820 – Jeso Kristy Tomponay

1. Jeso Kristy Tomponay,
Zanaka malalan-dRay,
No naetry ho anay;
Mamonje anay anie.

2. He! ny fahatsoranao
Sy ny hadiovanao
Tsy mpanota Hianao;
Mamonje anay anie.

3. Hianao no marina,
Mora fo sy masina,
Ary tsy mialona;
Mamonje anay anie.

4. Tsy niala sasatra,
Tsy nandà ny sarotra,
Fa nitondra henatra.
Mamonje anay anie.

5. Heloka, tsy rariny;
Hianao najaliny
Tao an-tampon’i Kalvary;
Mamonje anay anie.

6. Lasanao ny helokay
Raha mibebaka izahay
Tsy manao ny sitrakay
Mamonje anay anie.

7. He! ny fitsangananao,
Resy ny fahavalonao
Tamim-boninahitrao,
Mamonje anay anie.

8. Hianao, ry jeso ô!
Anateranay izao
Saotra izay anjaranao;
Mamonje anay anie.

9. Fo, fanahy, tena koa,
Ho anao mba hahasoa
Izay rehetra tia tokoa;
Mamonje anay anie.