Fanahy Mpanazava anay!
Midina eto aminay,
Tarihonay ny sainay;
Ny alahelonay savao,
Ny toetray havaozinao,
Velomy re ny ainay.
Sento renao
Mba valio ka tahio
Ny mahantra
Ry Fanahin’ny Mpiantra!
Catégorie : FFPM
183 – Midina, ry Fanahy ô!
1. Midina, ry Fanahy o,
Midira ao anaty fo !
Ampio ny mihafy,
Fa Ianao no mpanome
Ny to sy fahazavana be ;
Na vavanay sokafy
Izao hanao
Saotra tsara hanambara
Ny Mpamonjy !
Fa satria voavonjy
2. Ka raha re ny Teninao
Dia mba avia, hazavao
Ny hevitry ny Teny,
Mba ambaraonao aminay
Ny fomban’ny Mpanavotray !
Lazao ny famonjeny
Izahay izay
Vory eto, andreheto
Jiron’aina
Hialàn’ny haizin-tsaina !
3. Ny maizina onenanay,
Tsy mety afaka aminay
Ka tena mahavery,
Raha Ianao tsy tonga izao
Mitondra filazam-baovao
Sy toky mampahery !
Ovay izahay,
Hamasino ny te hino,
Ampidiro
Eto aminay ny Jiro !
4. Mba hafanao re izahay,
Ampio hitiavanay
Indrindra ny Mpamonjy !
Ny rany mba ho avotray,
Ny didiny harahinay,
Hanananay ny vonjy,
Jeso, Jeso
No torio sy bitsiho
Ao an-tsainay,
Mba hamelona ny ainay !
182 – Ny Pentekosta tonga izao
1. Ny Pentekosta tonga izao;
Fanahy o, ny jironao
Velomy ao anatiko,
Hahafantarako ny to.
2. Ampisehoy, Fanahy o!
Fa Jeso no fiainako,
Ka Izy dia lalana
Ho amin’ny fiainana.
3. Dia mba tarihonao ny fo,
Tohano ny fanahiko,
Ampio ny finoako
Hahita ny mpanavotro.
4. Fa Hianao, Fanahy o!
Hanova ny fanahiko,
Ka raiso sy diovinao
Ny foko ho fonenanao.
5. Ny hazo-fijaliana
Anjara hivesarana,
Fa Hianao, dy Heriko,
Mba miaraha amiko.
6. Mba asehoy ho fantatra
Ny soa tsy ho tapitra,
Ny satro-boninahitra
Homen’Andriamanitra.
7. O, ry Fanahy Masina o!
Ampaherezonao ny fo,
Ka hazavao ny lalako,
Raha avy ny hodiako.
181 – Fanahy Mpanazava
1. Fanahy Mpanazava,
Ny foko hazavao,
Maniry lalandava
Ny Pentekositrao.
Ny aizina ao am-poko,
Fongàny re ho lao;
Ny foko mitoloko,
Maniry indrindra Anao.
2. Fanahy Mpanadio,
Ny foko mba sasao,
Diovy re anio
Ho ena lapanao;
Ny hevitra misoko
‘Zay te-handroaka Anao,
Dia ota te-hijoko,
Esory sy fafao.
3. Fanahy, Mampahery
‘Zay reraka sy voa,
Ny foko re dia tery
Hiantoraka Aminao,
Izay mandrebireby,
Roahy re izao,
Ny fo mitebiteby,
Hiondana Aminao. Amena.
280 – Ry Tompom-boninahitra
1. Ry Tompom-boninahitra
Jereonao izao
Ireto izay milahatra
Ho tena irakao
Ny fanasana fatratra
Omaninao izao
Ilà-mpitondra hafatra
Hamory izay hankao
2. Hitety sampan-dalana
Sy vohitra izahay
Hanetra fisakanana
Sy ady mahamay
Ka aoka hotafiana
Ny fiadianao
Fa tena fanafihana
Izay hatao izao
3. O, re Fanahy Masina
Monena aminay!
Ka aoka ho tanasina
Tokoa izahay
Fihino tsy hihemotra
Ataovy irakao
Manefa zava-tsarotra
Ho voninahitrao
4. Ry Tompom-boninahitra
Ny voninahitrao
No aoka mba hitaratra
An-tavanay izao
Ka raha ao an-danitra
Fomena-masinao
Dia mainka vao hamiratra
Ho voninahitrao
71 – Mihainoa, mihainoa
1. Mihainoa, mihainoa
Ny feon’anjely sambatra
Milaza fa vao teraka
Ny Zanak’Andriamanitra !
