385 – Ny Mpamonjy be fitia

1. Ny Mpamonjy be fitia
No miantso hoe: Avia!
Ry mahantra, raiso izao,
Famonjena ho anao.

2. Hoy ny Tompo: Ry mpanota,
Manatona, fa ny ota
Voavela, anaka,
Afaka ny heloka.

3. Teny mamy, re, izany,
Faly ireo mitomany,
Ka araho hatrizao,
Dia ho sambatra hianao.

4. Ry Jesosy, Izay Mpiantra,
Izaho ory sy mahantra,
Ka ampio aho izao,
Fa Mpamonjy Hianao!

5. Efa azoko ny teny
Ka hazoniko ireny;
Hianao, Jesosy ô,
Ampy hiankinako.