637 – Mahareta, mahareta,

1. Mahareta, mahareta,
Ry mpihazakazaka ô!
Be ny zava-mahalavo,
Aza kivy hianao.

2. Mahareta, mahareta,
Ry mpihazakazaka ô!
Mahavesatra ny ota,
Aoka re harianao

3. Mahareta, mahareta,
Ry mpihazakazaka ô!
Lavi-dalana haleha,
‘Ndrao tsy tonga hianao.

4. Mahareta, mahareta,
Ry mpihazakazaka ô
Indreo ny maso izay mijery,
Tazany ny dianao.

5. Mahareta, mahareta,
Ry mpihazakazaka ô!
Ao ny Tomponao miandry,
Izy no jereonao.