671 – Ao an-danitra dia ho sambatra

1. Ao an-danitra
Dia ho sambatra
Izay tia ny Tompo aty!
Malahelo izao,
Ravoravo re ao
Amin-dRaintsika an-danitra ary.

2. Fahoriana
Ao an-dàlana,
Fa iharan’ny zava-manjo;
Ao an-danitra re,
Fiadanana be;
Mba hevero, ry havana ô!

3. Aza kivy ô,
Ry fanahiko,
Na dia maizina aza aty;
Vetivety izao
Dia hody hianao
Ao am-pahazavana ary.

4. Ry Mpanavotray,
Indreto izahay
Mpivahiny an-dàlana izao;
Tsy tamana aty,
Te-hifindra ary
Ao an-danitra ao aminao.

670 – Ny ony tsy miato, fa mitady

1. Ny ony tsy miato, fa mitady
Ny ranomasina ihaviany.
Ka toy izany koa ny fanahy
Mitady ny Andriamaniny
Andriananahary
No Tompoko nahary
Ny faniriako,
Izay mitady Azy, ka manary
Izay misakana ny diako.

2. lzay midongy sy mirehareha
Tsy hahatratra ny Edenany;
Lomorina ny rano tsy mandeha,
Ka simba ao am-pijanonany;
Ka toy izany koa:
Ho simba avokoa
Izay mijanona,
Ka tsy manatona ny Tomposoa,
Izay mitahy sy mamelona.

3. Tsy misy zavatra aty an-tany
Mahafa-po ny faniriako;
Vahiny aho eto ka mankany
An-danitra izay fodiako.
Ny Tompoko malala
Ho avy hampiala
Ny olony aty;
Izaho dia tsy misalasala
Hanaraka ny Tompo ho ary!

669 – He, tazako ny laln-tery,

1. He, tazako ny lalan-tery,
Izay misy fahoriam-be,
Kanefa feno hira re,
Fa na miady, tsy ho very.
Ny mino izay mizotra eo,
Na misy maty aza eo,
Hahazo ny lakrona.

2. He, tazako Sakaiza mora,
Mpanala fahoriam-be,
Mpiaro soa, Mpanome
Ny toky tsara isan’ora;
Sakaiza feno herim-po,
Mamonjy amin’ny manjo;
Sakaiza tsy manova.

3. He, tazako ny lamba soa
Omena ny voavotra
Ho fanesoran-keloka
Sy fanavaozana azy koa;
Fa Jeso efa nanome
Ny rany saro-bidy re,
Ho fanadiovana azy.

4. He, tazako ny andro ho avy,
Izay hialako sasatra,
Ka ny ririnin’efitra
Hanjary lohataona mamy;
Ka any vao hivelatra
Ny vonindraozin-danitra
Ao amin’ny Edena.

5. He, tazako ny voavonjy
Ao amin’ny Mpampakatra,
Dia ao an-tampon-danitra,
Izay niakaran’ny Mpamonjy;
Miravoravo izy ao,
Mihira fideram-baovao
Ho an’ny Zanak’ondry.

667 – Zavatra iray ihany

1. Zavatra iray ihany
No ho tadiavina,
Fa izay aty an-tany
Dia zava-poana,
Ny nofo dia zavamandalo ihany,
Satria ho lo ao anatin’ny tany;
Raha azoko kosa ny zavatra iray
Ny foko ho sambatra mandrakizay

2. Tadiavinao tokoa
Va ny zavatra izay?
Mba hevero fa ny soa
Momba ny mandrakizay;
Ka aza fatoran’ny eto intsony,
Katsaho tokoa ny any ambony,
Fa any no misy ny zavatra iray
Izay hifalianao mandrakizay.

3. Ry Fanahy ô, ampio
Ny finoako izao!
Ry Mpamonjy ô, tahio
Ny mpangataka aminao.
Tariho ny foko hitady tokoa
Ny any ambony izay mahasoa;
Jesosy ihany no zavatra iray,
Izay ho anjarako mandrakizay.

