687 – Ny tranon’ny Raiko Trano madio

1. Ny tranon’ny Raiko Trano madio
Tsy misy mahory na zava-manjo,
Avia, ry malahelo! Hankao
Mizora, fa Izy hampiditra anao.

Fiv : :,: Sambatra re, izay tonga ao:,:
:,: Faly tokoa :,: izay tafiditra ao.

2. Mandalo izao fiainana izao,
Ka aza sondriana aty hianao
Ny ratsy izay mitaona reseo,
Ny any an-danitra no mba irio
:,: Sambatra re, sns… :,:

3. He, ao no ho hitantsika tokoa
Ny tavan’ilay Zanakondry madio;
Ny mpino tety no efa ao koa,
Maniry hihaona amintsika tokoa.
:,: Sambatra re, sns… :,:

4. Tsy misy manjo izay afa-mankao,
Na andro mahory hitseran’ny fo;
Fa any tsy misy alina koa,
Tanàna mazava, fonenana soa,
:,: Sambatra re, sns… :,:

5. Ny mino rehetra ory tety
Tafakatra any ka faly tokoa,
Mihira ny famonjen’i Jeso,
Midera ny fiandrianan’ny Ray.
:,: Sambatra re, sns… :,:

686 – Maniry izahay

1. Maniry izahay
Ho any aminao,
Jerosalema tanànanay,
Tanàna masina;
Ny trano lay aty,
Tsy maintsy rovitra,
Kanefa tazanay ery
Ilay tsara lavitra;

Fiv : Tazanay, tazanay
Ny tany masina.

2. Mba tanterahorao,
Ry Tompo tia anay!
Ny fikasan’ny Zanakao
Nataony taminay:
« Ho any amiko
Izay nomenao Ahy,
Fa tiako ho hitany
Ny voninahitro. »
Tazanay, sns…

3. Mankany aminao
Izao ny dianay,
Na sarotra ny làlana
Mihira izahay;
Ny hasasaranay
Tsy misy intsony izao,
Fa tazanay sahady re
Ny tany masina:
Tazanay, sns…

685 – Matokia mpivahiny!

1. Matokia mpivahiny!
Any an-tanàna ary
Misy trano soa madio,
Mandrosoa hianao

Fiv : Misy fitsaharana any
Matokia hianao;
Misy fitsaharana any
Izay ho azonao.

2. Ao ny Tomponao miandry
Hanome anao ny soa;
Misy fiadanana any
Voavoatra ho anao:
Misy fitsaharana, sns…

3.Any tsy mba misy rofy
Amam-panaintainana;
Izay rehetra tonga any
Afa-pahoriana.
Misy fitsaharana, sns…

4. Tsy mba mamy va ny mody
Mba ho afa-tsasatra
Sy horaisin’i Jesosy
Amim-piadanana?
Misy fitsaharana, sns…

684 – Ao ny lanitra tsara tokoa

1. Ao ny lanitra tsara tokoa
Izay fonenana mandrakizay,
Tany be hasambarana koa;
Ao isika hihaona indray

Fiv : Mifalia, mihobia,
Fa ao isika mihaona indray

2. Ao ny lova izay mamin’ny fo
Sy fiainana mandrakizay,
Voninahitra tsy mba ho lo;
Ao isika hihaona indray:
Mifalia, sns…

3. Ao ny Ray, Loharanon’ny soa,
Hovantanina rahatrizay,
lzay hampiditra hoe: mandrosoa!
Ao isika hihaona indray:
Mifalia, sns…

4. Ao ny Zanaka be indrafo
Izay nijaly taty fahizay;
Nefa tsy mba nahita ny lo.
Fa efa velona mandrakizay:
Mifalia, sns…

5. Ny Fanahin’ny Ray ao tokoa.
Izay mitarika antsika izao
Sy mananatra antsika ho soa
No mitondra antsika hankao:
Mifalia, sns…

6.Matokia, miravoa, mifalia,
Fa azontsika ny lapan’ny Ray:
Miderà , mihirà , mihobia.
Fiadanana mandrakizay:
Mifalia, sns…

683 – Ao am-pitan’ilay lohasaha izay

1. Ao am-pitan’ilay lohasaha izay
Alo-pahafatesana koa,
Moa mba tsinjonao ve iry tanàna iray
Iray mamiratra toa vatosoa?

Fiv : Ny masoandrony tsy mba milentika koa,
Izay rehetra mby ao voadio avokoa,
Ka mamiratra toa vatosoa.

