1. Efa velona ny Tompo
Fa nitsangana tokoa;
Resiny ny fahavalo,
‘Lay mpihaza aina soa;
:,: Velona ny Tomponao,
Resiny ny rafinao. :,:
2. Matokia, ry mpanota,
An’i jeso Avotrao,
Fa ny ota nahadiso
Afaka tokoa izao;
:,: Velona ny Tomponao,
Afany ny helokao. :,:
3. Eny, fa nitsangana ela
Jeso Kristy Tomponao,
Ka namoha vavahady
Any mba hidiranao;
:,: Velona ny Tomponao,
Ka efa nialoha anao. :,: