1. Izaho nentina nanatrika
Ny Tompo sy ny fiangonana;
Ny ray sy reny niantoka
Hitaiza sy hitari-dalana.
2. Ka faly aho fa noraisina
Natao batisa mbola zaza re,
Nanaovam-panekena masina
Ho zanaky ny Tompo lehibe.
1. Izaho nentina nanatrika
Ny Tompo sy ny fiangonana;
Ny ray sy reny niantoka
Hitaiza sy hitari-dalana.
2. Ka faly aho fa noraisina
Natao batisa mbola zaza re,
Nanaovam-panekena masina
Ho zanaky ny Tompo lehibe.
1. Izahay natao batisa,
Voarain’ny Tomponay,
Ary efa voaisa
Mba ho zanaky ny Ray;
Voavelany tokoa
ny fahadisoanay
Nefa mbola mora resy
Mora simba izahay.
2. Na ny asa, na ny teny,
Na ny hevitra ao am-po,
Mbola tsy madio ireny,
Ka diovy, Tompo ô!
Mora aminay ny ratsy,
Sarotra aminay ny to;
Mba ampio tsy ho resy
Izahay, ry Tompo ô!
3. Raha mbola aty an-tany
Izahay izay zanakao,
Mba ampio tsy ho lany
Ny finoanay Anao.
Ry Jesosy Tompo soa,
Tano mafy izahay,
Mba ho azonay tokoa
Izay anjara lovanay.
1. Na inona na inona hitranga, Jeso !
Na ny lanitra ho manga, Jeso !
Na ho maloka mangina, Jeso !
Dia ho feno fifaliana, Jeso !
Fiv : Ny fotoana dia handalo, Jeso !
Fa tsy hisy hampimalo, Jeso !
Raha miorina ao am-poko, Jeso !
Ilay fitiavanao inoako, Jeso !
2. Raha jereko ny andro lasa, Jeso !
Tao ny tsiky, tao ny ratra, Jeso !
Nefa Ianao, Ilay Mpampahery, Jeso !
No nambomba sy nijery, Jeso !
Ny fotoana, sns…
3. Ny ho avy antenaiko, Jeso !
Mbola ho fifalian’ny saiko, Jeso !
Ny hasasarako hisava, Jeso !
Ny harivako hazava, Jeso !
Ny fotoana, sns…
1. Fanavaozana izay mahagaga tokoa
Nomen’i Jeso ahy re !
Fahazavan’ny fanahy izay mahafa-po
Nomen’i Jeso ahy re !
Fiv : :,:Hatramin’izao dia endrey :,:
Ny fitempon’ny foko izay ravo tokoa
Onenan’ny Tompo Jeso !
2. Ny fiainako be siasia taloha
Voaova mihitsy izao !
Eny, ny fahotako izay nahavoa
Voasasany koa izao !
Hatramin’izao, sns…
3. Ny finoako, ny fanantenako dia be,
Ny tokiko fatratra koa ;
Ny fisalasalana dia levona re,
Ny saiko mandroso ho soa !
Hatramin’izao, sns…
4. Tonga mamirapiratra fatratra ery
Ny aloky ny faty re !
Ka dia tsinjoko ilay vavahady ary,
Mankao an-tanàn-dehibe !
Hatramin’izao, sns…
5. Tsy miato, mizotra mankany tokoa
Ny diako hatramin’izao ;
Hovantaniko any Ilay Tompo soa,
Jesosy malala no ao !
Hatramin’izao, sns…
1. Tsara re, ny lanitra
Sady mahafinaritra!
Ao ny Rainay be fitia,
Ao ny zaza tsy mania,
:,: Ao ny fifaliam-be.:,:
2. Ondry kely izahay,
Ary tsy mba fantatray
Ny hanio aty an-tany,
Ka maniry mba ho any
:,: Aminao, ry Tomponay:,:
3. Ry Mpiandry Tsara Ô!
Aoka mba hamindra fo
Aminay izay mbola kely
Mba iraho ny anjely
:,: Ho mpiambina anay:,:
1. Efa tonga zana-dRay Tsitoha hianao,
Ry tanora, tamin’ny batisa masina;
Izany no tenin’ny Tompo
2. Koa aza manadino ny batisanao,
Zava-tsoa sarobidy efa azona;
Tamin’ny ranon’aina.
