578 – Lohasahan-dranomaso

1. Lohasahan-dranomaso
Izao fiainan-tsika izao;
ka misento lalandava
Izay rehetra velona ao;
Koa aiza re no misy
Hampionona ny fo?
Iza no mahay mamonjy
Hampisava ny manjo?

2. Manatona Ilay Mpamonjy,
Ry sakaiza ory Ô!
Ka aza mba misalasala,
Mandrosoa hianao;
Famonjena mahatoky
Tsy miova no anao,
Raha manana an’i Kristy
Ho fanala-tahotrao.

3. Vola sy harena an-tany
Mety tsy hanananao;
Havana, sakaiza koa
Dia hisaraka aminao;
Nefa Jeso no anjara
Tsy alaina aminao;
Izy no Sakaiza tsara
Izay nanavotra aina anao.

579 – Aza mba mandao ahy ry Mpamonjy ô

1. Aza mba mandao ahy,
Ry Mparnonjy ô!
Aza mba manary ahy,
Jeso Tompo ô!

Fiv : Ry Mpanjaka,
Mihainoa re!
Mamonje fa mitaraina
Ny vahoakao.

2. Fantatrao fa malahelo
Ny mpanomponao;
Raha mbola eto aho,
Mba tsinjovinao:
Ry Mpanjaka, sns…

3. lndro! fa miandry eto
Ny navotanao;
Aoka tsy mba halahelo,
Mba falio izao:
Ry Mpanjaka, sns…

4. Eny, manomeza hery
Mba ho ahy re,
Ka hahery sy handresy
Ny mpanomponao:
Ry Mpanjaka, sns…

580 – Ry be fiantra sy be indrafo

1. Ry be fiantra sy be indrafo!
Ao Aminao misy soa;
Ory izahay noho ny zava-manjo;
Ao Aminao misy soa;
Be siasia an-dalana aty,
Sao tsy ho tratra ny tsara ary;
Tompo miantrà, vonjeo izahay,
Ao Aminao misy soa.

2. Rahona mainty manarona anay,
Ao Aminao misy soa
Mba hazavaonao izay dianay,
Ao Aminao misy soa;
Ampaherezo hanaraka Anao,
Ampaherezo hatoky Anao,
Tompo mahery, hazony izahay,
Ao Aminao misy soa.

3. Any an-danitra izay lapanao,
Ao Aminao, misy soa;
Ka dia matoky izahay zanakao,
Ao Aminao, misy soa;
Aza ilaozana akory izahay,
Sao dia very an-dàlana indray:
Tompo malala, tariho izahay,
Ao Aminao, misy soa

140 – Haleloia, Haleloia!

1. Haleloia, Haleloia!
Miderà ny Tomponao.
Manandrata feo hidera
an’i Jeso Kristy ‘zao.
Fa nijaly mafy lzy,
Sady voavono koa.
Nefa indro, velona Izy
Ao an-danitra tokoa.

2. Eny, velona ny Tompo
Mba ho santatsika koa,
Ka ho velona ny mino
Sy hitsangana tokoa:
Dia handray ny lova soa,
Satro-bolamena koa.
Ka hidera ny Mparnonjy
Sy ho sambatra avokoa.

3. Haleloia, haleloia,
Haja, hery, saotra anie
No hatolotra ny Tompo,
‘Zay Mpandresy lehibe;
Hoderaina lalandava
Fa mpanjaka manan-jo:
Haleloia, haleloia,
Hoderaina eram-po.

139 – He! Vita re ny ady izao!

1. He! Vita re ny ady izao!
Ny ota efa resy re,
Ny feo mifaly no atao.
Haleloia!

2. Fahafatesana no tao,
Fa Kristy naharesy izao
Ny fandreseny no derao,
Haleloia!

3. Ny andro nijaliana e!
Nisolo fifaliam-be,
Ka mihirà izay mandre:
Haleloia!

4. Ny gadra voatapany,
Ny efitra efa ravany;
Ka miderà ny heriny:
Haleloia!

5. Ry Tompo ô! Ny fiainanao,
Mamelona ny olonao,
Ka hoderaina Hianao,
Haleloia!

138 – ‘Ty no andro maharavo

1. ‘Ty no andro maharavo
Ora fifalianay
Lay Mpanarina ny lavo
No niady ho anay !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

2. Azonao ny fandresena,
Ry Mpamonjy velona,
Vitanao ny famonjena
Tafatsangana Hianao !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

3. Resinao ny fahotana
Voavoha ny fasanao !
Torotoro re Satana
Afaka ny olonao !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

4. Ry Mpandresy fandozana,
Raisonao ny hajanay !
Ry Mpamonjy, mitantàna,
Tano ho Anao ‘zahay !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

137 – Vita izao ny fandresena

1. Vita izao ny fandresena
Haleloia, haleloia
Azo koa ny famonjena,
Haleloia;
Resy re ny fasana
Sy ny fahafatesana
Fahavalo farany,
Fa Jeso nitsangana,
Tonga fanafahana;
Haleloia (in-3)

2. To izao izay nambara:
Haleloia, haleloia
Fa ny fatotra nivaha:
Haleloia.
Foana ny fasana.
Jeso re nitsangana
Tamin-kery lehibe
Ka torio ry mino e!
Eran-tany mba ho re:
Haleloia (in-3)

3. Dia venteso ny hosana:
Haleloia, haleloia
Aoka tsy hihambahamba:
Haleloia.
Fa efa velona tokoa
Lay Mpamonjy tsy mba roa
Zay nisolo voina anao;
Izy no nisantatra
Ny fiainan-tsambatra:
Haleloia (in-3)

136 – Ry Jeso Tompon’aina!

1. Ry Jeso Tompon’aina!
Nalevina Hianao,
Kanefa, he, deraina,
Fa velona ao izao.

2. Ny fasana nivoha
Noho ny herinao,
Fa tsy mba nahatoha
Ny voninahitrao.

3. Ireo miaramila
Nahery sy nahay
Dia tsy mba nahatana
Anao Mpanjakanay.

4. Nitsangana tokoa
Ho tena santatray
Hianao, ry Tompo soa
Sy Kapiteninay!

135 – Foana ny fasanao

1. Foana ny fasanao,
Jeso Tompon’aina!
Tò tokoa ny teninao
Ka notontosaina.

2. Foana ny fasanao,
Tompo manan-kery,
Gaga teo ny rafinao,
Resy’lay mahery.

3. Foana ny fasanao,
Fa efa novohana!.
Maito ny fatoranao,
Tsy mba nahatana.

4. Foana ny fasanao,
Zanaky ny Avo!
Aina no nasehonao.
Zava-maharavo.

827 – Na mamely ny tafiotra lehibe

1. Na mamely ny tafiotra lehibe
Sy mandrivotra fatratra
Ka efa mila hahavery saina re!
Hozakaiko fa lahatra
Jeso Tompo no amiko izao
Ka ny loza resiny avokoa
Izy no mitondra ahy mba ho ao
Amin-dRainy handova ny soa.

Fiv : Mandrosoa hoy ny Tompo
Fa Izaho hitondra anao
Ka hitandrina anao
Sy hanatitra anao
Any Ziona fonenan’ny Ray

2. Na dia maizina ny lalako ety,
Sady be fahavalo koa
Kelikely foana dia ho tonga ary
Ka ho tretrika ao tokoa.
Jeso Tompo no misakambina
Sy mihazona ny tanako roa,
Sady be fitia ka te-hiambina
Ny fanahy sy ny aiko koa.
Mandrosoa hoy ny Tompo, sns…

3. Reko re ny alon-drano lehibe
‘Zay mamely ankehitrio;
Ka toa kivy ny fanahiko mandre,
Kanjo tsara ho ahy io.
Fa tsy tiako ny hanalavitra
‘Lay Mpanafaka ny zava-manjo,
Raha toa ny saiko tsy finaritra,
Ka mangovitra mafy ny fo.
Mandrosoa hoy ny Tompo, sns…