645 – Jesosy Kapiteninay,

1. Jesosy Kapiteninay,
Izao miantso izao,
Hiady no ilàna anay
Ka zovy no hanao ?
Izay mahafy hatraty
Mahery fo tokoa
Ka tsy miraika hatrary,
Ireny no hanao !

2. Ny tany hotafihinay
Izao tontolo izao,
Ny tafika hikatrohanay
Tsy ady mora atao ;
Ny ota no hasianay
Ho ringana avokoa,
Ny tany no hasondrotray
Ho Paradisa soa !

3. Indreo ny maritiora soa
No loha-làlanay,
Nalatsaka aina avokoa
Ka marika aminay.
Fandavan-tena lehibe
No vitan’izy ireo !
Hodian-tsy hita foana ve
lreo maritiora ireo ?

4. Ry Jeso Kapiteninay,
lzao anio izao
No hanavaozanay indray
Ny fanompoana Anao :
Atolotray Anao tokoa
Izao tenanay izao
Ka hamasino avokoa
Hanao ny sitrakao !

644 – Matahora mangovita

1. Matahora mangovita,
Fa indro ny devoly
No mihendry hisambotra
Ny saintsika rehetra;
:,:Miambena,:,:
Ka mivavaha, tsara.

2. Mifalia, mivavaha,
Jeso no arontsika,
Manaraha ny teniny,
Fa hovonjeny isika;
:,: Tano Izy :,:
Hahazoana aina.

3. Manandrata feo hihira
Hidera an’i Kristy,
Hanome voninahitra
an’Andriamanitra
:,: Tompontsika,:,:
Fa marina izany.

643 – O! mandrosoa mba ho tena mpandresy

1. O mandrosoa mba ho tena mpandresy
Dia mazotoa, miasà mitomboa,
:,:Raiso ny tsara, ka roahy ny ratsy,
Ka matokia an’i jeso tokoa.:,:

2. O mandrese, ny finoana tano,
Na dia mafana ny ady hatao,
:,:Ny fandresena homena ny mino,
Azy ny herin’ny Tompo izao.:,:

3. Mba matokia ny hery tsy hita
Izay voatahirin’ny Ray ho anao,
:,:Ka voatolotra tao Gologota
Mba ho antsika rehetra izao.:,:

642 – Hitako izao, sakaiza!

1. Hitako izao, sakaiza!
Jeso no Mpanavotra;
Tsy mba lany ny fitia,
Jeso no Mpanavotra;
Na dia saiky lasa aza,
Ka ny olona mandao,
Izao no mampiadana ahy,
Jeso no Mpanavotra.

2. Raha miady mafy aho,
Jeso no Mpanavotra;
Toky sy Ampinga Izy,
Jeso no Mpanavotra;
Manome ny soa Izy,
Fa ny rany mahadio
No mahafa-keloka ahy,
Jeso no Mpanavotra.

3. He ilaozako ny eto,
Jeso no Mpanavotra;
Indro lanitra no azo,
Jeso no Mpanavotra;
Izy no Mpamonjy ahy,
Aina sy fanilo koa,
Fahendrena mahasoa,
Jeso no Mpanavotra.

4. Ray ô! Hianao deraiko,
Jeso no Mpanavotra;
Hianao naniraka Azy,
Jeso no Mpanavotra;
Hianao Mpiaro ahy,
Mpitahiry, Tokiko,
Ka deraiko lalandava,
Jeso no Mpanavotra.

641 – Ry kapiteny, be ny ady manjo

1. Ry Kapiteny, be ny ady manjo,
Mila ho reraka sy kivy ny fo,
Ka hatanjaho mba hatoky Anao,
Tompo ô! Avia mamonjy ahy izao.

Fiv : « Eny, Izaho mamonjy anao,
Ka mampahery sy miaro anao;
Aza matahotra mihitsy hianao,
Fa Izaho momba sy manampy anao. »

2. Ny fahavaloko aty mba reseo,
Ka taomy aho mba handray rahateo
Ny fiadiana avy aminao;
Tompo ô! Vimbino aho, aza mandao:
« Eny, Izaho, sns…

3. Lasa tokoa re ny tahotro teo,
Ka na mamely ahy aza ireo,
Tsy mba manahy intsony aho izao,
Fa mamonjy sady tsy mandao Hianao:
« Eny, Izaho, sns…

4. Fa ny mpiady maharesy aty
no hosatroham-boninahitra ary;
Maro, no efa tonga ao, Aminao,
Tompo ô! Avia hitarika ahy hankao:
« Eny, Izaho, sns…

640 – Misy fahavalo maro

1. Misy fahavalo maro,
Te-hiady aminay,
Faly sy miravoravo,
Raha mamotraka anay;
Izahay tsy manan-kery
Handresenay azy ireo;
Ry Mpamonjy olom-bery!
Jeso Tompo ô! Vonjeo.

