490 – Ry Kristiana, andrandrao

1. Ry Kristiana, andrandrao
Ny Tompo sy Mpanjakanao,
Fa Izy no Mpiaro;
Ka aza taitra hianao,
Na dia manakora izao
Ny fahavalo maro;
Omban’ny Tompo hianao,
Ka aza atahoranao
Ny rahon’ny mpamely.

2. Fa indro tsy rendrehana
Ilay Mpiambi-masina,
Izay Tokin’Israely,
Fantaro, marina izao:
Izay ataon’ny rafinao
Aoka ho azy izany;
Fa andrandrao ny lanitra,
Anao Andriamanitra,
Anao ny fanjakany.

513 – Jeso Sakaizanay

1. Jeso sakaizanay,
Jeso anay;
Sady tsy mahafoy,
Jeso anay;
Raha ny olona
Mety mandao anay,
Jeso no tsy mandao,
Jeso anay.

2. Jeso Sakaizanay,
Jeso anay;
Izy no Avotray,
Jeso anay;
Maty ny Tomponay
Noho ny helokay
Afaka izahay,
Jeso anay.

3. Jeso Sakaizanay,
Jeso anay;
Izy no Aronay,
Jeso anay;
Reraka izahay
Noho ny adinay,
Jeso no herinay,
Jeso anay.

4. Jeso Sakaizanay,
Jeso anay;
Izy no Lalanay,
Jeso anay;
Lalana marina
Hahatongavanay
Any an-danitra,
Jeso anay.

5. Jeso Sakaizanay,
Jeso anay;
Manana izahay,
Jeso anay;
Jeso Sakaizanay
No hovantaninay
Any an-danitra,
Jeso anay.

512 – He! matoky aho, Tompo

1. He! matoky aho, Tompo,
Azoko ny teninao;
Teny soa mahafaly,
Teny avy aminao.

Fiv : He!matoky aho, Tompo,
Azoko ny teninao;
Teny soa mahafaly
No omenao ahy izao.

2. Tahotra amana ahiahy
Dia ariako izao;
Fa nomenao toky aho
Sady to ny teninao.
sns…

3. Izay rehetra fahotana
Entiko hesorinao;
Hianao no mahadio.
Ka diovy aho izao.
sns…

4. Mahasasa, mahadio,
Mahavonjy Hianao,
Ka mandray sy mahatondra
Tsara ho an-tranonao.
sns…

5. Jeso Tompo! avy aho,
Avy hankalaza Anao;
Raisonao re izay omeko:
Vola, tena, aina koa.
sns…

511 – Jeso no Sakaiza tena tia anay

1. Jeso no sakaiza tena tia anay,
Izy ta-hamonjy olombelona;
Aoka ho tiantsika ny Mpanavotra,
Fa Izy no Sakaiza mahateo tia.

2. Jeso no Sakaiza ifaliana,
Izy nahafoy ny voninahitra,
Mba hananantsika fanavotana
Sy handraisantsika ny fiainana.

3. Jeso no Sakaiza itokiana,
Izy mahavaly sy mahanatra;
Aoka hinoantsika ny Mpanavotra.
Hahazoantsika fiadanana.

4. Jeso no Sakaiza ivavahana,
Izy mahavonjy ny mpangataka;
Aoka hinoantsika ny Mpanavotra,
Mba handraisantsika fanampiana.

5. Jeso no Sakaiza fiarovana,
Izy maharesy ny mpanohitra;
Iza no hanimba izay arovany?
Aoka hisaorantsika ny Mpanavotra.

6. Jeso ô, Sakaiza! raisonao izao
Ny fisaoran-tsara izay atolotray:
Izahay mpanota te-hidera Anao,
Raiso re ny dera izay aterinay.

510 – Jeso! ny hamarinanao

1. Jeso! ny hamarinanao
No lamba hitafianay,
Amin’ny andro farany,
Izany hifalianay.

2. Raha hitsangana izahay
Handray ny lova aminao,
Dia tsy ho resy lahatra,
Fa Kristy no Mpanavotra.

3. Io lamba io no mbola vao,
Na levona izao tany izao,
Haharitra tsy rovitra.
Havaozin’ Andriamanitra.

4. Ny hery sy ny antranao
Toroy izao tontolo izao;
Ampandrosoy ny teninao,
Ampanekeo ny rafinao,

5. Ny maty hahare ny feo
Hiantso azy ho velona;
Jeso! ny hamarinanao
No lamba hitafianay.

514 – Ry Jehovah Tomponay!

