1. Ny ony tsy miato, fa mitady
Ny ranomasina ihaviany.
Ka toy izany koa ny fanahy
Mitady ny Andriamaniny
Andriananahary
No Tompoko nahary
Ny faniriako,
Izay mitady Azy, ka manary
Izay misakana ny diako.
2. lzay midongy sy mirehareha
Tsy hahatratra ny Edenany;
Lomorina ny rano tsy mandeha,
Ka simba ao am-pijanonany;
Ka toy izany koa:
Ho simba avokoa
Izay mijanona,
Ka tsy manatona ny Tomposoa,
Izay mitahy sy mamelona.
3. Tsy misy zavatra aty an-tany
Mahafa-po ny faniriako;
Vahiny aho eto ka mankany
An-danitra izay fodiako.
Ny Tompoko malala
Ho avy hampiala
Ny olony aty;
Izaho dia tsy misalasala
Hanaraka ny Tompo ho ary!