386 – He, Jesosy Tompo soa

1. He, Jesosy Tompo soa
No miantso mafy hoe:
« Manatàna avokoa
Ry mpanota marobe!
Fa izay manatona Ahy
Tsy mba horoahiko;
Aza manana ahiahy,
Raisonao ny teniko ».

2. Aza mba misalasala
Ka mihevitra hoe:
Sao ny Tompo tsy hamela
Ahy efa diso be.
Tsia, tsia, ry mpanota,
Matokia marina,
Anenenonao ny ota,
Jeso hanamarina.

3. He, ny rany saro-bidy
No mahafa-keloka
Ny mpanota voavidy
Ka miaiky heloka.
Eny, afaka ny revo
Noho ny Mpanavotra,
Ny devoly manandevo
Efa resy lahatra.

4. Ny Mpamonjy mampifidy,
Tsy manao an-keriny,
Ka antsika ny hifidy
Sy handray ny teniny.
Koa raha misy very,
Dia tsy avy aminy;
Ny manao ny mahavery
Dia tsy mba maminy.