163 – He Jesosy Tokintsika

1. He, Jesosy tokintsika
Tompon’ny fiainana,
Tonga eto amintsika
Olon-kovangiana !
Izy no hitory teny
Soa, mahavelona !
Fa ny ainy no nomeny
Mba ho solovoina.

2. Andrandraonao ka andraso
Ny Mazava lehibe !
Dia Ilay tsy hita maso,
Mpanazava, Mpanome !
Fa ny ainao dia ho very
Raha tsy arahinao
Ilay Mpanjaka manan-kery,
Izay nanavotra anao !

3. Eto afovoantsika
Ilay Mazava tokana !
Sambatra izay mahita Azy
Fa ho velona !
Ry Jesosy, iresaho
Izahay mpianatrao !
Hafanao sy hatanjaho
Ny finoanay Anao !