1. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Jehovah Raiko ô !
Mitoera aty am-poko
Mba ho tompon-trano ao !
:,: O ry Raiko, O ry Raiko
Mitoera ao izao !:,:
2. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Jesosy Tompo ô !
Tsy mba vola fa ny foko
No atolotro Anao !
:,: Raiso Tompo, raiso Tompo
Fa fanati-tsitrapo ! :,:
3. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Fanahy Masina ô !
Hazavao ny ao am-poko,
Diovy ho tempolinao !
:,: Indro raiso, indro raiso
Itokàny ho Anao ! :,:
4. Tsy harindriko ny foko
Fa vohako ho Anao
Ka midira aty am-poko,
Manjakà irery ao !
:,: Eny Tompo, eny Tompo
Raiso aho ho Anao ! :,: