485 – Moa Jesosy ve tsy ahy?

1. Moa Jesosy ve tsy ahy?
Andriamanitra mahery
Koa nahoana no hanahy
Izy miambina, mijery.
Fahavalo na dia maro
Tsy mba mahakasika ahy
Izy no ampinga miaro,
Koa izaho tsy hanahy.

2. Moa Jesosy ve tsy ahy?
Ilay Mpanolotsaina hendry
Koa tsy kivy fa ho sahy
Amin-java-tsoa kinendry.
Tsy manaonao foana
Fa tarihin-Kapiteny.
Tsy manahy satria nahoana?
Ao ny saina izay nomeny.

3. Moa Jesosy ve tsy ahy?
Ilay Jesosy mahagaga.
Mpanasitrana, Mpitahy
Ka ahoako izay hitranga?
Ranomasina aza tao,
Nampangininy ka tony;
Hainy mihitsy ny manao
Hahato ny sitrapony.

4. Moa Jesosy ve tsy ahy?
Rain’ ny mandrakizay, eny!
Velon-toky ny fanahy
Izay nekeny, novonjeny,
Koa na ory sy mijaly
Aza aho ety an-tany,
Vetivety dia hifaly :
Mampaninona izany?

5. Moa Jesosy ve tsy ahy?
Ilay Andriampiadanantsika.
Andriamanitra Mpiahy,
Fitahiana feno hika.
Famonjena efa vita
Hofikiriko hatrany,
Fahasoavana hampita,
Any am-paradisa any.

484 – Ireo didinao, Jehovah Ray

1. Ireo didinao, Jehovah Ray;
Izay tianao hankatoavinay
Dia rehareha sy voninahitra,
Satria filamatry ny ao an-danitra.
Ilaina mba hiseho, fa tsy hiery,
Ho fisintonana ireo izay very;
Fa antoky ny fiainanay,
Hatramin’ izao, mandrakizay.

2. Ny fitsipikao, Tomponay
Izay nomenao mba harahinay,
Dia mampifantina izay anjara soa
Ka manamboatra sy manatsara,
Mampisy endrika itony tena
Sy manazava ny firenena,
Ka antoky ny fiainanay,
Hatramin’ izao, mandrakizay.

3. Ireo teninao, Jesosinay
No hany zavatra ivelomanay,
Fa tanjaka tokoa, tena hery be
Hahafahanay ny lalana mideza re,
Sakafo mahavelona ny aina,
Sy mampiravo tokoa ny saina,
Tena antoky ny fiainanay,
Hatramin’ izao, mandrakizay.

20 – Tsaroanay tokoa izao

1. Tsaroanay tokoa izao
Ny soa be noraisinay
Tsy tapaka avy taminao,
Ry Andriananaharinay !

2. Ny lasa itodihana
Dia mampiseho avokoa
Ny tanam-pitiavana
Miahy sady manasoa !

3. He koa ‘ty andronay ity
Izay diavinay izao,
Dia voahodidina ery
Ny fitahiana aminao !

4. Dia tokinay tokoa izay
Fa mbola ho arovanao
Anio, ampitso, rahatrizay,
Izay miankina Aminao !

5. Ka dia mba velomy re
Aty anatinay ny fo
Hahay misaotra Anao anie,
Ry Rainay be famindram-po !

19 – Misaotra Anao zahay izao

1. Misaotra Anao zahay izao
Jehovah Ray!
Fa efa notohizanao
Ny andronay,
Ka tonga aty an-tranonao,
Indray zahay.

2. Misaotra Anao ‘zahay izao,
Ry Mpanome!
Ny soa avy aminao
Tsy lany re,
Fa isan-andro misy vao,
Ka maro be.

3. Misaotra Anao’zahay izao,
Ry Rainay soa!
Ny helokay navelanao,
Nefa iza moa
No mahalaza izay natao?
Fa be tokoa.

4. Misaotra Anao’zahay izao,
Ry mora fo!
Ny mafy tsy sakananao
Tsy mba hanjo,
Fa be ny fanirianao
Anay hadio.

5. Misaotra Anao’zahay izao,
Ry Tomponay!
Ao aminao an-danitra ao
Honenanay,
Fa misy fitsaharana ao
Mandrakizay.

18 – Ny feonay rehetra izao

1. Ny feonay rehetra izao
Dia entinay midera Anao,
Ry Andriananaharinay !
Na ambany aza izahay,.
:,: Dia tianao,:,:
Ry Andriananaharinay !

2. Ny andronay rehetra izao
Dia entinay manoa Anao,
Ry Tompo sy Mpanjakanay !
Satria izao dia fantatray
:,: Fa tianao :,:
Ry Tompo sy Mpanjakanay !

3. Ny hevitray rehetra izao
Dia enti-mankalaza Anao
Ry Tompo mpanasoa anay !
Mpitahy ny fanahinay,
:,: Fa tianao.:,:
Ry Tompo mpanasoa anay !

