481 – Ry Tompo be fitia !

1. Ry Tompo be fitia!
Izaho zanakao
Tantano tsy hania
Hiaraka aminao;
Fa mamiko tokoa
Ny eo akaikinao;
Tsy orin-java-tsoa,
Izay sakaizanao.

2. Harena be an-tany
Mamilivily fo,
Fa tiana mora lany
Ka tsy mampionom-po;
Izany aniriako
Hifikitra aminao;
Atolotro ny foko
Ho eo an-tananao.

3. Fa raha izaho irery
Voasakan-tsitrapo,
Mandeha manirery,
Ka maro no manjo ;
Izany no ilàko
Hiaraka aminao,
Vimbino aho, Raiko!
Ho eo an-tananao.

4. Tsy hitako mihitsy
Izay mahafa-po,
Tsy misy ety akory
Izay tsy mety lo;
Fa ao am-paradisa
No feno zava-tsoa,
Tsy mahadisadisa,
Fa sambatra tokoa.

15 – Avia hankalaza

1. Avia hankalaza
Ny Tompo lehibe;
Fa feno hery, haja
Jehovah Masina e
Andeha mitambara,
Ry vazan-tany o!
Miankohofa tsara
Hanaja Azy izao!

2. Ry Tomponay Tsitoha,
Indreto izahay,
Manondrika ny loha,
Midera Anao, ry Ray,
Ny fonay sy ny hery,
Fanahy, saina koa,
Omena Anao irery,
Ka anjakao tokoa.

3. Mpanjaka tena hendry
Hianao, ry Tomponay
Ka tena mahakendry
Izay hahasoa anay;
Na misy toa mangidy
Ny fitondranao, soa,
Ny saina sy safidy
Manaiky anao tokoa.

4. Manerana ny tany
lzao ny lazanao,
Ka be tsy hita lany
Ny voninahitrao;
Koa hira fiderana
Ventesinay izao:
Haleloia, Hosana!
Mba raiso ho Anao.

398 – Iza no hiara-dia

1. Iza no hiara-dia
Ho ary an-danitra,
Ka hanaiky sy ho tia
An’Andriamanitra?
Ry mikatsaka ny To,
Atolorinao, ny fo;
Izao tontolo izao, ario,
Ka ny lanitra fidio.

2. Sao ho lany amin’ota
Ny anjara andronao,
Ka ny helo valin’ota
No hanjary lovanao;
Miovà re hatrizao,
Miverena hianao:
Tadiavonao tokoa
Ny Mpamonjy Tompo soa.

3. Mba avia, mianara
Izay fitondrantena vao
Mikeleza aina tsara,
Ka reseo ny nofonao,
Aza mba mamindra fo
Amin-dratsy ao am-po,
Fa ongoty avokoa
Izay misakana ny soa.

4. Tsy mba misy lalan-kafa
Hiakaranao, ho ao,
Koa andeha manahafa
Ny nataon’ny Tomponao.
Tsy mba mahavonjy anie
Ny fahaizan-dehibe;
Raha ny nofo no hajaina,
Dia ho very re ny aina.

5. Dia ny lanitra katsaho
Ho anjara lovanao;
Ny Mpamonjy angataho
Ho mpitarika anao,
Fa izay mpianany
Dia hotantanany,
Iza no hiara-dia?
Mitsangàna ka avia!

397 – Ry olona mbola tamana amin-dratsy

1. Ry olona mbola tamana amin-dratsy,
Hevero ny loza hihatra aminao,
Fa indro satana zay lohan’ny ratsy
Mandefa tsipika hamono anao,
Kanefa ny Tompo, Izay Zanahary,
No tonga hamonjy, fa tsy manary;
Avia, ry olo-mahantra, hihary
Ny tena harena tsy mety ho lo.

2. Jesosy mamoha anao, ry matory,
Fa Izy maniry hitarika anao.
Ilaozy ny ota, fa he, mampahory,
Henoy ny feo miantso anao!
Jereo ilay kintana, Izay tsy ho rava,
Fa indro ny aizina dia hisava,
Araho Jesosy, fa tena mazava
Izay hanazava tokoa anao.

3. Ny Tompo mamelona ny efa maty,
Ka aoka hitsangana re hianao!
Fadio tokoa izay mahafaty,
Katsaho indrindra ny aina vaovao!
Jesosy Mpamonjy no mba itafio,
Ka dia tandremo fa lamba madio!
Ry olo-mahantra, mba raiso anio
Jesosy, Izay mahavonjy anao.

4. Jesosy Mpamonjy mitondra ny teny
Izay hahavelona mandrakizay;
Ka dia henoy ny toky nomeny,
Ry olo-maniry ho amin’ny Ray!
Faingàna tokoa, ry efa mifoha
Fa indro ny lanitra efa mivoha,
Ka faly indrindra ny Tompo Tsitoha
Hitsena ny zanany velona indray.