3. Famelana heloka sy fahasoavana
Fanavaozana ny fo sy fiadanana;
Samy nomen’ny Mpamonjy.
4. Dia arahonao Jesosy, fa Mpamonjinao;
Aoka hahafaly Azy ny fiainanao;
Tovy izay Sitrapony!
5. Mivavaha, miambena ao an-dalana!
Misy fahavalo fetsy ta-hamitaka
Ny ondrikelin’ny Tompo
6. Mahatoky ny Mpamonjy, aza kivy fo,
Izy hampionona, raha avy ny manjo;
Azy ny hery rehetra.
7. Ary raha tapitra ny andronao aty
Endrey ny fifalianao rehefa mby ary;
Amin’ny Tompo Jesosy!
1. Tia zaza,
Tia zaza,
Ny Jesosinay!
Lanitra nafoiny,
Zaza notrotroiny
Tia zaza,
Tia zaza
Ny Jesosinay.
2.Trano tsara,
Tany tsara
Namboariny,
Trano be anjely,
Ho anay izay kely,
Trano tsara,
Tany tsara
Namboariny.
3. Voankazo,
Voninkazo,
Tsara fofona,
Tsy halazo intsony
Ao Edena ambony
Voankazo,
Voninkazo,
Tsara fofona.
4. Zazakely
Sy anjely,
Samy sambatra;
Hira no hirainy
Ao an-tranon-dRainy.
Zazakely,
Sy anjely,
Samy sambatra.
5. Seza tsara,
Lamba tsara,
Ho antsika ao;
Hiakanjo lava
Fotsy lalandava.
Seza tsara,
Lamba tsara,
Ho antsika ao.
6. Ento mora,
Ento mody,
Jeso, izahay,
Ho an-tranon-dRainao,
Fa ao no tranonay
Ento mora,
Ento mody,
Jeso, izahay.
1. Ry Jeso Zokinay ô!
Jeso malalanay,
Henoy ny vavakay izao;
Fa zandrinao izahay.
2. Batisa no nandio
Anay ho zandrinao,
Ka dia mba tahio
Hanaraka Anao,
3. Ry zokinay malala,
Arovy izahay
Fa be ny manadala,
Manimba ny fonay.
4. Ry Zokinay malala,
Trotroy ny zandrinao,
Rehefa mba hiala
Ho any aminao.
1. O, rankizy izay mivory,
Mba derao ny Tompo soa,
Ka ny fonao atolory,
Ny fanahy tena koa.
:,:Mba venteso re ny hira,
Ka derao ny Tomponao.:,:
2. O, Ry Tompo be fitia,
Mba henoy ny zanakao;
Fa miantso hoe, Avia!
Mànatreha anay izao !
:,:Izay hataonay re tahio
Ho madio sy masina:,:
3. Mba tolory fahendrena
lzahay madinikao,
Ka omeo ny famonjena
Hifikirana aminao,
:,: O, tarihonao ny dia
Hahitana Anao, ry ray! :,:
4. He ny fonay manontolo,
Izay mangetaheta re,
Dia atolotray daholo,
Aza dia lavina e!
:,:Mba onenonao ny fonay
Ho Anao mandrakizay! :,:
1. Tompo, manampia ny mpianatrao,
Ary mitahia ny madinikao,
Mba ho tonga zaza sitrakao izahay
Zaza mankalaza ny Mpanavotray.
2. Maminay tokoa ny anaranao,
Sambatra avokoa re ny havanao;
Manana anjara any Aminao,
Ry Mparnonjy tsara, ny madinikao.