635 – Aina no fetra ry Jesosy Tompo

1. Aina no fetra ry Jesosy Tompo
Izany no tenin’ity zanakao
Vonon-kanaraka Anao sy hanompo
Amin’ny mora sy sarotra hatao.

Fiv : Mandrakizay no tokimpanompoana
Mamin’ny olon’izay afakao.
Mandrakizay ekenay ho faneva
Ny holatrao nanavotana anay.

2. Na ny mangidy heverina ho mamy,
Raha miray aminao izahay,
Iza no tsy hahafoy ny ainy
Mba ho Anao Izay nisolo anay!
Mandrakizay, sns…

3. Hianao, ry Jeso! No ilay Kapiteny,
Izay hampandresy tokoa anay;
Ka raha Hianao, Tompo, no mba miteny,
Lasa izay mahakivy anay:
Mandrakizay, sns…

4. Vonon-kandeha na aiza na aiza,
Ireto mpanompo matoky Anao,
Na dia ny fahafatesana aza,
Tsy hahaleo anay mpianatrao:
Mandrakizay, sns…

633 – Izaho tsy mba mahalala

1. Izaho tsy mba mahalala,
Izay hiainako aty;
Anio angaha dia hiala,
Ka hodimandry ho ary!

Fiv : Ny ran’i Kristy, Raiko ô,
No amelanao, ny heloko.

2.Ry Ray ô, mampianara ahy
Hanisa e, ny androko,
Hiantombenan’ny fanahy
Ao amin’ny Mpamonjiko.
Ny ran’i Kristy, sns…

3. Ny asa sy ny ahiahy,
Izay maningotra ahy izao,
Vahao mba tsy hisakana ahy
Hiainga raha antsoinao.
Ny ran’i Kristy, sns…

4. Ny fahotako an-tapitrisa
Saronanao ny avotra,
Izay nandraisako batisa
Sy ny sakafo masina.
Ny ran’i Kristy, sns…

5. Tsy misy mahasaraka ahy
Amin’ny fitiavany:
Ny teniny no mahasahy
Ny olom-boafidiny.
Ny ran’i Kristy, sns…

6. Ka dia tsy mba mampanahy
Ny andro hahafatesako,
jesosy no miantoka ahy,
Ny ainy no anjarako.
Ny ran’i Kristy, sns…

632 – Ampianaro aho, Tompo, mba hiambina

1. Ampianaro aho, Tompo, mba hiambina!
Mandalo tahaka ny rivotra ny androko.
Ka mihalany isan’andro, isan’alina,
Ambara-pahatapitry ny fe-potoako.

2. Endrey ny voninkazo, raha vaomaraina e!
Fa tsara ka mamirapiratra ny endriny;
Kanefa maty izy amin’ny hainandro be;
Ka raha hariva dia simba ny tarehiny.

3. Ny tenako no voninkazo ka hihintsana,
Ny aiko tahaka ny zavona sy aloka
Izay mandalo ka tsy manam-pijanonana;
Ny taonako mandroso tahaka ny riaka.

4. Tsy manam-panorenana aty ny heriko,
Mihelina ka tsy mba hita ny alehany;
Malaky tahaka ny tselatra ny androkô,
Ka tsy miatoato ao am-pandehanany.

5.Ry Tompo ô, ampio aho mba hiomana,
Ka mba hadio fo na aiza noalehako;
Ampaherezo mafy aho mba ho malina,
Mba tsy ho tonga tampoka amikony fetrako!

631 – Ry Jesosy Tompo tsara

1. Ry Jesosy Tompo tsara,
Ry Mpamonjy ô!
Sambatra aho, mananjara
Manana Anao;
Fa na maro ny mpandrafy
Ta-hamely ahy mafy,
Hianao mahay manafy
Hery ny Anao.

2. Be ny manodidina ahy
Efa lasana;
Manakaiky mampanahy,
Re ny fasana;
Nefa, ry Mpamonjy soa,
Tena sitrakao tokoa
Ny hitantana ahy koa
Ao an-dàlana.

3.Eny, izaho manantena,
Ry Mpamonjy ô!
Fa hahazo famonjena
Any aminao.
Raha hilaozako ny tany,
izaho tsy mba hitomany,
Fa hiakatra hankany
Anatrehanao.

630 – Ry Jesosy mba tantano

1. Ry Jesosy mba tantano,
Ho tafita soa ary,
Ka ambeno sy sakano,
Izay rehetra loza aty.
Rano be mangeniheny,
Izao alehako izao;
Ka aoka Hianao hiteny,
Mba ho tokiko hatrao.

