1. Ny andro efa lany,
Mangina izao ny tany
Miala sasatra:
Heveronao ry saina,
Fa mendrika ho deraina
Ny Raiko ao an-danitra.
2. Na maty masoandro,
Ka alina ny andro,
Tsy mampaninona,
Fa Jeso, Izay Sakaiza,
Dia ao fa tsy mankaiza,
Ho tena Masoandroko.
3. Hatory izao ny maso;
Ry Tompo, mba andraso
Ny ondrikelinao;
Ny tena sy fanahy
Sy izay rehetra ahy
Atolatro harovanao.