396 – Aizan’ny lanitra hianao

1. Aizan’ny lanitra hianao,
Ry zanak’olona ô?
Moa mba efa miditra ao,
Sa ao ivelany?

2. Lapan’Andriamanitra ao,
Koa tsy misy mankao
Afa-tsy izay mandray fo vaovao:
Olona masina.

3. Any ny masina marobe
Velona mandrakizay,
Ka fiderana tsara no re
Eran’ny lanitra.

4. Tapitra irina izay tonga ao:
Sambatra mandrakizay;
Any ny Paradisa vaovao,
Izay hiadanana.

5. Aizan’ny lanitra hianao,
Ry zanak’olona ô?
O, mba hevero izay toetrao
Mbamin’ny asanao!

395 – Modia, modia, ô, ry mpanota ô!

1. Modia, modia, ô, ry mpanota ô!
Tsy mba hitsangana va
Mba hiadananao?
Tsy handosiranao va
Izao fomba ratsy izao?
Indro mitady anao
Andriamanitra,
:,: Ka ta hampiditra anao
Any an-danitra:,:
Moa tsy tianao va
Ny mba ho velona?
Koa dia aza manda
Azy Mpamelona anao
Jeso miantso anao,
Ka mba henoinao,
:,: Raiso ny teniny izao,
Mba hamonjena anao.:,:

Fiv : O, ry mpanota, miovà
:,:Fa ho sambatra tokoa,
Raha mody hianao.:,:

2. Modia, modia, ô, ry mpanota ô!
Tsy mbola azonao va
Ny fiantsoany?
Sa hianao ta-handà
Ny fitiavany?
Mba mankanesa aty,
Indro mivoha izao
:,: Tranon’ny Rainao ery,
Ka mba idironao:,:
O, mba modia hianao,
Sao dia ho neninao,
Sao dia handatsa anao
Ny fikirizanao;
Koa katsaho izao
Ny voninahitra
:,: Efa miandry anao
Any an-danitra:,:
O, ry mpanota, sns…

394 – O! avia ry mpanota

1. O! avia, ry mpanota!
O! avia hianao,
Fa miandry Kristy Tompo,
Mba handray anao izao:

Fiv : :,:Manatona, manatona,
Manatona Azy ‘zao:,:.

2. O, avia, ry mahantra!
Ho finaritra izao,
Fa akaiky ny Mpiantra
Hampifaly fo anao:
Manatona, sns…

3. O, avia, ry malemy!
Aza kivy hianao,
Fa ny vavakao ho ren’i
Jeso Kristy herinao:
Manatona, sns…

4. O, avia sao ho very,
Ditra mba esorinao;
Ny mpamonjy no mijery
Sady ta-handray anao:
Manatona, sns…

365 – He, ry mpanota ana, sasatra

1. He, ry mpanota ana, sasatra
Mitondra fahoriana lehibe :
Jeso mpanavotr’olo-meloka
No mahavonjy ny fanahinao !

Fiv : Matokia ny Mpamela helokao,
Aza kivy, tsy ho faty ianao !
:,:Matokia re:,:
Matokia, Jeso tsy handao anao !

2. Indro ny fitiavan-dehibe !
Ny ainy tsy nataony ho zavatra
Hamonjy ny mpanota meloka
Sy manana entana mavesatra !
Matokia, sns…

3. Mba mahareta, Jeso aminao,
Ny tanany mahery hiambina,
Aza malaky resin-tahotra
Fa Izy tsy hiala aminao !
Matokia, sns…

14 – O ry tany rehetra, avia izao

1. O ry tany rehetra, avia izao
Hidera ny Tompo Mpanavotra anao
Ny Tompo miantso antsika hankao
Anatrehany mba hohasoaviny ao !

Fiv : Dera, laza anie, voninahi-dehibe
Ho Anao, ry Tomponay Tsitoha o ! Amen

2. He, Jehovah miantra antsika izao
Ka dia manolotra antsika indray
Ny endriny mbamin’ny aina vaovao ;
Eny, Izy manaiky tokoa ho Ray !
Dera, laza, sns…

3. Asandrato ny feo hihoby hoe :
Isaorana mandrakizay Ianao,
Ry Tompo mahery Izay manome
Ho anay olom-bery ny aina vaovao !
Dera, laza, sns…

364 – Ry mpanota! Ry mpanota!

1. Ry mpanota! Ry mpanota!
Raiso Jeso Tomponao,
Aza mba misalasala,
Manatòna Azy ‘zao
Ka ekeo ny feon’i Jeso
‘Zay nifona ho anao;
Teo ambony hazo avo
Maty Izy ho anao.

2. lndro Jeso, ry mpanota!
Faly hohatoninao,
Sady Tompo tsy mandatsa,
Fa mamindra fo tokoa,
Ka miteny moramora
Ta-hamela heloka;
Manatòna, ry mpanota!
Mba handray ny avotrao.

3. Ry mpanota! Ry mpanota!
Misy vonjy ho anao,
Ka toneo ny alahelo
Mampahory fo anao;
Aza mety resin’ota,
Fa jereo ny Tomponao;
Izy no handresy tsara
‘Zay miady aminao.

4. Hianao tsy manan-toky
Ho mpamela heloka,
Afa-tsy ny Tompo Jeso,
‘Lay nanavotra aina anao;
Ka aza mba misalasala,
Ry mpanota very ô!
Fa azonao ny lova tsara;
Raiso jeso Tomponao.