382 – Ry olo-matory ô, mba mifohaza

1. Ry olo-matory ô! Mba mifohaza,
Fa indro Kristy
Ilay Fahazavana Izay tena malaza,
Dia tonga aty,
Ka aza matory
Fa mba atolory
Ny fonao izao,
Mba hanazavany anao.

2. Aty dia matevina sady mahana
Ny zavona be;
Ny sento, taraina sy fitomaniana
Dia misy anie,
Ry olo-mahantra,
Jereo ny Mpiantra,
Henoinao izao:
Jesosy nanavotra anao!

3. Aty dia mangetana sady be ady,
Ka maro no voa;
Tsy tambo isaina ireo mitady
Fiadanana am-po.
Dia aza tomany,
Fa eto ihany
Ilay manome
Ny fahasoavany be!

4. O, miandrandrà ka jereo ao ambony,
Fa atoandro izao,
Falia toa zaza, tahafo ny fony,
Ny Tompo derao,
Na misy ny onja
Sy ota mandoza,
Dia mbola derao
Jehovah Mpiaro anao!

5. O, mendrika hankalazaina Jehovah
Izay manome
Ny làlana sy fahamarinana koa
Sy fiainana be.
Tsilovy, ry Kristy,
Ny làla-mahitsy
Izorako izao,
Tantano re ny zanakao!