558 – Ity fonenana ity

1. Ity fonenana ity
Tsy manam-pitsaharana ;
Maniry aho ho ary
An-koatry ny fasana,
Ny lanitra no hitodiako,
Fa tena tanindrazako.

2. Kanefa mahatahotra
Ny ranobe alehako,
Fa ny tafio-drivotra
Manohitra ny samboko,
Ny tsèlatra, ny kotrokorana,
Mamely sy mandrahona.

3. Ny sambon’ny fiainako
Mamaky onja sarotra,
Ka amin’ny alehako
Mitopatopa fatratra
Ny alondranom-pahoriana,
Kanefa tsy maninona.

4. Fa ny Mpamonjy tokana
Mitarika ny samboko;
Ny Tompon’ny fiainana
Miara-mita amiko,
Mba ho tafita aho olony,
Ka honina any Aminy.

565 – Mandrahona ny andronay

1. Mandrahona ny andronay
Ka raiki-tahotra izahay ;
Avia, manampia anay ;
Ry Tompo ô! Vonjeo!

2. Ny teninao no tokinay,
Ny herinao no tanjakay ;
Afaho loza izahay :
Ry Tompo ô! Vonjeo!

3. Fa misy ifaharanay,
Ka toky be no azonay ;
Hianao no iankinanay:
Ry Tompo ô! Vonjeo!

4. Noho ny nahaterahanao,
Noho ny nahafatesanao,
Sy noho ny fifonanao :
Ry Tompo ô! Vonjeo!

556 – Ny paradisa an-tany

1. Ny Paradisa an-tany
Tsy misy, re, izany!
Ny hazon’aina very,
Fa tsilo be no ao.

Fiv : Ry Foko, aza kivy,
Fa ao ny tany soa,
Ny Paradisa hisy ;
Ry foko, andrandrao!
Tsy misy ory any,
Fa tretrika avokoa ;
Afaka ady ka mihôby ;
Misy hazon’aina ao.

2. Mandrahona ny ady,
Mirehitra sahady,
Fa be ny fahavalo
Mamely ahy izao.
Ry Foko, aza kivy, sns…

3. Ny eso, latsa, ratra,
Matetika mihatra,
Tsaroako avaly,
Ny asa vitako.
Ry Foko, aza kivy, sns…

4. Miferinaina eto
Tomany sy misento;
Indrisy! Ory aho,
Vonjeo, Tompo ô!
Ry Foko, aza kivy, sns…

551 – Tsy lany fahoriana

1. Tsy lany fahoriana
Ity tanintsika ity,
Fa be ny fihafiana
lzay hitako aty.
Ny Tompo no jereko,
Raha reraka ny fo,
Ka eo no fiereko,
Raha azon’ ny manjo.

2. Ety alaim-panahy
Jeso, ny olonao,
Kanefa tsy manahy
Izay mahita Anao.
Hianao no hojereny,
Ka moa ho resy ve?
Hianao no handreseny
Ny fahavalo be.

3. Tsy azo ialana
Ny eo anilanao,
Mahita fanimbana
lzay mahafoy Anao.
Asain’ny fahoriana
Jerena Hianao,
Mahazo fifaliana
Ny maso aminao.

4. Rehefa hialana
Izao tontolo izao.
Ny tany tsy hitana
Izay mahita Anao.
Ka dia hojereko,
Ry Tompo, Hianao,
Fa Hianao homeko
lzao aiko kely izao.

552 – Ry foko ô, mba atolory

1. Ry foko ô, mba atolory
Ny Rainao ny manjo anao ;
Na mafy aza ny mahory,
Dia hovonjeny Hianao;
Ny lanitra no andrandrao
Hahafaka ny sentonao.

2. Andriamanitra mahita
lzay hahasambatra anao,
Ka Izy no mahay mamita
lzay zava-tsarotra aminao ;
Tsy hotsitsiny aminao
lzay mety hahasoa anao.

3. Ka aza kivy, ry mahantra,
Na ory aza hianao,
Fa matokia ny Mpiantra,
Izay tsy mahafoy anao;
Ny amboariny izao
Dia famonjena ho anao.

4. Dia aoka hianao hatoky,
Raha mafy ny manjo anao,
Ny Rainao dia mahatoky,
Ka ampy hiankinanao;
Tsy misy tsy ho afany,
Raha avy ny fotoany

553 – Any an-danitra ambony

1. Any an-danitra ambony
Misy mijery anao ;
:,: He, feno antra ny fony,
Koa mangina izao!:,:

2. Ry rera-po mitomany,
Jeso onena anao ;
:,: Ampy ho toky izany,
Koa mangina izao!:,:

3. Na dia be ny mahory,
Izy hiaro anao
:,: Tsy ho tra-doza akory,
Koa mangina izao!:,:

4. Mba mahareta miandry,
Izy hanafaka anao ;
:,: Haka anao hodimandry,
Koa mangina izao!:,:

554 – Ry Tompo mahavonjy ô

1. Ry Tompo mahavonjy ô!
Henoy ny vavakay.
Ka mamelà ny helokay
Fa tena tsy mba fantatray
Izay tokony hatao.

2. Ry Tompo be fiantra ô!
Malemy izahay,
Kanefa raha ampianao
Dia hanan-kery toa Anao
lzahay mpanomponao.

3. Ry Tompo Izay Mpandresy ô!
Omeo ny herinao,
Fa tianay handresena koa
Ny ota mety hahavoa
Ny olon-tianao.

4. Ry Tompo Ilay mahery ô!
Ampionao izahay,
Hijoro, hampiseho izao
Fa aminay tokoa Hianao,
Ry Tompo tia ô!

555 – Rahoviana no ho lany

1. Rahoviana no ho lany
Ny manjo aty an-tany?
Jeso Vatolampiko
Ampy hiankinako.

2. Mahereza ry fanahy,
Aza manana ahiahy,
Jeso itokiako
Hampionona ny fo.

3. Ny mahory dia mandalo,
Ringana ny fahavalo,
Ny aty hilaozako
Mba handray ny lovako.

4. Mino aho, ry Mparnonjy,
Fa ho tena voavonjy;
Afakao ny heloko,
Hianao isaorako.

5. Dia ho lany ny mahory,
Ka ho samy tafavory
Eo anatrehanao
Izahay mpanomponao.

578 – Lohasahan-dranomaso

1. Lohasahan-dranomaso
Izao fiainan-tsika izao;
ka misento lalandava
Izay rehetra velona ao;
Koa aiza re no misy
Hampionona ny fo?
Iza no mahay mamonjy
Hampisava ny manjo?

2. Manatona Ilay Mpamonjy,
Ry sakaiza ory Ô!
Ka aza mba misalasala,
Mandrosoa hianao;
Famonjena mahatoky
Tsy miova no anao,
Raha manana an’i Kristy
Ho fanala-tahotrao.

3. Vola sy harena an-tany
Mety tsy hanananao;
Havana, sakaiza koa
Dia hisaraka aminao;
Nefa Jeso no anjara
Tsy alaina aminao;
Izy no Sakaiza tsara
Izay nanavotra aina anao.