496 – Jeso iankinako

1. Jeso iankinako,
Izy no Mpanavotro;
Kristy itokiako
Amin-tsaina sy ny fo;
Kristy ifaliako
Izy marina sy to.

2. Nahafoy ny lanitra
Hianao, Mpanavotra;
Raha ny vahoakao
Nobaboin’ny rafinao,
Hianao nangoraka,
Ry Kristy Mpanafaka.

3. Fahoriam-be ery
No nanjo Anao taty,
Fa ny fahavalonao
Dia nanenjika Anao;
Nefa novalianao
Indrafo ny rafinao.

4. He, nijaly Hianao
Noho ny fitiavanao,
Ka ny famindramponao
No nahafatesanao;
Hianao nasandratra,
Fa nijaly fatratra.

5. Saro-bidy izahay,
Fa ny ranao avotray,
Izay nomenao ho anay,
Mba hanafaka anay;
Tonga olom-potsinao
Izahay navotanao.

6. Ravoravo izahay,
Ry Mpamonjy maminay,
Ka ny fanavotanao
An’izao tontolo izao
Sy ny fitiavanao
No isaoranay Anao

495 – Jeso dia tokiko

1. Jeso dia tokiko,
Fa Mpamonjiko mahery
Sady tena Zokiko,
Tsy hamela ahy irery
Ao amorom-pasako,
Fa hiaraka amiko.

2. lzy tenany nandre
Ny hangidin’ny fitàna
Ilay ony mainty be
Vokatry ny fahotàna;
Koa tsy hilaozany
Irery ao ny olony.

3. lzaho hody vovoka,
Fa ny androko ho lany,
Nefa dia hatsangana
Sy hakarina hankany
Amim-boninahitra,
Izay tsy mety tapitra.

4. Dia ho tafatambatra
Ny fanahy sy ny tena,
Ary samy sambatra,
Fa nahazo famonjena,
Izay Jesosy, havako,
Vao ho tena hitako.

5. Izao manjo aty izao
Tsy mba misy ao akory,
Fa finaritra ny ao,
Tapitra ny mampahory,
Ka ny fahalovana
Hody fifaliana.

6. Eto aho reraka,
Any misy hazon’aina;
Vita sy tanteraka
Izay rehetra nantenaina;
Ao no hahatrarako
Ny fahasambarako.

494 – O, ry zanahary

1. O, ry zanahary,
Izay nahary ahy,
Be ny herinao!
Manan-toky aho
Fa tsy maty taho,
Manana Anao;
Afa-po ny zanakao,
Hianao no Ray Mpiahy,
Ka iza no hanahy.

2. Hianao no Raiko,
Tena fototr’aiko,
Sady heriko.
Hianao no aro,
Tsy ho reraka aho,
Tsy ho kivy fo;
Ao ambany elatrao
No ataoko fiereko;
Ao tsy misy sento.

3. Latsaka isan-andro
Toy ny ranonando
Ny fitianao.
Raha alaim-panahy,
Ka manafotra ahy
Re ny otako,
Dia ho tafatsangana
Hanavao ny herin’aiko
Hianao, ry Raiko.

4. Ary raha lany
Toy ny zavon-tany
Ny fiainako,
Misy onin’aina
Tsy mba mety maina
Ao an-danitrao;
Ao hitoerako,
Ao an-tranonao, ry Raiko,
Ao no antenaiko.

295 – Miorena mafy tsara

1. Miorena mafy tsara
Amin’Ilay vatosoa
Mandrosoa, mifahara,
Mifikira mafy koa.
He! Ny Tompo manambara
Fa ho sambatra tokoa,
Ka ho tsara miafara
Ny mpanompo mahasoa.

2. Raha misy fahoriana
‘Zay midona aminao,
Raiso re ho fitahiana
‘Zay omen’ny Tomponao;
Fa ny lalam-pijaliana
‘Zay alehanao izao
Dia mamelom-paniriana
Hitomboan’ny herinao.

3. Miadia ny ady tsara,
Ho mpandresy hianao;
Tontosay izay anjara
Eo am-pelantananao;
Jeso Tompo no mijery
Sy mahita ny atao,
Koa tsy mba hisy very
‘Zay rehetra vitanao.

4. Ry Jesosy! hantajaho
‘Ty mpanolo-tenanao,
Miangavy, mitalaho,
Ka iteneno, Tompo ô!
Aoka re ho tena taho
‘Zay mikambana aminao,
Ka ny foko halalaho,
Diovy ho Tempolinao.

493 – Ny loharanom-pamonjena

1. Ny loharanom-pamonjena
He, hitako tokoa izao,
Dia jeso Kristy Ilay nomena
Hamonjy izao tontolo izao,
Ny rany dia fantatro
Fa ampy hiankinako.

