300 – Ny tany izay vangianao

1. Ny tany izay vangianao,
Ry Jeso Masoandronay,
Tsy maintsy lasanao, Jeso,
Mba hanjakoanao avokoa.

2. Ny vavaka sy dera koa
Tsy manam-pitsaharana,
Hiakatra aminao tokoa,
Hitady fiadanana.

3. Ireo olona voaforona,
Dia ary ho Anao tokoa;
Hohasoavinao ireo
Hanjary masina avokoa.

4. Ny fo sy tany lasanao
Ho feno fahasambarana,
Ny loza hosakananao,
Ny soa hampidinina.

5. Ny maty hovelominao
Ny ratsy hohavaozina,
Ny very hotadiavinao
Ny diso, re, horaisina.

6. Ry vazan-tany efatra!
Ry Nosy tanindrazanay!
Mba raiso Ilay Mpanavotra
Ho Tomponao madrakizay.

AN 11 – O, lanitra! O, tany masina!

O, lanitra! O, tany masina!
Raha tapitra ny asanay,
dia ravo aminao.
Ny mandanao no hitanay,
sy vavahady soa;
ny lalam-bolamena koa no hodiavinay.
Fonena-mahasambatra,
tsy misy heloka.
Ny làlana mahazo ao no mba hizorako.
O, lanitra! O, tany masina!
Nahoana ny ho faty re no hatahorako?
Ny lanitra honenako mandrakizay doria.
O, lanitra! fonena-masina!
O, lanitra! ny dianay havitrika ho tonga aminao.
O, lanitra! ho tonga aminao.

299 – Tompo mahery Tsitoha

1. Tompo mahery Tsitoha,
Faly ‘Zahay mahatsiaro,
Fa Hianao Izay Loha,
Efa niantso olo-maro,
:,: Mba hitohizan’ny asa,
Asa natomboka teto :,:

2. Raiso ny saotra aman-dera
Noho ny zavatra vita,
Fa Hianao nampahery
Ny mpiasanao izay tafita.
:,: Raiso fa Anao samy irery
Ny fahefana sy hery. :,:

3. Dia hamasino ny asa
Sy ny fiezahana mafy.
Efa naaon’ylay mpiasa
Tamin’ny fo sy ny hafy.
:,: Ho voninahitrrao, ry Tompo
Zay niantso azy hanomo. :,:

4. Ary izahay izay mandova
Sy ta-hanohy ny asa,
Aoka ny toetra ho lova
Horaisinay, enti-miasa.
:,: Ho voninahitrao, ry Tompo
‘Zay efa niantso mpanompo. :,:

AN 10 – O! mihobia, ry vahoaka any Ziona!

O! mihobia, ry vahoaka any Ziona!
Fa indro, ny Masina Jehovah Mpanavotra,
Mitsangan-kitahy eo afovoanareo,
Hahatsara an’i Ziona mba ho tany hiadananareo.
Sambatra ao Ziona fonenanareo.
Endre, ny tranom¬panjakana ao Ziona!
Izahao. Hotantaraina hatramin’ny farany,
samy hahare izay taranakareo.
O! mihobia, ry vahoaka any zona!
Fa indro, Jehovah eo afovoanareo.

AN 9 – An’i Kristy ny fanjakana

An’i Kristy ny fanjakana,
Azy izao na ny hery,
na ny fahefana,
na ny fandresena.
Azy koa na ny voninahitra,
na ny fiandriananan
na ny laza Mpanjaka mandrakizay Kristy Tomponay.
Azy irery ny seza fiandrianana
sy ny satro-boninahitra.
Azy izao sy mandrakizay.

AN 8 – Mandrakizay ny Anaranao no hoderaiko

Mandrakizay ny Anaranao no hoderaiko
eram-po, eran-tsaina.
Hianao, ry Jehovah!
no hoderaiko eram-po, eran-tsaina;
fa tsara sady miantra Jehovah,
mahatsindry fo ka tsy maika.
Izao asany rehetra izao dia samy tiony sy amindrany fo.
Ny Anarany lehibe hoderaiko sy hankalazaiko.

AN 7 – Tamin’ny andro voalohany

:,: Tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro,
dia nankany amin’ny fasana izy,
nitondra zava-manitra izay efa namboariny.:,:

:,: Ary hitany fa indro ny vato efa voakodia niala tamin’ny fasana.
Dia niditra izy, nefa tsy hitany ny fatin’i Jesosy Tompo.
Ary raha mbola very hevitra tamin’izany izy ireo,
indreo nisy roalahy niseho taminy, nitafy fitafianà manelatrelatra.:,:

:,: Ary nony natahotra izy ka niankohoka,
dia hoy izy roalahy taminy.
Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?
Tsy ato Izy fa efa nitsangana;
tsarovy ny teny izay nataony taminareo,
fony lzy mbola tany Galilia hoe: :,:

Ny Zanakolona tsy maintsy hatolotra
eo an-tànan’ny mpanota ki hohomboana
amin’ny hazo fijaliana, ary, ary, hitsangana,
hitsangana amin’ny andro fahatelo.:,:

298 – Aina no fetra, ry Tompo mpanjaka

1. Aina no fetra, ry Tompo mpanjaka,
Aina no fetra anarahana Anao,
Ka ny faneva tsy maintsy ho zaka
Ny fanompoana tsy maintsy hatao !

Fiv : Indreto izahay hilanja faneva,
Ilay hazo izay nanavotana anay ;
An-tsitrapo no anoloranay tena
Ka tano mba ho Anao izahay !

2. Aina no fetra ho enti-manoa
Ilay Zanak’ondry nisolo anay ;
Fandavan-tena sy fanaovan-tsoa
No fianarana atolotra anay
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…

3. Aina no fetra, ry Tompo malala
Aina no fetran’ny fitiavanay
Ka sanatria izay handao na hiala
Mandrakizay, ho Anao izahay !
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…

4. Aina no fetra, ny nofo anefa
Mora mirona ho lavo indray,
Ka manampia, ry Mpandresy mahefa
O, mba tantano, hazony izahay !
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…

5. Aina no fetra ka ampio, ry Fanahy !
Aina no fetra, vonjeo e, ry Ray !
Aina no fetra, izahay re no sahy ;
Aina no fetra, handresy izahay !
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…

AN 6 – Miderà an’i Jehovah

Miderà, miderà, miderà an’i Jehovah.
Miderà an’i Jehovah, ry firenena rehetra.

:,: Miderà, miderà, miderà Azy, ry olona, ry olona rehetra.
Miderà Azy, ry olona rehetra.
Miderà Azy, ry olona rehetra.
Fa lehibe ny famindrampony amintsika,
Fa lehibe ny famindrampony amintsika.
Ary mandrakizay, ary mandrakizay, ary mandrakizay
ny fahamarinan’i Jehovah.
Haleloia, Haleloia, Haleloia, Haleloia, Haleloia!:,: