747 – Haleloia! Sambasamba!

1. Haleloia! Sambasamba!
Hitanay ny taom-baovao;
Avy izahay, Jehovah!
Mba hifaly aminao:
Fihirana no atao,
Saotra vavaka
No atolotray Anao,
Ry Mpamelona!

Fiv : Haleloia! Sambasamba!
Faly izahay izao;
Haleloia! Sambasamba!
Hitanay ny taom-baovao.

2. Lasana ny andro maro,
Be ny zavatra natao,
Na ny mety, na ny diso,
Samy efa fantatrao;
Aoka anie ny tsininay
Hovonoinao,
Fa ny mety vitanay
Mba haharitra:
Haleloia, sns…

3. Ka ny taom-baovao, Jehovah!
Aoka hanomezanao
Fahendrena ny mpitondra,
Hahasoa ny olonao;
Ka ny Fiangonana
Hamasinonao
Mba handroso marina
Hahalala Anao:
Haleloia, sns…

4. Mitsingerina ny taona,
Fohy andro izahay,
Vetivety dia hihaona
Aminao, ry Tomponay!
Enga ka ho hitanay
Ao an-danitra
Ny Sabata tsara izay
Tsy ho tapitra:
Haleloia, sns…