389 – Ny perla madio, ny perla vaovao

1. Ny perla madio, ny perla vaovao
No tonga hampanan-karenany very.
Ny perla madio katsaho izao;
Ario ny ota, izay mahavery,
Tapaho ny gadra, izay mahamay!
Fa sao ho anjaranao mandrakizay.

2. Ny ota nataonao, ry havana e,
Miteraka gadra, izay mahafaty;
Kanefa maro miezaka re,
Hahazo ny voan’ny ota, ka maty!
Reseo ny ota, reseo izao,
Katsaho indrindra ny perla vaovao!

3. Avia, mpanota, faingàna izao,
Faingàna ka dia hahazo hijery
Ny perla madio, ny perla vaovao,
Izay tonga hampanan-karena ny very.
Ry Jeso, Izay perla madio vaovao,
Avia hampanan-karena izao!