana nentinao,
Azoko ny famonjena;
O! ry foko manenena
Noho ny ratsy vitanao.

5. Tompo, manampia ahy
Mba harisika am-panahy,
Hanompoako Anao,
Raha mbola aty an-tany
Aza afoy mba tohany
Tsy hisaraka aminao.

116 – Miaingà, ry fo ny saina

1. Miaingà, ry fo sy saina,
Mba ho any Golgota,
Maty tao ny Tompon’aina,
Vita tao ny avotra,
Ry mahantra, ry mania,
Sady raiki-tahotra,
Ny Mpamonjy be fitia
Hahitanao avotra.

2. Fa ny ainao, ry Mpamonjy
Nisoloanao anay,
Hahazoanay ny vonjy
Sy hahafa-trosa anay,
Vatofantsika ny aiko
Hianao, Mpamonjy ô!
Ravoravo izao ny saiko,
Afakao ny heloko.

3. Ny manjo aty an-tany
Tsy mba hatahorako;
Fa izaho dia ho any
Amin’ny Mpanavotro,
Tombon-dahiko tokoa
Ny fahafatesana,
Hahatrarako ny soa,
Dia ny fiainana.

115 – Jeso Tompo lehibe

1. Jeso Tompo lehibe
Iraky ny Rainy ;
Nolatsain’ny marobe
Tsy mba nohajainy !

Fiv : Jeso tia, Jeso tia
Maty voahombo ;
Maty tany Kalvary,
Maty re ny Tompo !

2. Ory loatra fahizay,
Zanak’ondry mora ;
Maty mba ho solonay
Sady voakora !
Jeso tia, sns…

3. Nalahelo, be nanjo,
Nefa tsy nanota
Fa nijaly sitrapo
Tany Golgota !
Jeso tia, sns…

4. Jeso no Mpamonjy tia
Nahafoy ny ainy
Mba hamory ‘zay mania
Hody amin-dRainy !
Jeso tia, sns…

114 – Jeso no niala aina

1. Jeso no niala aina
Hanavotany anao;
:,: Iza re no tsy hanaiky
Azy izao? :,:

2. Fa ny lapany ambony
Nialany fahizay,
:,: Hamonjeny olom-bery
Very tokoa. :,:

3. Fa izay manatona Azy
Ka mibebaka ao am-po
:,: Tsy ariany akory
Ka matokia. :,:

4. Mba avia, ry havanay ô!
Maneke ny Tomponao,
:,: Maneke ny Tompon’aina
Ho Tomponao. :,:

5. Iantrao, ry Tomponay ô!
Ny mialoka aminao;
:,: Raisonao ‘zahay mpanota
Ho olonao. :,:

113 – Jeso, Zanahary!

