533 – Iray ny Ray Tsitoha

1. Iray ny Ray Tsitoha,
Mpitia olombelona;
Iray ny Tompo soa,
Iray ny rano velona,
Iray ny vavahady
Izay hidirana;
Ny rafy sy ny ady
Dia iombonana.
Iray ny fahantrana
Ilaozantsika aty,
Iray ny fanjakana
Alehantsika ary.

2. Ry zana-janahary,
Ry voavela heloka,
Miraisa hina ary,
Ka mifandraisa tanana;
Mifamelà isika,
Fa samy meloka;
Mifanajà isika,
Fa samy zanaka.
Ry jeso be fitia,
Ampio ny olonao
Mba ho mpifankatia
Manahaka Anao.

535 – Finaritra ny manome

1. Finaritra ny manome
Ireo mahantra marobe
Ka mahafoy fananana
Hiantra ny tsy manana.
Izao no asa mahasoa
Izay manendrika tokoa;
Ny manome an-tsitrapo
Hitsinjo olona ory fo.

2. Ry olon’ Andriamanitra!
Mba mihetseha fatratra
Hamonjy sy hanafaka,
Hanampy ireo madinika.
Izay mamokin-tanana
Malain-kiantra namana,
Izay mihirim-belona
Tsy hanarn-piadanana.

3. Ny vola izay nafoinao
Dia tsy mba very foana izao
Fa ny mahantra no mandray
Ka lasan’i Jehovah Ray,
Ireo kamboty mba vangio,
Mpitondratena mba jereo;
Izao no fivavahana
Izay madio sy masina.

536 – Mifankatiava tsara

1. Mifankatiava tsara
Jeso no mampihavana,
Fa Izy no alalantsika
Amin’ Andriamanitra.

2. Mifankatiava tsara
Mba hahatsara antsika,
Fa fototry ny didiny
Sady anton’ny lalàny.

3. Hitsahatra finoana,
Mbamin’ny fanantenana,
Nefa ny fitiavana
Haharitra mandrakizay.

4. Mifankatiava tsara,
Tsy maharatsy namana,
Ary tsy mahatezitra
An’Andriamanitra koa.

537 – Endrey ny hamaroan’ ny soa

1. Endrey, ny hamaroan’ny soa
Nomenao Ray ho ahy koa!
Ny aiko, he, navotanao,
Ny heloko vonoinao.

Fiv : Eny, Raiko,
He! Ravoravo tokoa
Ity zanakao voavonjy re,
Ka velombelona ery.

2. He, azoko tokoa jeso,
Ilay perla soa, madio sy vao;
Ny zava-tsoan’ny tany re
Dia tsy ahoako tokoa.
Eny, Raiko, sns…

3. Tsy aiko ny hilaza izao
Hamisavisa re, ry Ray;
Ny fanomezan-dehibe
Dia tsy voatonoko koa.
Eny, Raiko, sns…

4. Ny foko no hidera izao,
Hisaotra sy hanaja Anao,
Hanoa, ho vonona hanao
Ny sitrakao rehetra.
Eny, Raiko, sns…

538 – Finaritra ny masoko

1. Finaritra ny masoko
Mijery ny Mpamonjiko,
Ny vavako hisokatra
Hidera ny Mpanavotro !

Fiv : Andro soa, andro soa,
Fa Jeso no Mpanavotra !
He, ravo ny fanahiko
Mihira ao anatiko !
Andro soa, andro soa,
Fa jeso no Mpanavotra !

2. Ho tiako ny Tompoko
Ambara-pahafatiko,
Fa Izy no Mpanafaka
Manaisotra ny heloko !
Fiv : Andro soa, sns…

3. Faingàna re, ry havako,
Hatòny e, ny Tomponao !
Andeha mba hiaraka
Hihira sy hivavaka !
Fiv : Andro soa, sns…

188 – Ry Fanahin’aina

1. Ry Fanahin’aina,
mpanazava saina,
Mpampionompo,
O, mba akekezo
Ireto miambezo
Hamindranao fo!
Hazavao
Ny olonao,
Mba handraisanao tokoa
Fanomezantsoa.

2. Mba ampivavaho,
Hafanao re aho
Hankalaza Anao!
Hataka sy sento
Asandratro, ento,
Ka valionao!
Anehoy
Sy ampinoy
Ny famindrampo mamonjy
Izay te-ho tra-bonjy!

3. Ô mba amosahy
Fahazavam-panahy
Ny fisainanay,
Ka ny fo tarafo,
Andreheto afo
Ny fanahinay,
Ka ombay
Re izahay,
Raha antsoinao hanambara
Ny Filazantsara!

