616 – Rainay be fitia!

I. Rainay be fitia!
Avy izahay
Hila zavatsoa
Ato aminao;
Mihainoa anay.

2. Rainay tsy miova!
Mijere anay,
Zanaka nikomy,
Fa naverinao;
Maneke anay!

3. Rainay be fiantra!
Menatra izahay,
Dia mba mifona
Eo imasonao;
Miantrà anay!

4. Rainay be harena,
Mpanome ny soa!
Izahay mahantra,
Mitaraina hoe:
Manomeza anay!

5. Rainay be fitia!
Indreto izahay
Avy mba hitondra
Saotra ho Anao:
Aza lavinao!