4. Ny herinay rehetra izao
No iasanay ho Anao,
Ry aronay sy tanjakay !
Miezaka tokoa izahay
:,: Fa tianao :,:
Ry Aronay sy Tanjakay !

5. Rehefa halainao izahay
Ka tapitra ny andronay,
Hamantana any aminao
Izahay ary an-danitrao !
:,: Fa tianao :,:
Hamantana any Aminao !

483 – Zanahariko Tsitoha

1. Zanahariko Tsitoha,
Tompo, Hery sy Fitia,
Ray hatramin’ ny taloha,
Ahy anio, ka ho doria.
Manjaka mandrakizay
Ao am-poko, Tompo soa;
Dera, laza, Anao ry Ray !
Zanaka, Fanahy koa.

2. Ny finoako Anao,
Hatanjaho, mba hamoa
Hiasako ny asanao,
Hamafazako ny voa.
Aoka ny Fanahinao
Jiro mba hitarika ahy
Ka apetrako aminao
Na ny tena na fanahy.

3. Antenaiko, Hianao, Jeso
Izay Mpitsara lehibe
Hanamarina ahy ao,
Na mpanota aza re.
Dia hiezaka aho ety
Mba hanao izay mendrika
Hamindranao fo ary
Fa voavela heloka.

4. Ray ô, ny fitiavanao
Afindrao ho toetrako,
Mba hitiavako Anao,
Ary koa ny namako.
Ho mpanompo aho re!
Ho mpitory koa Anao!
Mba hanjaka an-tany e,
Tompo, ny fitiavanao.

17 – Haja sy voninahitra

1. Haja sy voninahitra
Omena an’Andriamanitra,
Fa Izy ihany no mahefa
:,:Izay s it raky ny font’:,:

2. Masina, tsy azo haratsiana;
Mahery, tsy azo resena;
Marina, tsy azo laingaina;
Hendry tsy azo fitahina

3. Ny am-po toy ny am-bava;
Ny maizina toy ny mazava;
Ny takona toy ny miseho;
:,: Tsy misy àry tsy hitany.:,:

4.Tsy miova ny fombany;
Lehibe ka tsy oharina;
Tia, tsy azo arovana;
:,: Miantra tsy azo ferana :,:

5.Saotra amam-bavaka atao
Dera sy laza ho azy;
Izy no ivavahana,
:,: Fa anton’izao tontolo izao :,:

482 – Jehovah ô! Hianao

1. Jehovah ô! Hianao nandinika ahy,
Ka fantatrao ny toe-piainako;
Ny fo sy saina mbamin’ny fanahy
Tsy miafina aminao, ry Tompoko!

2. Ka na mipetraka aho, na mandeha,
Izay rehetra ataoko hitanao,
He, fantatrao ny lalana haleha,
Ny androko dia eo an-tananao.

3. Na velona aho, eny, maty aza,
Ny tenako dia eo imasonao,
Ka toerana aiza, lalana mankaiza
No hialako tsy ho hitanao?

4. Ry Tompo! tena mahagaga loatra
Ny asanao sy ny fisainanao ;
Tsy misy saina mety mahatratra
Ny fahendrenao sy ny herinao.

5. Izao no hany zavatra iriko :
Velaro indrindra ny fitiavanao,
Hahaizako hametraka ny foko
Hionona eo am-pela-tananao

16 – Avia, ry vazantany ô!

1. Avia, ry vazantany ô!
Sy mponina ao an-danitra
Miraisa feo ka mihirà
Ny fanavotan-dehibe,
:,:Zay amonjena marobe
Dia vita re ka miderà.:,:

2. Avia, ry fiangonana ô!
Mba asandrato re ny feo
Hidera ny Mpanavotra;
Na aty an’efitra aza izao,
:,: Hirao am-pandehanana
Ny hira soan’i Ziona :,:

3. Avia, ry voavonjy ô!
Ka mifalia avokoa,
Fa afa-doza hianareo;
Miraisa feo ka mihirà
:,: Derao, derao fa mendrika
Ilay nanavotra anareo :,:

4. Avia, ry olom-bery ô!
Izay mandre ny teny soa
Hoe: « Manatòna Ahy ‘zao »;
Anio ny Tompo mba fidio
:,: Ny fitiavany valio;
Ny fiderany koa hirao :,:

399 – Ny sento ajanony, ry malahelo ô!

1. Ny sento ajanony,
Ry malahelo ô!
Ka aza misy intsony
Izay hamoy fo!
Fa indro ny Mpamonjy
Dia ao anilanao,
Ka tonga mba hamonjy
Sy hitondra anao.

2. Jesosy no nitory
Ny teny soa re,
Ny rera-po sy ory
Antsoiny mba handre;
Minoa fa ny ota
Dia voavelany,
Sakaizan’ny mpanota
No anarany.

3. Miposaka ny taona
Ankasitrahana,
Ka be ny voataona
Am-pitiavana.
Hevero, ry mahantra,
Izay anjaranao!
Jesosy be fiantra
No Mpamonjinao