1. Ry Kapiteny, be ny ady manjo,
Mila ho reraka sy kivy ny fo,
Ka hatanjaho mba hatoky Anao,
Tompo ô! Avia mamonjy ahy izao.
Fiv : « Eny, Izaho mamonjy anao,
Ka mampahery sy miaro anao;
Aza matahotra mihitsy hianao,
Fa Izaho momba sy manampy anao. »
2. Ny fahavaloko aty mba reseo,
Ka taomy aho mba handray rahateo
Ny fiadiana avy aminao;
Tompo ô! Vimbino aho, aza mandao:
« Eny, Izaho, sns…
3. Lasa tokoa re ny tahotro teo,
Ka na mamely ahy aza ireo,
Tsy mba manahy intsony aho izao,
Fa mamonjy sady tsy mandao Hianao:
« Eny, Izaho, sns…
4. Fa ny mpiady maharesy aty
no hosatroham-boninahitra ary;
Maro, no efa tonga ao, Aminao,
Tompo ô! Avia hitarika ahy hankao:
« Eny, Izaho, sns…