AN 4 – Ary maro

:,: Ary maro, ary maro, ary maro
amin’izay matory ao, matory ao, matory ao, matory ao,
amin’ny vovoky ny tany no hifoha, no hifoha, no hifoha.:,:

:,: Ary izay hendry dia hamirapiratra,
ary izay hendry dia hamirapiratra,
ary izay hendry dia hamirapiratra,
toy ny famirapiratry ny lanitra.:,:

:,: Ary izay mamerina ny maro,
ary izay mamerina ny maro,
ho amin’ny fahamrinana,
dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.:,:

Amena.

297 – Ry havanay malala!

1. Ry havanay malala!
Manolo-tena izao.
Fotoana mahafaly
Iraisan-tsika anio;
:,: Faly ‘zahay mandray anao :,:
Hiara-manompo ny Ray,
:,: Jeso anie mandray nao! :,:
Mba ho sakaizany tokoa.

2. Hajao ny fanekena,
Adidinao efao.
Ataovy tsy terena
Izay andraikitrao.
:,: Jereo Jeso ka matokia, :,:
Fa Izy no hiahy anao.
:,: Ka mandrosoa sy mifalia, :,:
Hanefa izay anjaranao.

500 – He! Manda fiarovana

1. He! Manda fiarovana
Andriamanitsika,
Ampinga mahatohana
Izay manjo antsika.
Mamely fatratra,
Satana sompatra,
Mpandoza hatrizay,
Mpamitaka mahay
Tsy manampaharoa.

2. Malemy, tsinontsinona,
Fa mora resy isika;
Fa misy voahasina
Miady ho antsika;
Jesosy re izay,
Ilay iraky ny Ray,
Mpitarika mahay,
Mpamonjy hatrizay
Sy Tompom-pandresena.

3. Na dia ta-handevona
Ireo devoly maro,
Tsy misy atahorana,
Jesosy no Mpiaro.
Ilay rain’ny maizina
Dia nohelohina,
Ka tsy ahoana,
Fa teny tokana
Dia mahalavo azy.

4. Kendreny hofongorana
Ny teny tanantsika,
Kanefa tsy ho foana,
Ny Tompo momba antsika
Na dia ho fongana
Ny laza ananana,
Harena, havana
Tsy mampaninona,
Ny lanitra antsika.

499 – Inona, re, no atakaloko

1. Inona, re, no atakaloko,
An’i Jesosy Izay mpisoloko?
Ny zavatra izay ho simba va sy mora levona.
Raha mbola hazoniko ny To,
Ka tsy maty ny jiro ao am-po,
Jesosy tsy soloako, na inona na inona.

2. Indro, Jesosy no fiainako,
Izy no manda fiarovako;
Izaho efa maty, nefa novelominy indray,
Ka na dia mahantra aza aty,
Ka tsy mbola nafindra ho ary,
Jesosy no anjarako, ka ampy ahy re, izay.

3. O, ry Jesosy Tompo tsara ô!
Aza mamela ny fanahiko
Hisaraka aminao, fa tano aho ho mpanomponao.
Mba velomy ny fitiavako
Ka tohano ny fandehanako,
Mba hanarahako ny lalana izay nalehanao.

296 – Ankehitriny, Jereo, ry Ray!

1. Ankehitriny,
Jereo, ry Ray!
Ny mpivahiny,
Miampy indray;
Ka manomeza hery
Ny fiangonanao,
Mba tsy hiasa irery
Ny olonao.

2. Avia hitahy
Ny olonao;
Ka ny Fanahy
Omeonao;
Ho hery izay handrava
Ny toetra ratsinay,
Ho jiro hanazava
Ny làlana.

3. Ry Tompo tia!
Tarihonao
Hifankatia
Ny olonao,
Mba tsy ho rava intsony
Ny fikambananay,
Hamantana ao ambony
Ny dianay.

498 – Ahy va Jesosy Tompon’aina?

1. Ahy va Jesosy Tompon’aina?
Moa ahy va ny lanitra?
Eny, matokia ry fo sy saina,
Fa eken’Andriamanitra.

2. Eny, zokiko Jesosy Tompo,
Fahagagana lehibe ery,
Tsy antsoiny hoe mpanompo,
Fa ataony tena havany.

3. Toa mila hampisalasala
Io tena fahagagana io
Ary lavin’ny tsy mahalala
Nefa azon’ny finoako

4. O, mba mifalia, ry fanahy,
Fa anao Ilay Mpanavotra!
Ka misaora, aza mba manahy,
Fa ho azonao, ny lanitra.

5. Iombonana ny lova any,
Fa Iray ny Ray an-danitra!
Ka harena be dia be izany,
Hasambarana maharitra.

497 – Ny tany sy ny lanitra tsy manampetra

1. Ny tany sy ny lanitra tsy manampetra
Hiaraka amin’ny mino rehetra,
Manaiky fa Jeso no aina hamonjy
Ny olona ory izay mila vonjy.

2. Na dia manenjika ahy ny ratsy
Tsy lany ny hery, fa Jeso mamatsy,
Dia Izy na tanako mafy tokoa,
Ka tsy ialako fa Tompo Tsitoha.

3. Jesosy sakaizako dia miahy
Ny Azy, ka afaka ny ahiahy,
Ny fo malahelo ovany ho faly,
Ka tretrika indray ireo olo-mijaly.

4. Jesosy fidiko ho Tompo tokoa,
Efaiko ny asa sy hevitra soa,
Izay halan’ny Tompo tsy tiako intsony,
Ka tena iraisako tsara ny fony.

5. Izay tanako mafy sy mamy hambara
Rehefa ho faty, ka ao ny anjara
Jesosy, jesosy irery ihany
No aina, harena tsy mety ho lany.