458 – Tompo tia ô, midina

1. Tompo tia ô, midina,
Mitoera aminay,
Ka fenoy fifaliana
Ao anatin’ny fonay !
Ianao, ry be fiantra,
Tomponay mpamindra fo,
No mpamangy ny mahantra,
Ka midira ao am-po !

2. Aoka re ny fofon’ainao
Hahavelona anay,
Hanahafanay ny sainao
Hampiadana anay !
Ny fitiavanay ny ota
Mba vonoy, ry Tomponay,
Manafaha anay mpanota,
Ry Andriamanitray !

3. Ny mpanomponao ampio
Mba handraisany Anao,
Aza afoy fa mba tahio,
Aoka ho tempolinao !
Ianao no hotompoinay,
Ry Andriamanitra,
Ianao no hoderainay
Hatrary an-danitra !

4. Tanteraho ao am-ponay
Ny fiainana vaovao,
Ny fanahy sy ny sainay
Mba fenoy ny herinao !
Amboary sy havaozy
Isan’andro izahay
Mandra-pahatonga any
Aminao mandrakizay !

455 – Ny androm-pahasoavana

1. Ny androm-pahasoavana
Maneho zava-baovao;
Mahazo fahasambarana
Izao tontolo izao.
Ravoravo ny efitra maina
mbamin’ny tany karankaina;
He, torina ny teny soa,
Ka dia afaka avokoa
Ny olom-bery maniry ho velona.

2. Ka miandrandra ny lanitra
Ny malahelo izao:
Mihoby izy fa sambatra
Nahazo aina vaovao.
He, vahana ireo migadra,
Afaka ny midradradradra,
Mitsambikina ny mandringa,
Faingana izy sady kinga,
Ary mihoby ny lelan’ny moana.

3. Ny very no tadiavina
Mba hody amin’ny Ray;
Ny maty dia velomina
Ka ravo mandrakizay.
Izy dia mifady ny ota,
Noho ny lova tsy ho tonta,
Sady manaraka Azy Tompo,
Izay voaeso sy voahombo,
Ambara-podiny any an-danitra.

454 – Veloma no apetrako

1. Veloma no apetrako
Fa tapaka ny hevitro,
Handao ny fahazarako,
Fa Kristy no harahiko,

Fiv : Veloma hianao,
Ry izao tontolo izao!
Izaho tsy tamana aty,
Veloma hianao!

2. Ny làlan’ota hitako
Namono ny fanahiko,
Fa he, ery mba tazako
Ilay tany soa mamiko,
Veloma, sns…

3. Mpanota ô, nahoana
No tsy miaraka aminay?
Fa mbola misy toerana
Izay ho anao sy ho anay.
Veloma, sns…

4. Veloma, fa ao aloha ao
No tany izay honenako,
Ka maika aho mba hankao
Handray ny fitsaharako.
Veloma, sns…

5. Jerosalema tazako,
Ka velona ny hirako,
Fa any no honenako
Hidera ny Mpanjakako,
Ho any aho izao,
Ho any aho izao,
Izaho tsy tamana aty,
Ho any aho izao!

456 – He, sambatra ny navelanao

1. He, sambatra ny navelanao
Ny helony, ry Jehovah!
Ny otany voasaronao,
Ka mba isaina koa;
He, sambatra ny mahitsy fo,
Fa azy ny lovasoa.

2. Ny fo nony nampanginiko,
Ny heriko nihalany;
Ny ota izay nafeniko
No dia nahatonga izany,
Ka ketraka ny fanahiko,
Nisento sy nitomany.

3. Ny otako dia nambarako,
Niantso ny Tompo aho,
Niaiky ny fahadisoako,
Nivalo sy nitalaho,
Ka dia nomeny indrafo,
Mba ho afa-keloka aho.

4. Jehovah no fialofako
Sy manda miaro ahy;
Ny rano, na dia tondraka,
Dia tsy hahatratra ahy;
Ny hobin’ny afa-keloka
No ampihirainao ahy.

5. Ry olon’Andriamanitra,
Vonjeo ny andro soa,
Ny otanao izay miafina,
Itsorinao avokoa;
Raha mita ilay ony maizina,
Dia aronao ny Tsitoha.

457 – Jeso hany iriko

1. Jeso hany iriko,
Loharanon’aiko,
Sy sakaiza soa!
Mamiko indrindra
Ny ho tafafindra
Any Aminao,
Na dia toa takona,
Hianao no ao an-tsaiko,
Sady tohan’aiko.

2. Loza tsy misava,
Sento lalandava
No mitranga izao;
Notrotroiny aho,
Ka ny fahavalo
Tsy mahazo ao.
Na be aza ny manjo,
Tsy ho kivy ny fanahy,
Jeso mbola ahy.

3. Ny haren’ny tany,
Na dia tsara ihany,
Tsy ahoako;
Hianao irery
Lova tsy ho very,
Reharehako!
Ka na fahoriam-be
No mihatra amin’aiko,
Hianao tsy foiko.

