1. Ry Jeso Mpamonjy, Mpanavotra anay!
Tafangona eto anio izahay
Hidera sy mba hankalaza Anao,
Fa Tompo namonjy anay Hianao;
Fiv : Haleloia! Haleloia! Hosana an’ny Avo!
Haleloia! Haleloia! Hosana ho Anao!
2. Ry Jeso, Sakaiza tsy mety mandao!
Sakaiza tsy mba mahafoy Hianao,
Mijery anay raha misy manjo,
Ho aron’ny tena sy tokin’ny fo:
Haleloia! sns…
3. Ry Jeso, Mpanjaka Mpiaro anay!
Handroso hiady tokoa izahay,
Ka dia vonjeo handresy izao,
Fa tsy mba ho resy izay manana Anao:
Haleloia! sns…
4. Ry Jeso, Mpitarika anay ho ary,
Tariho izahay tsy hivily aty.
Ka dia hamantana ao aminao,
Fa faly miandry anay Hianao:
Haleloia! sns…