666 – Eo ankavanan-dRay Hianao,

1. Eo ankavanan-dRay Hianao,
Ry Zanakondry ô!
Kanefa loza mahamay
No niaretanao.
Ny henatra aman-kelokay
Nihatra taminao;
Nivesatra ny otanay
No nahafatesanao.

2. Ry Zanakondry masina
Nijaly an-tsitrapo,
Teren’ny fitiavana
Hanala otako!
Ny tongotra aman-tananao
Dia voafantsika;
Ny gadranay dia tapakao,
Izahay dia afaka.

3. Vahoaka alinalina
Mitafy fotsy ery,
Ka samy miramirana
Mahita an’i Kristy.
Ny hira fihobiana
Manakoako ao,
Maneho fa navotana
Izao tontolo izao.

4. Indreo ny vahoakanao
An-tapitrisany
Mitondra ny Anaranao
Eo an-kandriny.
He! Toy ny rian-drano be
Ny fiderana Anao,
Voasokatrao ny lanitra
Ho an’ny olonao.

5. Misaotra Anao izahay, ry Ray
Izay navotanao,
Natolotrao ho solonay
Ny Lahitokanao.
Ry Zanak’ondry, Avotray,
Derainay Hianao,
Derainay ho mandrakizay
Ny fitiavanao!

665 – Ry mpisaona malahelo

1. Ry mpisaona malahelo,
Mijere ny Tomponao,
Izay namindra ny malala
Mba ho ao an-danitra;
Mba fafao ny ranomaso;
Andrandrao ny lanitra.
Mitsahara ry mpisento,
Ka derao ny Tomponao!

2. Sento no anjarantsika,
Izy kosa faly izao,
Afa-jaly, afaka ota,
Tapitra ady izy ao,
Tsy mba misy ranomaso
Na izay mahory ao,
Koa aza mitomany,
Fa derao ny Tomponao!

3. Nofo no aterintsika
Ao am-pasana anio;
Ny fanahiny anefa
Tsy mba ao anatin’io.
Jeso no namindra azy,
Lasany ny havanao,
Fa navotany ho Azy,
Ka derao ny Tomponao.

4. Mangataha fahendrena,
Ka isao ny andronao;
Mikatsaha famonjena
Sy fiainana vaovao,
Mba horaisiny tokoa
Honina any aminy,
Ka ekeny ho sakaiza,
Mba ho ao an-tranony.

663 – He, lasa izao ny malala

1. He, lasa izao, ny malala
Nifindra ao an-dapan’ny Ray;
Isika rehefa miala,
Ho faly hahita azy indray.
Isika izao mitomany,
lharan’ny mafy manjo;
:,:Jesosy mahita izany,
Ka Izy hanony ny fo.:,:

2. Matetika re ny mangidy
Avela hihatra aminao,
Ka aoka mba tsy hanadidy,
Fa feon’ny Tompo izao.
Ny zanaka tian’ny rainy
Tsy maintsy anariny re!
:,:Izay mahasoa ataony,
Ombam-pitiavana be.:,:

3. Ny fo mora kivy ario,
Fa tsy mba hanary ny Ray;
Ny mamy tsy hita anio
Haposany rahatrizay,
Hofahony ny ranomaso
Soloarn-pifaliana be;
:,:Ny toky omeny andraso,
Fa ho tanterahiny re!:,:

662 – O, ry Mpamomjy avia Hianao

1. O, ry Mpamonjy avia Hianao,
Indro misento ny fonay izao;
Ny alahelo mamely anay,
Koa mitady Anao izahay!
Iza no aron’izay ory fo,
Sady mpanampy ny manamanjo,
Fa tsy ny Tompo mahery sy to?
Dia Hianao izay be indrafo.

2. Jeso Mpamonjy ô, mba iantrao,
Izay malahelo miantso Anao!
Ny mitomany tsy hitanao va?
Fantatray fa Hianao, tsy handà
Dia manatàna ka mba mijere
Ny ranomaso izay mitete!
Fa Hianao no mahay manome
Fampiononana be dia be.