4. Raha ao am-poko
Hianao, ry Tompo,
Ka manjaka ao,
Ireo ahiahy,
Nahavalaka ahy,
Dia afakao.
Na mavesatra entana,
Hianao no antenaiko
Sady Tohan’aiko.

453 – Mihirà, ry mponina ao an-danitra

1. Mihirà, ry mponina ao an-danitra,
Tonga izao ny very fahizay,
Ka ny Rainy faly sy finaritra
mba handray ny zanany indray;

Fiv : Mihobia re ny lanitra,
Ka derao Andriamanitra
Eny mihobia, re, ry mino ô,
Ka hirao ny fihiram-baovao!

2. Mihirà, ry mponina ao an-danitra,
Fa ilay very dia hita izao,
Voaray ho zanak’Andriamanitra,
Efa tonga olona vaovao.
Mihobia, re, sns…

3. Mihirà, ry mponina ao an-danitra
Lehibe ny fifalianay,
Ka derao izao Andriamanitra,
Fa ny maty velona indray!
Mihobia, re, sns…

452 – Tompo ô, ovay ny foko

1. Tompo ô, ovay ny foko
Mba ho mora anarina
Toy ny an’ny zazakely
Tsotra sady marina :
:,: Tsy mialona, tsy maditra,
Fa manao ny sitrakao ! :,:

2. Zaza ka tsy te-hifidy
Izay homenao ahy anio,
Ny ho azoko ampitso
Dia ankinina aminao ;
:,: Koa tsy manahy aho
Fa efa niantohanao ! :,:

3. Zaza tsy maharo tena
Fa miankina amin-dray :
Tsy mahery, tsy mba hendry,
Ary tsy mahay mandeha ;
:,: Hianao no Raiko tia,
Raiko be fahari-po ! :,:

451 – Tompo ô! Tsy takatry ny saiko

1. Tompo ô! Tsy takatry ny saiko
Ny fitiavanao tsy nohajaiko
Kanjo io no hany antenaiko
Mba hamonjy ahy ‘zao
(hamonjy ‘zao)

Fiv : (Feo 1)
Tompo ô voababonao
Zanak’Andriamanitra
Mamy re!
‘Zany fitiavanao ry Jeso ô!
(Feo 2)
Tompo ô dia resinao ny foko ‘lay nanda
Voababonao tokoa tokoa
Ka nasandratrao ho zanak’Andriamanitra
Ho tarihinao an-danitra.
Mamy dia mamy re tsaroan’ny aiko ‘zao
Izany fitiavanao ry Jeso ô!

2. Ny fandavan-tenanao tsaroako,
Fa fandavan-tena nahitako
Ny fitiavanao izay inoako
Fa mambomba ahy izao.
(Mambomba izao)
Tompo ô, sns…

3. Ry Jesosy, tsy mba misy haiko
Afa-tsy manolotra ny aiko
Eo an-tananao ‘zay andrandraiko
Hampijoro ahy izao
(Hijoro izao)
Tompo ô, sns…

461 – Aoka ho an’Andriamanitra

1. Aoka ho an’Andriamanitra
Ny fanendrena ny lalanao.
Fa hovimbininy hianao
Amin’ny lalan-tsarotra ;
Fa toky tsy mamitaka
Ny tenin’Andriamanitra.

2. Fa inona no azonao
Amin’ny fiahiana ?
Tsy afaka ory hianao
Noho ny fisentoana ;
Na be herehina hianao,
Ho be ny alahelonao.

3. Lefero kely, maneke
Izay sitrak’Andriamanitra,
Ny zavatra tinendriny
Tsy maintsy mahasoa anao ;
Isika nofinidiny,
Ka tsy ho foiny indray.

4. Fa fantatr’Andriamanitra
Izay andro hifaliana
Isika no hodioviny
Amin’ny fahoriana:
Tsy maintsy hofantenana
Vao afa-pahoriana.

5.Dia aza atao fa hianao 
Afoin’Andriamanitra ;
Fa Izy dia mananatra
Ny zaza izay tiany,
Na dia mba manomana azy
Handova ny an-danitra.

6. Misaora ny Anarany,
Ka aza ketraka hianao
Fa ho tanteraka aminao
Ny soa lazain’ny Teniny ;
Fa toky tsy mamitaka
Ny Tenin’Andriamanitra.

391 – Mpanota ô, mba mihevera tsara

1. Mpanota ô, mba mihevera tsara
Fa mora tapitra ny andronao
Hevero fa ho avy ny Mpitsara
Handinika ny raharahanao !

2. Akaiky izao ny fararanon’aina
Izay hijinjana izao tontolo izao ;
Ka dia tsarovy fa ny Tompon’aina
Hanolotra izay ho anjaranao

3. Izay mamafy araka ny nofo
Hijinja fanimbana lehibe ;
Izay mamafy tsara amin-joto
Homen’ny Tompo fitsaharam-be !

4. Izany fitsaharana izany
Dia vokatry ny ran’ny Tomponao
Izay nalatsany taty an-tany
Hamonjy sy hanavotra anao !

5. Henoy ny Mpamonjy be fitia
Izay voahombo noho ny helokao !
Miantso mafy Izy hoe : « Avia
Handray ny lanitra ho lovanao ! »