390 – He, Jesosy Tomponao

1. He, Jesosy Tomponao
Malahelo, mitomany,
Fa izao tontolo izao
Mbola mihomehy ihany,
Ka ho ratsy fiafara,
Fa manda ny Tompo tsara!

2. lndro, tevana no ao,
Fa tsy hitan’ny mpanota,
Izay mandihy faly izao
Sy manaram-po manota.
Ry adala, miverena,
Sao ho very famonjena.

3. Mba heveronao izao
Fa ny tenanao ho faty;
Koa ny fifonanao
Aza ataonao matimaty!
He, ny Tompo mitomany!
Sa tsy azonao izany?

4. Latsa-drano maso be
Sy onena ny Mpamonjy;
Koa mifohaza re
Manatona ho tra-bonjy;
Fa Jesosy be fitia
Mitomany ny mania.