1. Namely mafy loatra
Ny henatra aman-tahotra;
Tsy afaka ny aizim-po,
Fa mbola tao ny heloko.
2. Nandroso aho nivavaka
Ry Jeso ô, Mpanavotra!
Izao no angatahiko:
Mba mamelà ny heloko.
3. Izaho tsy hiahotra;
Ny tenako atolotro,
Izay rehetra ananako
Anao, Mpamela heloka.
4. Ny tahotra dia levona,
Ariako ny henatra,
Satria mandre ny feonao hoe:
Voavelako ny helokao.
5. Endrey ! ny hafaliako
Izay velona ao anatiko,
Ka sahiko ny hanao hoe:
Voavelanao ny heloko.