4. Ô ry Andon’aina!
Tany karankaina
Mba vontosinao!
Dia ho vanom-boa,
Hahavoka-tsoa
Re ny volinao!
Indrafo
Sy teny to
No harena antenaina
Hanavao ny aina.

5. Ô mba areheto
Sy ampahareto
Ny finoanay!
Izahay afaho,
Ampahatanjaho
Ny fanahinay!
Tompo ô!
Miraiki-po
Aminao ny olom-bery,
Tonga manan-kery.

6. Raha mitoloko,
Tano re ny foko
Tsy handao Anao,
ka tsilovy dia,
Tsy haniasia,
Hahatody ao
Aminao
Ny zanakao,
Ao ny lova andrandraina
Fahasambaran’aina.

187 – Ny lanitra sokafinao

1. Ny lanitra sokafinao,
Midina ry Mahery
Ampisehoy ny sandrinao,
Ry Tompo manan-kery !
He manakora izao
Ny fahavalonao
Ka maro no mandà
Ny afo masina
Narehitrao, ry Jeso !

2. O, ry Mpitia olona,
Mpanjaka voahombo,
Ny Teninao dia velona
Mahery sy mitombo !
Ampahafantaronao
Izao tontolo izao
Fa tsy mba foana
Ny ranao masina
Nalatsakao fahiny !

3. Mba ampiraiso hina re
Ny olom-boafidy
Ka akambano mafy e,
Fa lova sarobidy !
Ny fitiavana
Madio sy marina
No aoka hanavao
Ny fiangonanao
Handraisanao ny dera !

4. Ny Nosinay, ny tranonay,
Ny vava aman-tsainay
Dia mba samy havaozinao !
Ry fototry ny ainay,
Ampiononinao
Ny manina Anao !
Avia ka mamonje
Avia mampandrese
Ny olonao mahantra !

186 – Fanahy, Mpanavao anay

1. Fanahy, Mpanavao anay,
Simban’ny ota izahay,
Ka amboarinao indray,
Havaozy ny fanahinay.

2. Avia, ry Afo masina,
Ny ratsy aoka ho levona;
Ry loharano velona,
Tondrahonao ny efitra.

3. Ny lohataonanao anie
Mba hampaniry soa be
Sy hampamony ho Anao
Izao tany karankaina izao.

4. Ny efitra sy tany lao,
Hi ho by sy hidera Anao,
Fa olom-potsy no ho ao;
Mpanompo teo fa afakao.

5. Ry lohataona maminay!
Midina faingana aminay,
Fanahy, Mpanavao anay,
Niandry ela izahay!

539 – Faly dia faly

1. Faly dia faly
Izahay mpanomponao,
Izay mihira eto anatrehanao.
Fa be fiantra Hianao,
Ry Jeso Tompo tianay!
Ka feno haravoana
Tokoa izahay;

Fiv : Faly dia faly
Izahay mpanomponao,
Izay mihira eto anatrehanao.

2. Ela dia ela
No nandavanay Anao;
Be ny zava-dratsy efa vitanay.
Na diso aza izahay,
Anefa faly aminao;
Fa afakao ny helokay,
Ry Tompo tianay!
Faly dia faly, sns…

3. Sarotra tokoa,
Ny alehanay izao ;
Be ny alahelo, iaretanay.
Na ory aza izahay,
dia mbola faly aminao
Fa levonao ny tahotray,
Ry Tompo tianay
Faly dia faly, sns…

4. Manantena tsara,
lzahay mpanomponao
Mba handray ny zara,
Tehirizinao ;
Rehefa maty izahay,
Ka entinao an-danitra ;
Ho azonay ny lova soa,
Hatolotrao anay;
Faly dia faly, sns…

540 – Hitako ny làlan-tsara

1. Hitako ny làlan-tsara,
Ka hizorako izao,
:,: Azoko ny famonjena,:,:
Ka hotanako tokoa
:,: Manampia,:,:
Ry Fanahy Masina.

2. Ravoravo aho, Jeso!
Hianao no Tompoko;
:,:Faly aho, ry Mpamonjy!:,:
Afakao ny heloko;
:,: Gaga aho :,:
Noho ny fanavotanao.

3. Fitiavana ihany
No natolotrao anay;
:,:Nefa kosa fahotana:,:
No navalinay Anao:
:,: Aza isaina :,:
Re ny hadisoanay.

4. Ny mpanota hilazako
Ny Mpamonjy tànako;
:,:Hilazako fa ny rany:,:
No nataony avotra;
:,: Matokia,:,:
He, ny fitiavany!