2. He! Mibaiko ny devoly,
Ilay mpihaza aina soa,
Ka mikendry hanangoly
Sy handatsaka aina koa;
Tsy mba misy izay hanampy
Hampandositra azy izao;
Hianao no tsy manary
Jeso Tompo ô! Vonjeo.

3. Indreo ny fandrika harato
Izay mivelatra avokoa,
Tsara sy milantolanto,
Toa fiainana tokoa;
Kanjo, indrisy ny mahazo
Izay fatoran’izy ireo;
Tsy mba hainy ny miala:
Jeso Tompo ô! Vonjeo.

4. Miomàna, ry sakaiza!
Be ny fahavalo
Mitandrema sy mahaiza,
Sarotra ny làlanao;
Aza mba matoky tena,
Fa ny Tompo no jereo;
Indrisy re ny halemena:
Jeso Tompo ô! Vonjeo.

639 – Ry miaramila! Mandrosoa izao

1. Ry miaramila! Mandrosoa izao,
Kristy Kapiteny mialoha anao;
Ao aloha tafika, loza, ratra be,
Fitsaharana tsy misy, misikina re.

Fiv : Ry miaramila! Mandrosoa izao
Kristy Kapiteny mialoha anao.

2. Any lehy ratsy no manotrika,
Any ny tsipika no milatsaka;
Tano ny finoana ho ampinganao
Entonao ho fandresena Izao
rehetra izao:
Ry miaramila! sns…

3. Aza miamboho na miherika,
Ao an-tratranao ny fiarovana;
Aza mba matahotra, fa sahia
fandrao
Raha tsy mandresy, dia ho resy hianao;
Ry miaramila! sns…

4. Dia mandrosoa hianao izao
Ka miraisa dia aminay ho ao
Milofosa fatratra, aza ketraka,
« Miadia ny ady tsaran’ny
Finoana »
Ry miaramila! sns…

5. Kristy Kapiteny tapitra ohatra,
Izy no mpiaro ny mpanafika;
Miankina aminy mafy hianao,
Ka aza mba ny tenanao no
itokianao:
Ry miaramila! sns…

638 – Ry Jeso Mpamonjy malala

1. Ry Jeso Mpamonjy malala,
Indreto ny mpanomponao ;
Raha misy izay mankahala,
Matoky fa manana Anao !

Fiv : :,:Jereo, jereo
Fa vonon-kanaraka Anao !:,:

2. Ny tafika ataon »i Satana
Milofo hamotraka anay ;
Avia, ry jeso, mitantana
Fa mioman-kandresy izahay !
Jereo, jereo sns…

3. Na zovy mioman-kandrafy,
Irianay hanaraka Anao ;
Na iza hisakana mafy,
Hijoro, fa manana Anao !
Jereo, jereo sns…

4. lreo nentinao voatantara
No feo mampahery anay ;
Ny tokin’ireo Maritiora
Faneva mitarika anay !
Jereo, jereo sns…

637 – Mahareta, mahareta,

1. Mahareta, mahareta,
Ry mpihazakazaka ô!
Be ny zava-mahalavo,
Aza kivy hianao.

2. Mahareta, mahareta,
Ry mpihazakazaka ô!
Mahavesatra ny ota,
Aoka re harianao

3. Mahareta, mahareta,
Ry mpihazakazaka ô!
Lavi-dalana haleha,
‘Ndrao tsy tonga hianao.

4. Mahareta, mahareta,
Ry mpihazakazaka ô
Indreo ny maso izay mijery,
Tazany ny dianao.

5. Mahareta, mahareta,
Ry mpihazakazaka ô!
Ao ny Tomponao miandry,
Izy no jereonao.

636 – Hianao ry Jeso ô

1. Hianao ry Jeso ô,
No mba hatoninay,
:,:Tompon’ny aina:,:
Mba mihainoa ka avia !

2. Mba hampangino re
Ny ao anatinay,
:,:Tsy hisy renay:,:
Raha tsy feonao

3. Aoka izahay handray
Ny fanavaozanao,
:,:Ka mba hitovy:,:.
Toe-tsaina Aminao

4. Mafy ny adinay
Ka be ny tahotray,
:,:Nefa tsy resy:,:
Izay miankina Aminao

5. Dia tafionao
Amin’ny herinao,
:,:Mba ho mpandresy:,:
izahay mpianatrao

6. Ny fonay hafanao
Mba hirehetanay
:,:Amin’ny asa :,:
Izay omenao hatao

7. Mba ho tanterakay
Izay tena anjaranay,
:,:Dia manomeza:,:
Fo miray Aminao !