Mihainoa izao !
2. Mifalia, mifalia
Ry zanak’olombelona
Fa tonga Ilay Mpanavotra
Antsika izay nifatotra !
Mifalia izao !
3. Mba omeo, mba omeo
Ny fonao fa angatahiny !
Ny tenany natolony
Anao izay malalany !
Mba omeo izao !
4. Matokia, matokia
Ka manaraha Azy izao,
Ilay Mpamonjy be fitia
Nanetry tena ho anao !
Matokia izao !
279 – Raisonao, ry Tompo soa
1. Raisonao, ry Tompo soa
Izato asan-tananay
Fa nomenao avokoa
Izay rehetra anananay
Simba izahay rehetra
Sady very hatrizay
Nefa soa tsy misy fetra
No navalinao anay
2. Hianao nanetry tena
Tsy nitandro henatra
Be fiantra ka onena
Ny tra-pahoriana
Mba tsarovanay izany
Koa dia tahafinay
Nefa fiasana ihany
Ao an-tananao izahay
3. Arosoy sy ampitaro
Aminay ny teninao
Hazavao ny olo-maro
Izay tsy mahalala Anao!
Ny misaona mba vangio
Ny kamboty inatrao
Izahay izay taonga anio
Mba ataovy irakao
4. Eny, ry Mpamonjy tsara
Amboary izahay
Mba ho tonga mpanambara
Ny fitianao anay
Ary dia mba tahio
Izato fikambananay
Hafanao, ampirisiho
Hamasino izahay
70 – Iza moa io Zazakely
1. Iza moa io Zazakely
:,: Ao Betlehema :,:
Ankalazain’ny anjely
Misasaka alim-be ?
Injao mihira avokoa
Ny mponina ao an-danitra,
Ka iza re io Zaza soa ?
Moa Zanak’Andriamanitra ?
Fiv : Io no Mpanjaka voatendry
Sady mahery no hendry,
:,: Zanak’Andriamanitsika
Koa hobio sy ifalio ! :,:
2. Izy no Jeso Mpanjaka
:,: Ka mihobia! :,:
Izy mamory sy maka,
Avia, mihobia !
Omeo voninahitra
Ka mitehafa tanana ;
Hobio ry tendrombohitra
Sy lohasaha mavana !
Io no Mpanjaka voatendry sns…
3. Izy no Tompo nahary
:,: Ka maneke :,:
Zanaky ny Zanahary
Ka dia maneke !
Ry hazo ao an’ala ô,
Samia re manandra-peo !
Ry voninkazo tsara ô,
Atero fofo-manitra !
Io no Mpanjaka voatendry sns…
4. Efitra sy tany foana,
:,: O mihirà !; :,:
Lemaka ary havoana
Falia, mihirà !
Ry ranomasin-dehibe,
Ry voron-kely tsara feo
Izao rehetra marobe
Avia mankalaza re !
Io no Mpanjaka voatendry sns…
69 – Zaza Masina sy soa
1. Zaza Masina sy soa,
Nefa ory Hianao,
Ka nanetry tena koa,
Sy nandao ny lapanao.
2. Teraka ory sy nahantra,
Trano tsy nandrianao,
Fa tsy nisy ‘zay niantra,
Be ny fahorianao.
3. Fihinanam-bilon’omby
No natao fandrianao,
Fa ny trano be tsy omby,
Nisy olo-maro tao.
4. Nofonosin-damban-jaza,
Tonga zazabodo re,
Nefa Tompo manan-daza
Sy Mpanjaka lehibe.
5. Efa halan’olo-maro,
Nefa kosa tiako;
Dia avia, ry Mpamonjy!
Honina ato amiko.
278 – Mba ampio, ry Tompo soa
1. Mba ampio, ry Tompo soa
Izahay navotanao
Fa mikasa mba hanoa
Sy hanaraka Anao
Fiv : Hitanao, fa kely hery
Izahay mpanomponao
Tsy hefa raha irery
Koa mba tarihonao
2. Izahay manolo-tena
Mba hiasa ho Anao
Ka maniry, manantena
Fa hanampy Hianao
Hitanao fa kely hery, sns…
3. Tianay hiara-dia
Aminao rahatrizay
Ka tantano tsy hania
Amin’ny alehanay
Hitanao fa kely hery, sns…