1. Jeso, Zanahary!
Masina sy tò,
Nanome ny ainao
Noho ny olonao.

2. Tsy niaro loza
Tamin-tenanao,
Fa mba tonga ory
Noho ny olonao.

3. Nentinao ny rtsy,
Soa nolavinao,
Lapa nialanao,
Noho ny olonao.

4. Jeso Tomponay ô!
Tompo Masinao,
Manomeza soa
Ny mpanomponao!

5. Mamelà ny ota;
Manova ny fo;
Diovy ny maloto;
Aoka ho olonao.

6. Tompo ô, Tsitoha,
Vatolampinay!
Saotra aman-dera
Raiso ho Anao!

112 – Tsy ny hahazo zavatra

1. Tsy ny hahazo zavatra
Ary an-danitra
No itiavako Anao
Ry Andriamanitra.

2. Tsy noho ny atahorako
Ny fijaliana,
Fa noho ny fitiavanao,
No itiavako.

3. Voahombo, voalefona,
Voalatsa Hianao:
Nahinjitra ny tànanao
Tambony hazo teo.

4. Izaho no niaretanao
Ny fijaliana;
Ny ranao nanavotana ahy
Izay fahavalonao.

5. Ka moa tsy fitiavana
Havaliko Anao?
Ny foko no atolotro
Anao, ry Tompo ô!

6. Ry Jeso Kristy masina ô!
Deraiko Hianao,
Fa Hianao Mpanjakako
Sy Andrimanitro!

111 – Indro ny Mpamonjy

1. Indro ny Mpamonjy,
Mpanavotra antsika,
Izy no manontany hoe:
« Tianao va Aho? »

2. Izaho no Mpamonjy
Sy Mpisolo anao;
Ny rako manontany hoe:
« Tianao va Aho? »

3. Ny fitiavako
Tsy mety miova,
Ka mbola manontany hoe:
« Tianao va Aho? »

4. Ry Jesio Tompoko!
Malahelo ‘zahay,
Ny fitiavanay Anao
Mbola tsy toy inona.

5. Aelezo ao am-po
Ny fitiavanao,
Hahazaoanay mamaly:
« Tianay Hianao. »

110 – Nomeko ho anao

1. Nomeko ho anao,
Ny rako masina,
Hanavotra anao,
Izay tsy marina!
:,: Ka dia mba inona izao
No ahy taminao! :,:

2. Nafoiko ho anao
Ny zava-tsoa be,
Mba hanatonanao
Ny Raiko lehibe.
:,: Ka dia mba inona, sns :,:

3. Izaho Tomponao
Nijaly mafy re,
Hanafaka anao
Mpanota lehibe:
:,: Ka dia mba inona, sns :,:

4. Ny vonjy lehibe
Nataoko ho anao,
Ny rako nitete
Hanadio anao;
:,: Ka dia mba inona, sns :,:

5. Jesosy Tompo ô!
Izao no teniko;
Atolotro ho Anao
Ny aiko sy ny fo;
:,: Izany no isaorako
Anao Mpamonjiko :,:

6. Ny foko raisonao,
Oneno hatrety,
Ataovy lapanao
Na eto na ary;
:,: Dia tano aho, Tompo ô!
Mba ho fanananao :,:

109 – Nahafoy ny aiko Aho

1. Nahafoy ny aiko Aho
Hanavotako anao.
Ka nalatsako ny rako,
Nisoloako anao.
He! ny aiko no nomeko
Ry mpanota very e!
Aiza izay afoinao re
Mba ho Ahy Tomponao?

2. Lapan-dRaiko ao ambony,
Voninahi-dehibe,
No nilaozako hamonjy
Sy hanafa-doza anao,
‘Zay voafitaky satana
Sy nozoin-doza be;
Aiza izay afoinao re
Mba ho Ahy Tomponao?

3. Soa be sy mahagaga
No natolotro anao,
Famonjena tsy vidina,
Famelana ny otanao,
Fitiavan-tsy voafetra,
Lova ao an-danitra ao;
Aiza izay afoinao re
Mba ho Ahy Tomponao?

4. Indro Tompo! Fa omeko
Ho Anao ny tenako,
Ka tsy misy izay tsy foiko
‘zay rehetra tianao;
Eso, latsa, tsy ahoako,
Fa ny ho mpanomponao
No ho zavatra kendreko,
Raiso re ny zanakao.

108 – Ny hazo fijalianao

1. Ny hazo fijalianao,
Ry Jeso Tompo maminay,
Dia an’izao tontolo izao,
Ka famonjena ho anay.

2. Mivelatra eo ka hitanay
Izany fitiavana;
Ka ampianaro izahay
Ho be fitia toa Anao.

3. He! Latsaka eo ho avotray
Ny ranao masina sy soa
Ka mba sasao re izahay
Ho olona madio tokoa.

4. Voatolotra eo mba ho anay
Ny famonjena vitanao;
Ka mba tariho izahay
Handray ny fasoavanao.

5. Mamiratra eo ka tazanay
Ny lanitra fonenanao;
Ka mba tantano izahay
Ho mendrika mponina ao.

6. ‘Ndrey, tena mahafinaritra
Ny miara-monina aminao;
Ka ampio izahay hiaritra
Ny hazo fijalianao.