384 – Ry olom-bery, tsy ho very foana ny andronao

1. Ry olom-bery, tsy ho very
Foana ny andronao,
Raha mby an-tsainao,
Fa ny ainao, tsy fanananao.
Ny hery misy, nefa indrisy,
Resim-pahalainana!
Aty an-tany, mora lany
Ny fiainana.
Mba mazotoa, ry havako,
Ka aoka hoheverinao
Ny andro lasa, sao ny asa
Tsy ho vitanao.

2. Ka manenena, miambena,
Mivavaha hianao!
Efao ny ady, ao ny kiady
Voninahitrao.
Mba ahitsio ankehitrio
Ny dia sisa hatrizao,
Fa be ny simban’ny mpanimba
Ka migadra izao.
Sakaiza ô, fantaronao,
Fa nijalian’ny Tomponao
Ny fahotàna tsy ialàna,
Ilalaovanao.

3. Dia mba ampio sy tahio
Izahay, ry Tomponay,
Fa mba hiady ka hitady
Vonjy ho anay.
Homenao soa ny manoa
Amin’ny fotoanao.
O, ry Mpanjaka, avia haka
Ny malalanao.
Ny olonao dia tà-hankao
An-danitra fonenanao.
Ry Jeso tia, mba avia
Faingàna izao!