459 – Jeso Loharanon’aina

1. Jeso Loharanon’aina,
Jeso Masoandronay !
Izao ny fonay mitaraina,
Mba velomy izahay !
O, savao ny zavon-tany
Ao am-pandehananay !
Dia Hianao ihany
No ho Masoandronay !

2. Jeso Mofon’aina soa,
Mba vokiso izahay !
Jeso làlana tokoa,
Mba tariho izahay !
Alfa sy Omega tsara
Hianao, Mpamonjinay !
Teny soa manambara
Jeso no fiainanay !