162 – Amen, Jeso no Mpifehy

1. Amen, Jeso no Mpifehy,
Amen, ny Fanahiny.
Amen, Amen, re, ny teny
Mbamin’ny fandraisany,
Amen, ny batisany.
Amen, ny fiainany.

2. Amen, Jeso no Mpanjaka,
Amen, ny Anarany,
Amen, Jeso tonga maka
Ahy ho anjarany,
Amen, Amen ary to
Izy, Izay inoako.

3. Amen, ny fanantenana,
Zavatra maharitra;
Amen re, ny fifindrana
Raha mankao an-danitra!
Amen, ny fiadanana,
Amen, ny fiainana.

4. Aoka isika hihira Amen,
Amen ho mandrakizay!
Jeso, mba valio Amen,
Dia ho faly izahay;
Amen no ho hiranay
Raha mby Aminao izahay.

163 – He Jesosy Tokintsika

1. He, Jesosy tokintsika
Tompon’ny fiainana,
Tonga eto amintsika
Olon-kovangiana !
Izy no hitory teny
Soa, mahavelona !
Fa ny ainy no nomeny
Mba ho solovoina.

2. Andrandraonao ka andraso
Ny Mazava lehibe !
Dia Ilay tsy hita maso,
Mpanazava, Mpanome !
Fa ny ainao dia ho very
Raha tsy arahinao
Ilay Mpanjaka manan-kery,
Izay nanavotra anao !

3. Eto afovoantsika
Ilay Mazava tokana !
Sambatra izay mahita Azy
Fa ho velona !
Ry Jesosy, iresaho
Izahay mpianatrao !
Hafanao sy hatanjaho
Ny finoanay Anao !

164 – Jesosy irery ihany

1. Jesosy irery ihany;
Filazantsara soa
Nentin’ireo mpanompo,
Torina aminao.
Maizina avokoa
Izao rehetr’izao
Nefa he ny mazava
Naposaka aminao.

2. Jesosy irery ihany
No ivavahana.
Ny Anarany irery
no fanavotana.
Ny olona rehetra
no handohalika
Ety an-tany ka ha-
trany an-danitra.

3. Jesosy tsy miova
omaly sy anio.
Ary mandrakizay fa
tsy mba mamitaka;
Mifona ho antsika
Eo an-kavanan-dRay.
JESOSY IRERY IHANY
Re no isaorana!

165 – Haleloia ! miderà, asandrato

1. Haleloia ! miderà
:,: Asandrato, re ny feo :,:
Miderà ny Ray Tsitoha
:,: ‘zay Mpamorona anareo :,:
Fa Mpanjaka manan-jo
Haleloia, Haleloia!

2. Haleloia ! mihirà
:,: Lehibe sy masina :,:
‘Lay Mpahary anareo.
:,: Ao ny ranomasina :,:
Sy ny biby marobe
‘Ndray mihoby : Haleloia !

3. Haleloia ! mifalia
:,: ‘Lay Mpamonjy be fitia :,:
Sy Mpanavotra anareo.
:,: O, ry olom-bery ô :,:
Manatòna, mihobia
Haleloia, Haleloia !

4. Raiso re, ry Tompo ô,
:,: Ny mpanota toa anay :,:
‘Zay miantoraka Aminao.
:,: Mba henoy ny vavakay :,:
Ho fanatitra madio
‘Zay atolotray anio !

166 – Derao ny Tompo lehibe

1. Derao ny Tompo lehibe
Nahary izao rehetra izao
Haleloia, Haleloia,
Ny lanitra sy tany koa
Samia midera avokoa
Asandrato izao ny dera :
Haleloia, Haleloia, Haleloia !

2. Ry fo voadion’ny ràny soa,
Ankalazao ny Tompo tia !
Haleloia, Haleloia,
Ry voavela heloka ô,
Tsarovy re ny indrafo,
Asandrato izao ny dera :
Haleloia, Haleloia, Haleloia !

3. Miraisa fo ka miderà
Fa izy niahy hatrizay,
Haleloia, Haleloia,
Derao ny Ray sy Zanaka
Sy ny Fanahy Masina
Asandrato izao ny dera :
Haleloia, Haleloia, Haleloia !
Amena

168 – Ry Jeso! Ny Anaranao

1. Ry Jeso! Ny Anaranao
Dia maminay tokoa;
Mihira sy midera Anao
‘Zahay navotanao.

2. Tsy takatry ny hevitra
Ny fitiavanao;
Tsy tambonay tononina
Ny hasoavanao.

3. Ny tsara eran-danitra
Sy eran-tany koa,
Tsy azo anoharana
Ny fitahianao.

4. Ho toy ny loharanao e,
Ny fonay olonao;
Tsy hanam-pitsaharana e,
Ny hiderana Anao!

TS 1 – Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ny taberna-kelinao

(Salamo 15)
1. Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ny taberna-kelinao?
Iza no honina an-tendrombohitrao masina?
Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao ‘zay mahitsy
Sady misaintsaina ny marina ny fony

2. Tsy manendrikendrika amin’ny lelany,
Sady tsy manisy ratsy ny sakaizany,
Ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,
Tsy manaja ny ratsy fanahy.

3. Fa manome voninahitra ny matahotra an’i Jehovah,
Tsy mivadika amin’ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza.
Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hana-meloka ny marina,
Izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.

4. Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandrakizay. Amen.

449 – ‘Njay reko Tompo ô!

1. ‘Njay reko Tompo ô!
‘Njay re ny feonao
Miantso ahy Hianao
hankany Kalvary;

Fiv : Tompo lehibe!
Raiso aho e;
Mba sasao ny ranao soa
Izay tao Kalvary.

2. Malemy aho e,
Ka mitaraina hoe:
Vonjeo ny aiko Tompo ô!
Vonjeo ny olonao:
Tompo lehibe! Sns

3. Ny fiadanam-po
Mandresy ny manjo;
Esorinao ny tahotro,
Ry Tompo ô vonjeo:
Tompo lehibe! sns…

4. Mpanota tsy mandà,
Ry Tompo! mamelà;
Ny fahotako lehibe
lfonako tokoa:
Tompo lehibe! sns…

5. Ny foko tsy madio
Mba diovinao, anio;
Maloto aho, Tompo ô!
Sasao ho voadio:
Tompo lehibe! sns…

6. Ny foko no sasao,
Ka diovinao izao;
Ny fahotako marobe
Levony avokoa:
Tompo lehibe! sns…

448 – Ry Tompo ô! Tariho

1. Ry Tompo ô! Tariho
Ny ondrikelinao,
Tantano sy vimbino
Hanao ny sitrakao;
Raha misy hafaliana,
Dia taomy mba ho tia;
Raha sendra fahoriana,
Sakano tsy hania.

Fiv : Ry Jeso ô tazano,
Ny lalanay izao,
Tariho sy tantano
Ho ao, am-balanao;
Anio dia mikasa
Hanolo-tena koa
Fa nenina ny lasa Hiezaka tokoa.

2. Anio ho hafaliako,
Ny foko lasanao,
Ny maminao no tiako,
Hatao ny sitrakao.
Ny androko rehetra,
Atolotro Anao;
Anao tsy misy fetra,
Ka raiso, anjakao:
Ry Jeso ô tazano, sns…