Ny fahasoavan’i Jesosy Kristy
Sy ny fitiavan’Andriamanitra
Ary ny firaisana amin’ny
Fanahy Masina
Ho amintsika rehetra anie
Amen!
Catégorie : 6.11 – Firavana
341 – Tompo ô! ampitandremo
1. Tompo ô! ampitandremo
Izay lazainao izahay;
Hazavao ka mba omeo
Hery ny fanahinay;
Ka ny fo ampionony
Tsy hitebiteby intsony;
:,:Mba diovy ,hamasino
Izahay , ry Tompo ô ! :,:
2. Ka rehefa hodimandry
Izahay,ry Tomponay,
Tsy ho taitra,fa hiandry
Ny handraisanao anay
Ry Jesosy Tompon’aina,
Hianao no antenaina,
:,:Hianao no hanazava
Ny hodianay ary:,: