821 – Rainay ô, Mpamorona

1. Rainay ô, Mpamorona!
jeso ô, Mpanavotra,
Ary ny Mpananatra;
Mihainoa, ry Tompo!

2. Hianao no foto-tsoa
Sy harem-panahy koa,
Handrosoanay tokoa;
Mihainoa, ry Tompo

3. Be ny heloka natao,
Be ny famindramponao,
Mamelà anay izao;
Mihainoa, ry Tompo

4. Malahelo izahay,
Fa maditra hatrizay,
Aza mba mandao anay;
Mihainoa, ry Tompo

5. Mba diovy ny fonay,
Hatanjaho ny sainay,
Ahitsio ny dianay;
Mihainoa, ry Tompo

6. Be tokoa ny indrafo
Izay naseho ho anay,
Tena latsaka ao am-po;
Mihainoa, ry Tompo!

7. Eny, famonjena re,
Hahitanay aim-be,
No he, vitanao tety;
Mihainoa, ry Tompo

8. Aina, hery, andro koa
No atolotray tokoa,
Mba hahaizanay ny soa;
Mihainoa, ry Tompo

9. Ho Anao tsy tapitra;
Haja, dera, saotra koa,
Ho Anao mandrakizay;
Mihainoa, ry Tompo
Amena.

132 – Indro fa velona

1. Indro fa velona
Jesosy Tompon’aina;
Foana ny fasana,
Resy izao Satana.
Iza indray no hitomany,
Raha mahare izany?
Ry foko sasatra,
Manahy fatratra,
Heveronao izao
Ho afaka ny sentonao.

2. Indro fa velona
Jesosy Tompon’aina;
Izy nitsangana;
Ravo ny fo sy saina.
Jeso Tompo nolatsaina
Tonga loharanon’aina.
Ry havana andrandrao
Ny lanitra izao:
Jesosy velona,
Ka azo ny fiainana.

131 – Tonga ny andro malaza

1. Tonga ny andro malaza izay mahafaly
Indro, nandresy Jesosy, ilay vao nijaly !
Velona indray Izy, natsangan’ny Ray,
Aoka isika hifaly !

2. Efa nahery Jesosy ka resy Satana,
Menatra mafy ireo fahavalo nitana
Ka mba zahao : rava ny fasana izao,
Rava fa tsy nahatàna !

3. Helo sy fahafatesana resy tokoa
Ary ny tambin’ota dia efa naloa !
Jeso Izay maty ka velona indray,
Tompon’aina tokoa !

4. Mba mihobia, ry olona mino rehetra
An’i Jesosy ny hery izay tsy voafetra !
Izy nanao làlana tsara vaovao
Resy ny ratsy rehetra !

5. Faly isika fa manana fanantenana,
Mbola hiantso Jesosy hoe : « Mitsangàna ! »
Amin’izay, velona mandrakizay
Ny nodimandry tra-bonjy !

130 – Hobio, ry olombelona!

1. Hobio, ry olombelona!
Jesosy dia velona,
Ny fasana dia rava;
Misokatra ny lanitra,
Ny aizina sy tahotra,
Dia resin’ny mazava,
Jeso Kristy
No deraina sy hajaina.
Fa Mpamonjy,
Tompon’aina mahavonjy.

2. He! Misy làlana indray
Ho ao an-danitra, izay
Miandry ao, ambony;
Fa vitan’ny Mpanavotra
Ny vonjy mahasambatra,
Ka sitraky ny fony
Handray izay
Mitomany, mba ho any
Amin-dRainy;
Fa izany dia hainy.

129 – Any naraina

1. Any naraina
:,: Ilay Avotr’aina. :,:
Natsangan-dRay.
Resy ny ota,
:,: ka ny mpanota, :,:
Mihoby indray.
Any naraina…

2. Hira hiraina
:,: Ny Tompon’aina :,:
Isaoranay;
Ory ny fony
:,: mba hampitony:,:
Ny sentonay.
Hira hiraina…

3. Faly ny very,
:,: tsy manan-kery :,:
Ny helokay;
Jesosy Tompo
:,: dia mampanompo :,:
Ny rafinay.
Faly ny very…

4. Hisy maraina
:,: ny Tompon’aina :,:
Ho avy indray;
Izy hizara
:,: ny lova tsara :,:
Homena anay.
Hisy maraina…

128 – Efa velona ny Tompo

1. Efa velona ny Tompo
Fa nitsangana tokoa;
Resiny ny fahavalo,
‘Lay mpihaza aina soa;
:,: Velona ny Tomponao,
Resiny ny rafinao. :,:

2. Matokia, ry mpanota,
An’i jeso Avotrao,
Fa ny ota nahadiso
Afaka tokoa izao;
:,: Velona ny Tomponao,
Afany ny helokao. :,:

3. Eny, fa nitsangana ela
Jeso Kristy Tomponao,
Ka namoha vavahady
Any mba hidiranao;
:,: Velona ny Tomponao,
Ka efa nialoha anao. :,:

127 – Tahaka ny masoandro miseho

1. Tahaka ny masoandro miseho,
Sady mamiratra tsara izao;
Toy ny heriny izay mahaleo,
Na dia takon’ny rahona tao.
Tahaka izany Jesosy Mpamonjy
Izy nitsangana velona indray
Ry olombelona izay voavonjy,
Mba miderà Azy mandrakizay.

2. Saotra aman-dera sy laza sy hery
Aoka ho Azy hatramin’izao,
Izy nanafaka ny olom-bery,
Indro ny fasana vaky sy lao,
Izy nanafaka ny vavahady,
Aiza, ry fahafatesana ô!
Aiza ny herinao sahy miady
Amin’ny mino sy amin’ny to ?

3. Jesosy Mpamonjy ô! Mba hasoavy
Ka mba arovy ny mino Anao,
Ka ny fanahinao aoka ho avy
Mba hanazava ny fonay izao;
Ary tantano izahay tsy hania,
Fa Hianao no mpiaro anay!
0! ry Mpamonjy anay, mba avia,
Ka mba vonjeo, fa miandry izahay.

4.Jeso, izahay te-hisaotra tokoa
Noho ny soa nomenao anay:
Teraka teto nitondra soa,
Dia ny fiainana mandrakizay.
Saotra omenay anao Izay nijaly,
Nefa natsangan’ny Rainao indray,
Rahatrizay izahay dia hifaly
Any an-danitra mandrakizay!

819 – Andriamanitra Tompo ô, Ray, Fanahy, Zanaka

Fizarana I
1. Andriamanitra Tompo ô
Ray, Fanahy, Zanaka,
Mihainoa anay izao,
Ry Telo izay Iray.

2. Jeso Zanak’i Maria,
Naka endrik’olona
Tonga zaza toa anay:
Mihainoa, Jeso ô!

3. Notafian-dreninao
Lamban-jaza Hianao
Tao anaty vilona:
Mihainoa, Jeso ô!

4. Novangian’olona
lzay niandry ondriny
Tao an-tsaham-Betlehema
Mihainoa, Jeso ô!

5. Notezaina Hianao
Notrotroin’i Simeona,
Notompoin’i Ana koa,
Mihainoa, Jeso ô!

Fizarana II
6. Amin’ny avonavona
amin’ny fahatezerana
Amin’ny fialonana
Mamonje, ry Jeso!

7. Amin’ny hevi-tsy madio,
Amin’ny teny ratsy koa,
Amin’ny fahasarotam-po
Mamonje, ry Jeso

8. Hankato ny didinao
Hankahala heloka,
Mba ho zanakao tokoa,
Mitariha, Jeso!

9. Mba hazoto izahay,
Tia fivavahana,
Tsy ho resin’i Satana,
Mitariha, Jeso

Fizarana III
(Ny feon’ny Fizarana I no ihirana an’ity)
10. Noho ny nahaterahanao
Noho ny ranomasonao,
Noho ny fahorianao
Mamonje, ry Jeso!

11. Noho ny satro-tsilonao,
Noho ny ra nalatsakao,
Noho ny nitsangananao
Mamonje, ry Jeso !

12. Noho ilay Anaranao
londrehan’olona
Sy ny ao an-dranitra
Mamonje, ry Jeso!

13. Noho ny herinao tsy hita
Noho ny voninahitrao,
Noho ny famindraponao;
Mamonje, ry Jeso!

816 – Ny lohan’ny eklesia dia Jesosy Tompony

1. Ny lohan’ny eklesia
Dia Jeso Tompony,
Ny rano aman-teny
No iorenany,
Nitady azy Izy
Ho ampakariny,
Nalatsany ny rany
Ho avo-tsoany

2. Na be ny firenena
Izay ihaviany,
Iray ny famonjena
Izay inoany
Iray ny antenaina
Rehefa mby ary;
Iray no mofon’aina
Izay fihinany.

3. Na dia mba hita aza
Ny fisarahana,
Na dia tsy manan-daza
Ny Fiangonana,
Miambina ny mino,
Ka mitaraina hoe:
«Aza ela, ry Mpamonjy,
Avia, mamonje!»

4. Tsy ela dia ho hita
Ilay Mpampakatra
Tsy ela dia ho vita
Ny ady masina;
Ny rafy horeseny,
Ny loza tapitra,
Fa Izy ho tonga eny
Am-pitsaharana.

5. Iraisany anefa
Andriamanitra
Sy ireo izay nahefa
Ny ady masina.
Ry Tompo, miarova
Anay izay mbola aty,
Hiraisanay handova
Ny lanitra aminy.

815 – ‘Lay ora tao Getsemane

1. ‘Lay ora tao Getsemane
Tsaroako tsara izao,
Fa Tompo tia sy lehibe
No ory loatra tao;

Fiv : Tsaroako ‘zao Getsemane
‘Zay niaretanao,
Tsy haiko hadinoina re,
‘Lay fahoriana tao.

2. Ny mpianatrao, malalanao
Natory avokoa;
Nafoin’izao, rehetra izao,
Jesosy Tompo soa;
Tsaroako ‘zao, sns…

3. Nanjary ra ny dinitrao
Noho ny helokay;
Fadiranovana Hianao
Nisolo voina anay;
Tsaroako ‘zao, sns…

4. Soraty ao am-poko re,
Ho sary velona ao,
Ny sarin’i Getsemane
Zay niaretanao;
Tsaroako ‘zao, sns…