691 – Ny lapan’Andriamanitra

1. Ny lapan’Andriamanitra
No ivorian’ny olona
Amena, Haleloia
Tsy omby alinalina,
Izay madio sy masina.
Amena, Haleloia

Fiv : :,:Finaritra hono ny olona
Mitoetra eo Aminao Mandrakizay :,:

2. Izao firenen-drehetra izao
Dia samy afaka hankao;
Amena, Haleloia
Tsy fomban’Andriamanitra
Hizaha tavan’olona.
Amena, Haleloia
Finaritra sns…

3. Ireny no naharitra
Ny hazo fijaliana,
Amena, Haleloia
Ka dia nanao ny henatra
Ho zava-tsinontsinona.
Amena, Haleloia
Finaritra sns…

4. Endrey, ny hafaliany!
Mazava ny tarehiny;
Amena, Haleloia
Fafàn’Andriamanitra
Ny ranomaso latsaka.
Amena, Haleloia
Finaritra sns…

5. Ataony ao ny hira vao
Hoe: « Voavono Hianao;
Amena, Haleloia
Ny ranao, Zanak’ondrinay!
No nanavotanao anay. »
Amena, Haleloia
Finaritra sns…

6. Ry Jeso ô, Mpanavotra:
Izaho dia milatsaka
Amena, Haleloia
Ho isan’ny mpanomponao
Manaraka ny dianao.
Amena, Haleloia
Finaritra sns…

690 – He! Misy re fonenana

1. He! Misy re fonenana
:,: Tsara e!:,:
Kanefa tsy mba lavitra;
:,: Tsara e!:,:
Ny trano ao voavoatra
Ho an’izay mangataka,
Fa Jesosy no Tompony;
:,: Tsara e!:,:

2. Tsy misy fahoriana ao,
:,: Tsara e!:,:
Tsy misy alahelo ao,
:,: Tsara e!:,:
Ny ota tsy tafiditra ao,
Ny devoly tsy monina ao,
Fa ny anjely masina;
:,: Tsara e!:,:

3. Ny Tompo dia miantso anao;
:,: Tsara e!:,:
Ny teniny henoinao;
:,: Tsara e!:,:
« Avia aty, ry zanako:
Ka mibebaha re anio,
Tsy misy izay holaviko: »
:,: Tsara e!:,:

4. Efa azonay ny santatra:
:,: Tsara e!:,:
Voavelany ny heloka:
:,: Tsara e!:,:
Ho any faingana izahay,
Fa Kristy manome anay
Fiainana mandrakizay;
:,: Tsara e!:,:

689 – Fandalovana aty, lanitra honenako

1. Fandalovana aty,
Lanitra honenako;
Efitra izao tany izao,
Lanitra honenako;
Voahodin-doza aty,
Reraka ao an-dàlana,
Valaka sy sasatra;
Lanitra honenako.

2. Na mandrivotra aza aty,
Lanitra honenako;
Tany no hilaozako,
Lanitra honenako;
Alon-dranomasina
sy ny rian-drano be
Tsy hisakan-dàlana;
Lanitra honenako.

3. Ao an-tratran’i Jeso,
Lanitra honenako;
Afa-pahoriana,
Lanitra honenako;
Ao ny olo-masina
Izay tiako taty,
Faly raha hitako;
Lanitra honenako.

4. Dia tsy halahelo aho,
Lanitra honenako;
Mafy ny manjo aty,
Lanitra honenako;
Ao no hitoerako
Faly anatrehan-dRay,
Ao homeny toerana;
Lanitra honenako.
Amen.

688 – Misy tany mahafaly

1. Misy tany mahafaly,
Tany izay alehanay.
Tany misy an’i Jeso,
Jeso Tomponay
Tany soa maharavo,
Tany tadiavinay!
Afa-tahotra afa-doza
Izay tafiditro ao.

2. Tany tia mpivahiny,
Tany namboarinao,
Ry Jesosy be fitia,
Jeso Tomponay!
Ho anay aty an-tany
Izay malahelo fo
Noho ny fomban-tany ratsy
Mahazatra anay.

3. Maro be ny fahavalo
Izay miady aminay:
Mafy ny fakam-panahy hitanay aty;
Sakan-dalana, ady mafy
No alehanay izao:
Be tokoa ny mampahory,
Nefa fantatrao.

4.Eny, fantatrao, ry Jeso,
Fa izahay mpanomponao
Dia handresy ny devoly
Noho ny herinao;
Koa ampionao izahay re
Mba hiankina aminao
Hahatraranay ny tany
Namboarinao.

687 – Ny tranon’ny Raiko Trano madio

1. Ny tranon’ny Raiko Trano madio
Tsy misy mahory na zava-manjo,
Avia, ry malahelo! Hankao
Mizora, fa Izy hampiditra anao.

Fiv : :,: Sambatra re, izay tonga ao:,:
:,: Faly tokoa :,: izay tafiditra ao.

