151 – Miakara, miakara

1. Miakara, miakara
Ry Mpanjaka lehibe !
Vitanao ny famonjena
‘Zay nalehanao taty
Mihobia, ry anjely !
Ka derao ny Tomponao
Voninahitra sy haja
Atolory Azy izao !

2. Miakara, miakara
Ry Mpandresy lehibe !
Eso, latsa, fahoriana
No anjaranao taty
‘Zao ny lanitra miandry
Miandry hiverenanao
Renao ao ny feo manako
Feno fanajana Anao

3. Miakara, ry Mpamonjy !
Ravo ny navotanao ;
Izahay aty an-tany,
Faly te-hidera Anao
Raisonao ny fiderana
‘Zay atolotray izao
Haleloia ! Haleloia !
Ho Anao Mpanavotray !

152 – Niakatra ao an-danitra

1. Niakatra ao :,: an-danitra :,:
Ny Zanak’Andriamanitra
:,: Haleloia ! :,:

2. Ka monina ao :,: an-danitra:,:
Jesosy Tompon-danitra
:,: Haleloia ! :,:

3. Izao zavatra :,: rehetra izao:,:
Ry Jeso ô, hazoninao
:,: Haleloia ! :,:

4. Isaoranay, :,: ry Tompo ô, :,:
Ny herinao sy indrafo
:,: Haleloia ! :,:

5. Fa ny devoly resinao :,: he resinao:,:
Ny ratsy nofogoranao
:,: Haleloia ! :,:

6. Ry tany sy :,: ry lanitra :,:
Derao Andriamanitra !
:,: Haleloia ! :,:

126 – Endrey izato fahasambarana

1. Endrey izato fahasambarana:
Jesosy dia velona indray
Ny foko mandre fitsaharana,
Noho izay natsangan’ny Ray
Tsy any am-pasana intsony,
Fa hitako velona koa;
:,: Ilay Tompon’ny hery ambony,
Mamiratra sy mananjo. :,:

2. He, velona Izy! Hafarany
Izaho izao hampandre
Ireo izay tia ny Anarany
Ny fampiononana be.
Anjely no mendri-kilaza;
Izaho, mpanompo tsy soa,
:,: Nirahin’ny Tompo malaza,
Ka ravo sy tretrika koa! :,:

3. Endrey izato fahasambarana!
Fa velona mandrakizay
Ny Tompo izay nifankazarana,
Ka faly ny foko indray!
Ny fasana izay nampisaona
No fampiononana koa,
:,: Fa tao izahay tafahaona
Ka ravo dia ravo ny fo! :,:

125 – Indro, Jeso velona

1. Indro, Jeso velona,
Afaka ny olom-bery,
Rava re ny fasana,
Dia nivoaka ilay Mahery;
Ka ny horohoron-tany
Dia nahatò izany.

2. Resinao ny rafinay,
Ry Jesosy manan-kery,
Ka mpandresy izahay,
Voavonjinao ny very,
Matinao ny helok’ota,
Velona izahay mpanota.

123 – Velona Jesosy

1. Velona Jesosy,
Nitsangana tokoa;
Ny kristiana marobe
mihoby sy mihira hoe:
Dera ho Anao, ry Mpandresy!

2. Velona Jesosy,
Ny helo dia resy,
Tanteraka ny avotra,
Ka afaka ny heloka:
Dera ho Anao, ry Mpandresy!

3. Velona Jesosy,
Ka velona isika,
Hiara-monina aminy,
Hohazavain’ny tavany:
Dera ho Anao, ry Mpandresy!

122 – Hitako izao, sakaiza

1. Hitako izao, sakaiza
Ny fahasambarana
Ka ny foko faly, ravo,
Manam-piadanana
Teo am-pototry ny hazo
Nijalian’ny Tompoko,
Teo aho no nahazo
Famelana heloka !
———————
Mon ami, j’ai maintenant trouvé le bonheur
Mon cœur est dans la joie,
Je suis dans l’allégresse,
J’ai trouvé la paix
Au pied de la croix,
Là où le Seigneur a souffert,
C’est là que j’ai reçu le pardon de mes péchés.

2. He, ny indrafo niriko
Efa azoko tokoa
Ka jesosy no fidiko
Fa Izy fototry ny soa !
He, ny rany sarobidy
Nanadio ny otako
Izaho efa voavidy
Lanitra no lovako !
———————
Cette miséricorde que je désirais tant
je l’ai vraiment reçue
C’est Jésus que j’ai choisi
C’est de Lui qu’est le bien
Son sang précieux
a lavé tous mes péchés :
Il m’a racheté,
Je reçois le ciel en héritage.

3. Tena soa mahagaga
Izao nomenao ahy izao,
Fa izaho izay mpanota
Dia nohavaninao !
Ka izaho dia hidera
Izato fitiavanao
Ary koa hanambara,
Jeso ô, ny herinao !
———————
Ce que tu m’as donné
est vraiment merveilleux
Tu as choisi d’entrer en relation avec
Moi qui étais pécheur.
Alors je Te louerai pour cet amour
Et je raconterai,
Jésus, Ta Puissance.

4. Ry Mpamonjy ô, mba raiso
Izao fisaorako izao
Ka izay rehetra ahy
Dia atolotro Anao,
Raha tonga re ny fetra
Hialako sasatra,
Ento aho hitoetra
Eo anilanao ary !
———————
Ô Toi mon Sauveur !
Reçois ma reconnaissance :
Tout ce qui est mien,
Je Te le donne.
Au terme de ma vie
Pour entrer dans le repos
Prends-moi pour
Que je demeure auprès de Toi

Translation by Hotcat Team

120 – Ry mino ô, avia re!

1. Ry mino ô, avia re!
Hiara mankalaza
Ilay mpanjaka lehibe,
Fa tena mahagaga
Sy sarobidy anie
Ny fahasoavan-dehibe
Nomeny antsika.

2. Tsy asa soa vitako
No tokiko anefa,
Fa ny Andrimanitro
No tsy nisalasala
Hanafaka ny otako,
Nomeny mba ho avotro
Ny Zanany malala.

3. Jesosy faly eram-po
Hamonjy ahy very,
Ka azoko ny indrafo,
Izay vitan’Izy irery,
Izaho tena afa-po,
Tsy misy atahorako,
Izaho tsy ho very.

4. Jesosy Kristy Tompo ô!
Izaho ta-hamaly
Ny teny fiantsonao:
« Mba manatòna Ahy!
Izaho dia ho anao,
Ho Ahy kosa hianao. »
Ka manampia ahy.

5. Ny ranao soa nitete
No nanadio ahy
Ny ainao sarobidy re
No nanavotana ahy.
Mba hitokiako anie
Ny famonjena lehibe
Natolotrao ahy.

6. Isaorana eram-po anie
Ny Tompo Zanahary,
Fa Izy efa nanome
Ny Zanany nijaly,
Ka ny devoly loza be,
Ny ota sy ny heloka
Ho resy sy ho faty.

119 – Hianao ry Tompon’aiko

1. Hianao ry Tompon’aiko,
Maty noho ny otako;
Tsy mba takatry ny saiko,
Izany fijalianao,
Nefa sitrakao nijaly,
Hahazoako mifaly,
Ry Jesosy, Hianao
No isaorako izao.

2. Safotry ny fandatsana
Hianao, Mpanavotra,
Handovako fanjakana
Feno voninahitra.
Voaratra, voaeso,
Ary voasatro-tsilo
Noho ny hadisoako,
Koa dia isaorako.

3. Tianao izahay mpanota
Helokay no nentinao;
Resinao ny tambin’ota,
Izahay nafahanao;
Voaloanao ny trosa,
Izahay mpanota kosa
Tonga olom-potsinao,
Ka derainay Hianao.