1. Ry Jehovah Tomponay!
Olom-bery izahay;
Nefa tsy mba foinao,
Fa vonjen’ ny Zanakao :

Fiv : Zanahary, Aba, Ray,
Jeso Kristy, Havanay.

2. Lehibe ny indrafo;
Iza re no nanampo
Famonjena taminao?
Kanjo azonao izao?
Zanahary, sns…

3. Gaga izahay izao!
Be fitia Hianao;
Avotr’ aina azonay,
Hody aminao izahay.
Zanahary, sns…

4. Jeso ô, Mpamonjy soa
Sy Mpamindra fo tokoa!
Avy ny navotanao
Ka midera Anao izao:
Zanahary, sns…

507 – Ranomasi-mampahory

1. Ranomasi-mampahory
No alehantsika izao;
Fa ny mino dia hitody,
Koa maharitra izy izao:

Fiv : :,:O! andeha isika hody
Mba ho ao an-tranondRay.:,:

2. Jeso Tompo eo am-pitia
Ka miantso hoe: Avia!
Izy koa no mampita
Ka manao hoe:Matokia!
O! andeha sns…

3. Maro efa tonga any
Ka mifaly avokoa;
Mbola be ny fiantrany,
Misy ho antsika koa.
O! andeha sns…

4. Kristy koa no sambon’aina
Izay mitondra ho ary,
Famonjena azo maina,
Ka ilaozy re ity.
O! andeha sns…

508 – Ny sambonkelinay ety

1. Ny sambonkelinay ety
Mitety rano be,
Misononoka ho ery,
An-dafin’ony be. (in-3)

2. Ny rivo-doza tsy hanjo.
Fa Jeso aminay;
Ny alondrano mankato
Ilay Maherinay (in-3)

3. Mamaky onja izahay,
Fa tsy ho faty ao;
Ny fitodiantsambonay,
He! tazanay izao (in-3)

4. Irinay ny ho tonga ao
Hilaozanay ity;
Mitsena anay tokoa izao
Ny Zokinay ary (in-3)

509 – Jeso Tompo! Vatolampy.

1. Jeso Tompo! Vatolampy,
Vato voafantina,
Mba ho fanorena-mafy
Izay tsy mety levona;
:,: Vato mafy :,:} (in-2)
Dia itokianay.

2. Jeso Tompo! Vatolampy
Voazaha toetra;
Vato tsy mba misy tsiny,
Sady tsara endrika:
:,: Vato soa :,:} (in-2)
Dia ifalianay.

3. Jeso Tompo! Vatolampy,
Vato fehizoronay;
Efa nampiray fanahy
Ny fitianao anay
:,: Fehizoro :,:} (in2)
Vato fampiraisana.

4. Jeso Tompo! Vatolampy,
Tsy miova Hianao;
Manan-jara ny matoky
Ny tsy fivadihanao,
:,: Fa ho faly :,: } (in-2)
Ka tsy hanan-kenatra.

506 – Tsy misy miadana ka afa-po

1. Tsy misy miadana ka afa-po
Izay monina eto an-tany;
Fa izay tia sy mino ny
Tompo Jeso
No hahazo ny soa tsy lany.
———————
Personne sur terre
Ne peut être en paix et comblé
Mais seul celui qui aime et qui croit
au Seigneur Jésus
Recevra les bienfaits inépuisables.

Fiv : Mba irio, mba irio
Ny hananana an’i Jeso.
———————
Désirez, désirez
Avoir Jésus

2. Raha misy mahory mahazo ety
Jeso no hanala izany;
Tsarovy ny avotra tao
Kalvary,
Fa nalatsany tany ny rany
Mba irio, Mba irio,
sns…
———————
Si un malheur survient ici-bas
Jésus enlèvera ta tristesse
Souviens toi du salut
Au mont du calvaire
Car Il y a fait couler son sang.
Désirez, désirez
etc …

3. Izao maniry hanaraka
Anao,
Ry Tompo Mpanafaka ota!
Fa fantatro tsara hatramin’zao
Ny fitiavanao ahy mpanota.
Mba irio, Mba irio,
sns…
———————
Je souhaite Te suivre
Toi Seigneur qui absout les péchés !
Car je suis convaincu que depuis toujours
Tu m’aimes, moi qui suis pécheur.
Désirez, désirez
etc …

Translation by Uthando