625 – Mpamonjy soa malala ô

1. Mpamonjy soa malala ô!
Mba miandrandra Anao,
Ny foko sy fanahiko
Ankehitriny zao;
Fa Hianao, irery
No tena Mpanome
Ny fahafinaretana
Sy fitsaharam-be.

2. Mpiandry ondry mora ô!
Ry Jeso be fitia!
Hazony aho ondrinao
Mba tsy haniasia,
Andraso isan’andro,
Arovinao anie,
Endrey! Fa mahatahotra
Ny biby marobe.

3.Ry Kristy be fitia!
Ry Tompo tsy mandao!
Ny sandrinao iondanako,
Fa mamy Hianao;
Hianao nanolo-tena
Ho faty fahizay,
Hanangana olo-meloka
Ho zanakao indray.

4. Ry Tompo Zanahary
Be faharetam-po!
Izaho te-ho olonao
Mahitsy sy madio;
Ovay ny toe-tsaiko,
Ny foko mba sasao,
Mba ho tempoly mendrika
Ny hitoeranao.

5. Ry Jeso tsy miova!
Ry Vonivatoko!
Ry Zanak’Andriamanitra ô!
Ry Aro lehibe!
Izaho dia matoky
Ny fitiavanao;
Fa sambatra ny olonao
Miankina aminao