2. Aza miandry ao am-pita
Sao dia fefika aho aty;
Fa avia hiara-mita,
Dia ho tody soa ary.
Raha sendra ka manonja
Izany alon-drano be,
Aoka Hianao ho tonga
Hampitony ahy re.

3. Ao ny rivotra mahery
Mety hampivadi-po,
Fa ny feonao irery
Mampisava ny manjo
Any koa ny vatolampy
Sy ny biby marobe,
Fa ny herinao dia ampy,
Ka vonjeo ny zanakao.

4. Ry jesosy! Mihainoa,
lzao fivavako izao,
Mijoroa, misehoa,
Ka jereo ny diako izao;
Mbola lavitra ao am-pita
Ka tsy hita izay hanjo,
Toy ilay tao Genesareta,
Misehoa Hianao!

629 – Ry Jeso Mpamonjy, Mpanavotra any!

1. Ry Jeso Mpamonjy, Mpanavotra anay!
Tafangona eto anio izahay
Hidera sy mba hankalaza Anao,
Fa Tompo namonjy anay Hianao;

Fiv : Haleloia! Haleloia! Hosana an’ny Avo!
Haleloia! Haleloia! Hosana ho Anao!

2. Ry Jeso, Sakaiza tsy mety mandao!
Sakaiza tsy mba mahafoy Hianao,
Mijery anay raha misy manjo,
Ho aron’ny tena sy tokin’ny fo:
Haleloia! sns…

3. Ry Jeso, Mpanjaka Mpiaro anay!
Handroso hiady tokoa izahay,
Ka dia vonjeo handresy izao,
Fa tsy mba ho resy izay manana Anao:
Haleloia! sns…

4. Ry Jeso, Mpitarika anay ho ary,
Tariho izahay tsy hivily aty.
Ka dia hamantana ao aminao,
Fa faly miandry anay Hianao:
Haleloia! sns…

628 – Ry Mpamonjy olom-bery!

1. Ry Mpamonjy olom-bery!
Ry Jesosy tia anay!
lzahay tsy manan-kery
Tsy mba hendry, tsy mahay,
;,;Koa Hianao irery
No mba iankinanay.:,:

2. Ry Mpamonjy be fitia!
Aza ilaozanao izahay;
Ry Jesosy ô! Avia,
Hianao no tanjakay!
:,:Miarova, manampia,
Be ny fahavalonay.:,:

3. Ry Mpamonjy! Mitantàna
Izao mpanomponao izao;
Be tokoa ny fikasana
Ta-hanao ny sitrakao,
;,;Nefa be ny fahosana
Momba ny mpanomponao.:,;

4. Ry Mpamonjy, jeso tia!
Mivimbina, mamonje;
Ry mahery! Manampia,
Miambena, mijere;
:,:Miarova, mitariha,
Ry Sakaiza lehibe!:,:

627 – Vimbino tsara izahay

1. Vimbino tsara izahay,
Ry Jeso Kristy Tomponay!
Mba tsy ho diso lalana
Aty ambony rano be,
;,;Ka na manonja aza re
Ny rian-dranomasina,
Tazony mafy izahay
Mba tsy ho rendrika aty.:,:

2. Dia mitsangàna, ka avia,
Ry Jesosy, Mpamonjy tia!
Jereo ny fahorianay;
Anaronao ny rivotra
;,;Izay mampanonja toy izao
Ny alon-dranomasina,
Izay manafotra anay
Aty am-pandehananay.:,:

3. Fa Hianao no aronay,
Ka dia sahy izahay
Hamaky sy hanohitra
Ny onjan-drano betsaka;
;,;Ka aoka tsy ho fefika
Aty an-dranomasina,
Fa mba ho tonga aminao
Ny sambonay, ry Tompo ô;,;

626 – Jeso Tompo, mamindrà fo

1. Jeso Tompo, mamindrà fo
Amin’ny mpanomponao
Fa tsy misy famonjena
Afa-tsy ao aminao.
0! vonjeo, :,:
Ny mifona aminao.

2. Fa kamboty sy mahantra,
Ory, osa, reraka
Izahay atÿ an-tany,
Raha tsy vimbininao;
0! ampio:,:
Ny miankina aminao.

3. Tokinay sy vatolampy,
Aro sy Ampinganay!
Afa-tahotra, afa-doza,
Tsy ho ketraka izahay;
:,: O! arovy:,:
Ny mialoka aminao.