461 – Aoka ho an’Andriamanitra

1. Aoka ho an’Andriamanitra
Ny fanendrena ny lalanao.
Fa hovimbininy hianao
Amin’ny lalan-tsarotra ;
Fa toky tsy mamitaka
Ny tenin’Andriamanitra.

2. Fa inona no azonao
Amin’ny fiahiana ?
Tsy afaka ory hianao
Noho ny fisentoana ;
Na be herehina hianao,
Ho be ny alahelonao.

3. Lefero kely, maneke
Izay sitrak’Andriamanitra,
Ny zavatra tinendriny
Tsy maintsy mahasoa anao ;
Isika nofinidiny,
Ka tsy ho foiny indray.

4. Fa fantatr’Andriamanitra
Izay andro hifaliana
Isika no hodioviny
Amin’ny fahoriana:
Tsy maintsy hofantenana
Vao afa-pahoriana.

5.Dia aza atao fa hianao 
Afoin’Andriamanitra ;
Fa Izy dia mananatra
Ny zaza izay tiany,
Na dia mba manomana azy
Handova ny an-danitra.

6. Misaora ny Anarany,
Ka aza ketraka hianao
Fa ho tanteraka aminao
Ny soa lazain’ny Teniny ;
Fa toky tsy mamitaka
Ny Tenin’Andriamanitra.

480 – Mamin’ny foko, ry Jeso ô

1. Mamin’ny foko, ry Jeso ô,
Ny famonjena izay vitanao ;
Ny hadisoako navelanao
Tena afaka aho mandrakizay !

Fiv : Jeso malala ô,
Mpamonjy soa !
Indro ny aiko raiso ho Anao ;
Velon-kanompo,
Velon-kanoa,
Vonon-kanao izay sitrakao !

2. Tano ny foko, ry Jeso tia,
Zaza tsy mahasaraka Anao ;
Mbola malemy mora mania,
Tano hifikitra ao aminao !
Jeso malala ô ! sns…

3. Aoka ny foko sy ny fonao
Hiara-mitempo tena iray ;
Aoka ny saiko sy ny sainao
Hiray safidy mandrakizay !
Jeso malala ô ! sns…

473 – Mombà anay, ry Jeso Tompo ô

1. Mombà anay, ry Jeso Tompo ô !
Fa maizina ny alina aty;
Tsy misy vonjy raha tsy aminao;
Mpamonjy tia ô ! Mombà anay !

2. Mandalo koa ny andronay ety ,
Ka mihalò ny fifalianay;
Miovaovao izao rehetra izao;
Ry tsy miova ô ! Mombà anay.

3. Aza mba mivahiny aminay,
Aza mihevitra ny helokay;
Aoka ho be ny famindranao fo;
Ry Jeso Tompo ô ! Mombà anay.

4. Tsy mahaleo tena izahay,
Fa mora resy, mora kivy koa;
Ry Jeso Tompo ! Aoka honenanao
Ety an-dasin’ny mpanomponao.

5. Ny teninao no fifalianay;
Ny masonao mitari-dalana;
Ary ny herinao no tanjakay;
Sakaiza tsara ô ! mombà anay.

6. Izay ombanao afa-tahotra,
Tsy mety kivy na mamoy fo ;
Tsy misy fahoriana izay
Haninona ny fo arovanao.

7. Rehefa tonga ny fotoana
Hitànay ilay ony maizina,
Aoka ny tavanao hazava ao,
Amin’izany re mombà anay.

471 – He sambatra aho, Jeso

1. He sambatra aho, Jeso,
Raha miaraka Aminao
Fa ny lalanao dia lavim-pahoriana !
Ny ali-mampahory, ny raho-mitatao
Eo anilanao dia mody fitahiana !
Tano aho, Jeso, hiaraka Aminao
Izay làlana ombako e, mba hazavao !

2. Izao no faniriako manetsika ny fo :
Ho sakaizanao mandrakizay doria
N’inona mihatra, na inona manjo,
Ianao no antenaiko hitantana ny dia !
O avia, Jeso, tano aho e,
Tantanonao ny diako, Tompo, mamonje !

3. Izay sakaizanao, Jeso, no ampoky ny soa,
Feno haravoana sy lavitra manjo !
Izay rehetra ilaina anananao tokoa,
Raha miaraka Aminao mionona ny fo.
Sambatra aho Jeso, tretrika tokoa
Ravo ny fanahiko toloranao ny soa !

4. Inona no mamiko mihoatra noho Ianao ?
Tompo manan-kery sy loharanon-tsoa ?
Izay zavatra ilaiko azoko Aminao
Koa onenonao ny foko, ho lapanao tokoa !
Manjakà, Jeso, ato am-poko Ianao,
Izay fahotako e, ry Tompo, avelao !