2. Ny Mpanjakany dia Ilay Ray be fitia
Sady aina ho an’izay ao;
Ry Mpanota mibebaka ô, matokia
Hosasany hadio hianao.
Ny masoandrony, sns…

3. Nefa tsinjoko fa ny fidirana ao
Dia am-pototr’ilay lakoroa!
He mideza sy ety ny lala-mankao
O, ry foko, moa ho kivy va?
Ny masoandrony, sns…

4. Olo-masina maro no tsinjoko indreo
Ao mihira sy mitafy vao;
He iriko indrindra ho isan’ireo
Ka tantano, Jeso aho, ho ao.
Ny masoandrony, sns…

682 – Hianao, Jehovah Tompo

1. Hianao, Jehovah Tompo,
No itokiako,
Ka tsy matahotra aho
Fa manana Anao.
Ry harambato mafy,
Izay ao mandrakizay,
Ny foko tsy hanahy
Fa miankina aminao.

2. Mitsoka mafy loatra
Ny rivo-daza re,
Kanefa tsy hihoatra
Ny fefy lehibe.
Ry Aron’ny tanora,
Ry Tokin-dehibe
Ho heriko isan’ora
Ny herinao anie!

3. Raha tonga re ny fetra,
Ny andro tapitra,
Haneno ny trompetra,
Hihovitrovitra.
Kanefa matokia,
Ry foko, fa Jeso
Hitantana ny dia
Ho eo anilanao.

681 – Iza moa ireo mitsangana

1. Iza moa ireo mitsangana
ary an-koatra ary?
Ny Seza fiandrianana:
No eo anilany.
Haleloia! Mihobia
Fa mpandresy izay e!
Ka mitana ny rofia
Voninahi-dehibae.

2. Fahoriana mafy loatra
No nentin’izy ireo,
Kanefa tsy nitsoaka,
Nijaly, fa tsy leo.
Famonjena firenena,
Ady masina tokoa.
Nanolorany ny tena
Ho mpitory « Teny soa ».

3. O! ry mponina ao an-danitra,
Anjely marobe,
Omeo voninahitra
Ny maritiora e!
Ilay kanàna soa tokoa
No fonenany izao,
Hetaheta, sanatria
Tsy haninona azy ao.

4. Mba avia ry olombelona
Avia, ankalazao
IIay maty, nefa velona,
Jesosy Tomponao.
Dera, laza atolotray
Haleloia, haleloia!
Ho anao, Mpanjakanay,
Ho Anao doria, doria.

680 – Aingao ny masontsika

1. Aingao ny masontsika
Hitsinjo tany soa;
Fa ao ny Tompontsika
Manomana tokoa;
Tanàna, trano tsara,
Fiainan-tsambatra e!…
Izany no anjara
Ho an’ny mino re!

2. Ny andro fifaliana
Ho avy ka antenao;
Ny andro nihafiana
Ho foana sy handao;
Ny taona fihobiana
Homen’ny Tomponao;
Ho feno fifaliana
Izao rehetra izao

3. Ny andro maharavo
Tsy ho ela intsony izao:
Hiarina ny lavo
Handray ny tena vao.
Irio ny Tompo Avo,
Ho avy hanavao;
Ho faly izay mahazo
lzao fiainan-tsoa izao.

679 – Moa te-hiara-dia?

1. Moa te-hiara-dia?
Moa te-hiara-dia?
O! ry hava-malala,
Ho ao Kanana izao?
Eny, te-hiaradia,
Fa antsoin’ilay Mpamonjy,
Ho ao Kanana izao:

Fiv : Dera, dera, haleloia!
Dera, dera, haleloia’
An’Andriamanitsika,
Izay ao ambony ao.

2. Kristy re no làlantsika,
Vatolampy, arontsika,
Izy no mitondra antsika
Ho ao Kanana izao.
Tano izahay, ry Tompo;
Hatanjaho ny mpanompo.
Ka tsilovy ny haleha
Ho ao Kanana izao!
Dera, dera, haleloia! sns…

3. Tazana ery sahady
Perla re ny vavahady,
Volamena ny tanàna
Ery Kanana ery.
E! hahita ny Mpamonjy,
Ka hifaly fa tra-bonjy,
Sy hidera re ny vonjy
Ery Kanana ery.
Dera, dera, haleloia! sns…

678 – Hajao ny olo-masina

1. Hajao ny olo-masina
Mpanaraka ny Tomponao,
Miely sy manerana
lzao tontolo izao,
Ireo dia tonga ohatra,
Ka tokony harahinao,
Na efa olon-dehibe,
Na zaza hianao;
Tanteraka ny sasany,
Ka efa nody amin-dRay;
Ny sasany dia mbola aty
Milasy amin-day.

2. Ka betsaka ny isany,
Na aty, na ao an-danitra;
Ny Rainy kosa dia iray, Andriamanitra;
Ireo maro namanao
Miantso koa maka anao
Hiaraka hiezaka
Hankao an-danitra;
Ka dia miezaha re,
Ka aza kivy hianao;
Jereo ao aloha ao
Ny loka ho anao.