2. Ny otantsika no nanery
Ny Tompontsika hankaty
lsika hitany ho very,
Izany no nidinany
Nitondra fahoriana
Sy hazo-fijaliana.

3. Ny nialan’ny Tompo aina
Hanaisotra ny heloka
Dia tsy mba takatry ny saina,
Fa hitan’ny finoana.
Ny rany no miantso hoe:
He, famindrampo lehibe!

4. lzay no mampionona ahy,
Ka afaka ny tahotro;
Na dia ory ny fanahy,
jesosy no Mpanavotro;
Na misy mampanahy fo,
Ny Raiko dia be indrafo.

5. Na very aza ny harena,
Ka be ny fahoriana,
Izaho mbola manantena
Hahita fifaliana;
Jesosy, Izay fananako,
Dia Tompo feno indrafo.

6. lzaho tsy matoky tena,
Na ny fahamarinako;
Jesosy foto-pamonjena
No tena itokiako.
Ny Raiko no isaorako,
Fa Izy no be indrafo.

7. Izay sitraky ny Ray malala
No aoka mba ho sitrako,
Fa lzy tena mahalala
Hametra izay anjarako;
Izay ataony tiako,
Fa hitako ny indrafo.

8. Izany fototra izany
No toky izay hotanako
Ambara-pitako ho any
An-koatry ny fasako.
Ka any no hisaorako
Ilay Fototry ny indrafo.

492 – Izaho mino ny Mpamorona

1. Izaho mino ny Mpamorona,
Mpanao ny tany sy ny lanitra;
Izaho manam-panorenana,
Fa manan-dRay ary an-danitra.

2. Izaho mino ny Mpanavotra,
Ny rany masina no mamiko,
Ny momba Azy dia sambatra,
Ny diany no mba harahiko.

3. Inoako ny Mpanamasina
Mpananatro sy Masoandroko
Izaho omeny afo masina,
Mba ho madio ny fiainako

491 – Inoantsika marina

1. Inoantsika marina
Ny Mpamorona Tsitoha,
Isika dia natsangana
Mba ho zanany tokoa,
Hanina sahaza omeny,
Ary be ny famonjeny,
Amin’ireo loza maro
Dia Izy no Mpiaro,
Inoantsika ao am-po
Fa izy marina sy to.

2. Jesosy Kristy Zanany
No inoantsika koa;
Isika dia fananany,
Fa navotany tokoa.
Izy Zanak’i Maria,
Dia rahalahy tia;
Maty ka natao, ho very,
Fa nitsangana amin-kery,
Niakatra ao an-dapany
Hitsara ao am-parany.

3. Ka ny Fanahy Masina
No inoantsika koa,
Ny fiangona-masina
No naoriny tokoa;
Ao isika dia mahita
Famonjena efa vita;
Afaka ny helotsika,
Fo vaovao no raisintsika;
Isika dia hatsangana
Ho velona ao an-danitra.

490 – Ry Kristiana, andrandrao

1. Ry Kristiana, andrandrao
Ny Tompo sy Mpanjakanao,
Fa Izy no Mpiaro;
Ka aza taitra hianao,
Na dia manakora izao
Ny fahavalo maro;
Omban’ny Tompo hianao,
Ka aza atahoranao
Ny rahon’ny mpamely.

2. Fa indro tsy rendrehana
Ilay Mpiambi-masina,
Izay Tokin’Israely,
Fantaro, marina izao:
Izay ataon’ny rafinao
Aoka ho azy izany;
Fa andrandrao ny lanitra,
Anao Andriamanitra,
Anao ny fanjakany.

489 – Tena sambatra sy maha-te ho tia

1. Tena sambatra sy maha-te ho tia
Izay masina, madio fisainana
Fa miara-dalana, mifankatia
Amin’Andriamanitra Fiainana.

Fiv : Masina tokoa re ny Tompo.
Tianay mba ho masina
Saina tena sy fanahy
Ka fiainan-danitra tokoa
No santarin’izay
Mino sy manoa.

2. lndro, mampahery, mahatoky koa
Raha mahitsy ny fijery, soa ny fo;
Fa ny fo madio sy masina tokoa:
Paradisa an-tany, feno zava-tsoa.
Masina tokoa, sns…

3. Koa halaviro ny fitaoman-dratsy,
Ny fisaikazana tsy mba masina;
Fa ny tia ny Tompo, dia olon-tsoa mitafy
Fahadiovan’ny Fanahy Masina.
Masina tokoa, sns…

4. Miaraha lalana amin’i jesosy
Fa ny fahavalo ta-hamotraka;
Mijoroa, reseo ny toetra mampihosina
Ao anaty loto sy ny fotaka.
Masina tokoa, sns..