387 – Ampihetsehin’inona izao ireo vahoaka

1. Ampihetsehin’inona
izao ireo vahoaka,
Ary iza no arahiny
No dia samy maika ery?
:,:Ry jamba ô, fantaronao,
Jeso mandalo anao izao.:,:

2. Jesosy Iraky ny Ray
Dia sady mety no mahay
Manafaka ny rofinao
Sy mampahiratra anao;
:,:Koa mitsangàna hianao,
Jeso mandalo anao izao:,:

3. 0, ry mivesatra entana,
Hatony ny Mpanafaka!
Ry zaza very hatrizay,
Modia ao an-tranon-dRay.
:,:Ry jamba ô, heveronao
Jeso mandalo anao izao:,:

4. Ny làlan-tsarotrao aty
Tsy misy tsy nalehany,
Ny rofy nositraniny,
Ny maty novelominy.
:,:Ny jamba faly nahare:
Indro, Jesosy mandalo re!:,:

5. Ny indrafony mbola injao,
Mitety izao tontolo izao;
Ny tranontsika alehany,
Ny fo mihidy doniny.
:,:Ampandrosoy Izy hoe:
Jeso ô, aza mandalo re!:,:

6. Fa raha tsy ahoanao
Izao fandalovany izao,
Ka nony efa farany
Vao tia ny hovangiany,
:,:Indrisy! Tsy ho hitanao
Jeso Izay efa nandalo tao:,: