126 – Endrey izato fahasambarana

1. Endrey izato fahasambarana:
Jesosy dia velona indray
Ny foko mandre fitsaharana,
Noho izay natsangan’ny Ray
Tsy any am-pasana intsony,
Fa hitako velona koa;
:,: Ilay Tompon’ny hery ambony,
Mamiratra sy mananjo. :,:

2. He, velona Izy! Hafarany
Izaho izao hampandre
Ireo izay tia ny Anarany
Ny fampiononana be.
Anjely no mendri-kilaza;
Izaho, mpanompo tsy soa,
:,: Nirahin’ny Tompo malaza,
Ka ravo sy tretrika koa! :,:

3. Endrey izato fahasambarana!
Fa velona mandrakizay
Ny Tompo izay nifankazarana,
Ka faly ny foko indray!
Ny fasana izay nampisaona
No fampiononana koa,
:,: Fa tao izahay tafahaona
Ka ravo dia ravo ny fo! :,:

125 – Indro, Jeso velona

1. Indro, Jeso velona,
Afaka ny olom-bery,
Rava re ny fasana,
Dia nivoaka ilay Mahery;
Ka ny horohoron-tany
Dia nahatò izany.

2. Resinao ny rafinay,
Ry Jesosy manan-kery,
Ka mpandresy izahay,
Voavonjinao ny very,
Matinao ny helok’ota,
Velona izahay mpanota.

123 – Velona Jesosy

1. Velona Jesosy,
Nitsangana tokoa;
Ny kristiana marobe
mihoby sy mihira hoe:
Dera ho Anao, ry Mpandresy!

2. Velona Jesosy,
Ny helo dia resy,
Tanteraka ny avotra,
Ka afaka ny heloka:
Dera ho Anao, ry Mpandresy!

3. Velona Jesosy,
Ka velona isika,
Hiara-monina aminy,
Hohazavain’ny tavany:
Dera ho Anao, ry Mpandresy!