669 – He, tazako ny laln-tery,

1. He, tazako ny lalan-tery,
Izay misy fahoriam-be,
Kanefa feno hira re,
Fa na miady, tsy ho very.
Ny mino izay mizotra eo,
Na misy maty aza eo,
Hahazo ny lakrona.

2. He, tazako Sakaiza mora,
Mpanala fahoriam-be,
Mpiaro soa, Mpanome
Ny toky tsara isan’ora;
Sakaiza feno herim-po,
Mamonjy amin’ny manjo;
Sakaiza tsy manova.

3. He, tazako ny lamba soa
Omena ny voavotra
Ho fanesoran-keloka
Sy fanavaozana azy koa;
Fa Jeso efa nanome
Ny rany saro-bidy re,
Ho fanadiovana azy.

4. He, tazako ny andro ho avy,
Izay hialako sasatra,
Ka ny ririnin’efitra
Hanjary lohataona mamy;
Ka any vao hivelatra
Ny vonindraozin-danitra
Ao amin’ny Edena.

5. He, tazako ny voavonjy
Ao amin’ny Mpampakatra,
Dia ao an-tampon-danitra,
Izay niakaran’ny Mpamonjy;
Miravoravo izy ao,
Mihira fideram-baovao
Ho an’ny Zanak’ondry.