383 – O, ry mpanota aza mandà

1. O, ry mpanota aza mandà,
Jeso miantso ka miovà !
Mba manatona Azy izao
Izy hamonjy anao !

Fiv : He, mivoha izao ny lanitra,
Ry mpirenireny lavitra ;
Indro Jesosy, Izy no ao,
Aiza no hisy anao ?

2. Be ahiahy va hianao
No tsy mandroso faingana izao ?
Dia tapaho ny hevitrao
Ka miovà hatrizao !
Fiv : He, mivoha sns…

3. Mba miverena re hatrizao
Ka hararaoty ny andronao ;
Fa ny aty ho simba sy ho lao,
Ka mba modia izao !
Fin : He, mivoha sns…