337 – Ry Jehovah, Tompo ô!

1. Ry Jehovah, Tompo ô!
Tompo masina sy to,
Azonay ny teninao
Mampandre ny antranao
Aoka harahinay
Ka ho masina aminay,
Mba hanao ny sitrakao
Izahay mpanomponao.:,:

2. Hody izahay izao
Amin’ny Anaranao;
Mitoera aminay
Ao an-tokantranonay,
Mba ho velona aminao
Izahay navotanao;
Be ny fahavalonay,
Ka arovy izahay:,:

335 – Hody izahay Zanahary!

1. Hody izahay Zanahary!
Tahio tsara izahay;
Ampifalionao ny fonay
Amin’ny fitianao;
Ampifalio:,:
‘Zahay ety an-tany.

2. Mankasitraka Anao izahay
Noho ny teny soa
Izay nampianaranao
Saina hahasoa anay.
Tomoera:,:
Aminay isan-andro.

3. Raha ho faty izahay
Ka handao ity tany
Dia ampifalio izahay,
Ento ho an-danitra,
Dia faly:,:
Izahay mandrakizay.

334 – Sambatra ny sofiko

1. Sambatra ny sofiko
Fa mandre ny teny
Tenin’i Jesosiko,
Tenim-pamonjeny.
He! Izaho tiany
Mba hiara-dia
Sy hianatra aminy
Ary tsy hania.

2. Sarotra ny làlako
Sady mampanahy,
Nefa ny Mpamonjiko
Mahatoky ahy;
Vetivety foana
Dia ho avy Izy
Amim-boninahitra,
Ka handray ny Azy.

333 – Hody, Tompo, izahay

1. Hody, Tompo, izahay,
Miaraha aminay,
Ka tahio ny teninao,
Mba hamorona aim-baovao,
Sao mivory foana
Izahay mpiangona.

2. Marobe ny rafinay
Ta-hamandrika anay;
Tompo, miarova anay,
Sao dia very izahay;
Mitoera aminay
Ao an-tokantranonay.

3. Efa renay taminao
Fa anay ny lanitrao,
Efa namboarinao
Mba ho an’ny olonao;
Ka tariho, Tompo ô,
Hody ao ny zanakao!

332 – Finaritra ny olonao

1. Finaritra ny olonao
Jesosy Tompo ô,
Fa manana ny aim-baovao
Ka ravo eram-po !
Ny famonjena vitanao
Dia efa voaray izao,
Ny fifaliany aty
Hitohy hatrary !

2. Izaho va Jesosy ô,
Mba isan’ny Anao ?
Ny solika fitaizako
Moa misy va izao ?
Hevero ry fanahiko,
Ka aza mety afa-po
Ambara-pahafantatrao
Fa Jeso no anao !

567 – Aza malahelo

1. Aza malahelo,
Aza kivy fo ;
Izay tia an’i Kristy,
Loza tsy hanjo,

Fiv : Jeso be fiantra!
Mba avia izao,
Ary ny mahantra
Mba tantanonao.

2. Aza mba ahina,
Mpino hianao,
Fa mba miankina
Amin’ny Rainao.
Jeso, sns…

3. Aza mba misento ;
Kristiana anie!
Fa homen’ny Tompo
Fifaliam-be.
Jeso, sns…

4. Tomponay mahery ;
Mba tsinjovinao,
Tano sao ho very
Ny mpanomponao.
Jeso, sns…

564 – Tsy hita izay androko sisa aty

1. Tsy hita izay androko sisa aty,
Ahiko fandrao tsy tonga ary,
Ry fanahiko! Ao ny Mpamonjy anao,
He! Jeso, Mpamonjy anao.(in-3)
Ry fanahiko! Ao ny Mpamonjy anao,
He! Jeso Mpamonjy anao.

2. Izaho anefa tamàna aty ;
Tsy hiomana va, fa hifindra ary?
Fa efa fantatro izao, fa havela ity,
He! Lanitra soa ary. (in-3)
Fa efa fantatro izao fa havela ity,
He! Lanitra soa ary.

3. Ilaozy ity, hadinoy, ry fo!
Afoizo izao, ry fanahiko ô!
Fa efa reko ny Tompo
Miantso anao,
He! Feo mahafaly izao. (in-3)
Fa efa reko ny Tompo
Miantso anao,
He! Feo mahafaly izao.