2. Mandalo izao fiainana izao,
Ka aza sondriana aty hianao
Ny ratsy izay mitaona reseo,
Ny any an-danitra no mba irio
:,: Sambatra re, sns… :,:

3. He, ao no ho hitantsika tokoa
Ny tavan’ilay Zanakondry madio;
Ny mpino tety no efa ao koa,
Maniry hihaona amintsika tokoa.
:,: Sambatra re, sns… :,:

4. Tsy misy manjo izay afa-mankao,
Na andro mahory hitseran’ny fo;
Fa any tsy misy alina koa,
Tanàna mazava, fonenana soa,
:,: Sambatra re, sns… :,:

5. Ny mino rehetra ory tety
Tafakatra any ka faly tokoa,
Mihira ny famonjen’i Jeso,
Midera ny fiandrianan’ny Ray.
:,: Sambatra re, sns… :,:

686 – Maniry izahay

1. Maniry izahay
Ho any aminao,
Jerosalema tanànanay,
Tanàna masina;
Ny trano lay aty,
Tsy maintsy rovitra,
Kanefa tazanay ery
Ilay tsara lavitra;

Fiv : Tazanay, tazanay
Ny tany masina.

2. Mba tanterahorao,
Ry Tompo tia anay!
Ny fikasan’ny Zanakao
Nataony taminay:
« Ho any amiko
Izay nomenao Ahy,
Fa tiako ho hitany
Ny voninahitro. »
Tazanay, sns…

3. Mankany aminao
Izao ny dianay,
Na sarotra ny làlana
Mihira izahay;
Ny hasasaranay
Tsy misy intsony izao,
Fa tazanay sahady re
Ny tany masina:
Tazanay, sns…

685 – Matokia mpivahiny!

1. Matokia mpivahiny!
Any an-tanàna ary
Misy trano soa madio,
Mandrosoa hianao

Fiv : Misy fitsaharana any
Matokia hianao;
Misy fitsaharana any
Izay ho azonao.

2. Ao ny Tomponao miandry
Hanome anao ny soa;
Misy fiadanana any
Voavoatra ho anao:
Misy fitsaharana, sns…

3.Any tsy mba misy rofy
Amam-panaintainana;
Izay rehetra tonga any
Afa-pahoriana.
Misy fitsaharana, sns…

4. Tsy mba mamy va ny mody
Mba ho afa-tsasatra
Sy horaisin’i Jesosy
Amim-piadanana?
Misy fitsaharana, sns…

684 – Ao ny lanitra tsara tokoa

1. Ao ny lanitra tsara tokoa
Izay fonenana mandrakizay,
Tany be hasambarana koa;
Ao isika hihaona indray

Fiv : Mifalia, mihobia,
Fa ao isika mihaona indray

2. Ao ny lova izay mamin’ny fo
Sy fiainana mandrakizay,
Voninahitra tsy mba ho lo;
Ao isika hihaona indray:
Mifalia, sns…

3. Ao ny Ray, Loharanon’ny soa,
Hovantanina rahatrizay,
lzay hampiditra hoe: mandrosoa!
Ao isika hihaona indray:
Mifalia, sns…

4. Ao ny Zanaka be indrafo
Izay nijaly taty fahizay;
Nefa tsy mba nahita ny lo.
Fa efa velona mandrakizay:
Mifalia, sns…

5. Ny Fanahin’ny Ray ao tokoa.
Izay mitarika antsika izao
Sy mananatra antsika ho soa
No mitondra antsika hankao:
Mifalia, sns…

6.Matokia, miravoa, mifalia,
Fa azontsika ny lapan’ny Ray:
Miderà , mihirà , mihobia.
Fiadanana mandrakizay:
Mifalia, sns…

683 – Ao am-pitan’ilay lohasaha izay

1. Ao am-pitan’ilay lohasaha izay
Alo-pahafatesana koa,
Moa mba tsinjonao ve iry tanàna iray
Iray mamiratra toa vatosoa?

Fiv : Ny masoandrony tsy mba milentika koa,
Izay rehetra mby ao voadio avokoa,
Ka mamiratra toa vatosoa.

2. Ny Mpanjakany dia Ilay Ray be fitia
Sady aina ho an’izay ao;
Ry Mpanota mibebaka ô, matokia
Hosasany hadio hianao.
Ny masoandrony, sns…

3. Nefa tsinjoko fa ny fidirana ao
Dia am-pototr’ilay lakoroa!
He mideza sy ety ny lala-mankao
O, ry foko, moa ho kivy va?
Ny masoandrony, sns…

4. Olo-masina maro no tsinjoko indreo
Ao mihira sy mitafy vao;
He iriko indrindra ho isan’ireo
Ka tantano, Jeso aho, ho ao.
Ny masoandrony, sns…

682 – Hianao, Jehovah Tompo

1. Hianao, Jehovah Tompo,
No itokiako,
Ka tsy matahotra aho
Fa manana Anao.
Ry harambato mafy,
Izay ao mandrakizay,
Ny foko tsy hanahy
Fa miankina aminao.

2. Mitsoka mafy loatra
Ny rivo-daza re,
Kanefa tsy hihoatra
Ny fefy lehibe.
Ry Aron’ny tanora,
Ry Tokin-dehibe
Ho heriko isan’ora
Ny herinao anie!

3. Raha tonga re ny fetra,
Ny andro tapitra,
Haneno ny trompetra,
Hihovitrovitra.
Kanefa matokia,
Ry foko, fa Jeso
Hitantana ny dia
Ho eo anilanao.